Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tiako ny Fiainana sy ny Mozika ary ny Baiboly

Tiako ny Fiainana sy ny Mozika ary ny Baiboly

Tiako ny Fiainana sy ny Mozika ary ny Baiboly

Notantarain’i Boris Gulashevsky

Eritrereto hoe lehilahy 60 taona mahery no mitomany sady misaotra an’Andriamanitra satria nanjary nahalala azy. Izaho io lehilahy io, ary vao 11 taona izay no nitrangan’izany. Jamba aho, ary efa nihetsika indroa ny aretim-poko.

TERAKA tamin’ny 1930 aho, tany Tsibulev, tanàna kely any Ukraine. Nosamborina ny raiko tamin’ny 1937, tamin’ny fotoana nanamparan’i Staline ny fahefany. Nohelohina ho “fahavalom-pirenena” izy. Nalain’ny fanjakana an-keriny ny tranonay. Nihatakataka taminay ny ankamaroan’ny olom-pantatray. Tsy ela anefa dia voasambotra koa ny maro tamin’izy ireo. Tsy nifampatoky ny olona, ary namadika ny namany. Nanjaka koa ny tahotra.

Niteraka an’i Lena anabaviko i Neny, roa volana taorian’ny nisamborana an’i Dada. Ririnina tamin’izay, nefa efitra kely tsy nisy varavarankely sy tsy nisy fitaovana fanafanana no nipetrahanay sy Neny sy Lena ary Nikolai rahalahiko. Nifindra tany amin’ny raibeko izahay tatỳ aoriana. Izaho sy Nikolai no nikarakara ny tranon’i Dadabe, nanamboatra ny simba, ary nikapa kitay. Tia asa tanana aho, ka nanao kiraro sy nandrafitra. Tia mozika koa aho, ka nanamboatra gitara balalaikà, ary nianatra nitendry azy io. Nianatra nitendry gitara tsotra sy mandôlinina koa aho tatỳ aoriana.

Mbola kely aho dia efa vita batemy tany amin’ny Katolika. Tsy nazava tamiko anefa ny foto-pinoana sy fanaon’ny Katolika, ka nanjary resy lahatr’ireo olona tsy mino an’Andriamanitra aho. Niditra ho mpikambana tao amin’ny Komsomol (fikambanan’ny tanora kominista) aho taorian’ny Ady Lehibe II. Niady hevitra tamin’ny olona nino an’Andriamanitra izahay, ka niezaka nanaporofo fa tsy misy Andriamanitra.

Lasa jamba aho

Anisan’ny toerana fiadian’ny miaramila ny tanànanay, nandritra ny Ady Lehibe II, taorian’ny nanafihan’i Alemaina ny Firaisana Sovietika, tamin’ny 1941. Nisy daroka baomba tamin’ny 16 Martsa 1944. Naratra aho, ka lasa jamba. Namoy fo sy kivy tanteraka aho nanomboka teo, sady nanaintaina.

Nifindra niankandrefana ny toeram-piadiana, tatỳ aoriana, ary tsy maintsy nandositra ny Alemà. Afaka nandehandeha tao an-jaridaina àry aho, nihaino siokam-borona. Nalahelo ahy i Neny ka nanome ahy toaka vodka. Nanasa ahy koa ny mpiara-monina rehefa nanao fety. Nitendry zavamaneno aho tany. Nanjary nifoka sigara aho, ary nisotro toaka mba hamonoana eritreritra. Tsy ela anefa dia hitako fa tsy vahaolana izany.

Nahita sekoly ho an’ny jamba ny nenitoako, ka nandresy lahatra an’i Neny mba hampiditra ahy tany. Nianatra tany Kam’yanets’-Podil’s’kyy àry aho, nanomboka tamin’ny 1946, ary tena nazoto. Nianatra namaky sy nanoratra soratra Braille aho. Nanohy ny fianarako mozika koa aho, ka nandany ora maro nitendrena angorodao, mandra-pahaizako tsara an’ilay izy. Hitan’ny tale lefitra ny ezaka nataoko, ka navelany hitendry ny angorodaony aho. Nianatra nitendry piano koa aho.

Nahavita trano aho

Nanambady aho tamin’ny 1948. Mpampianatra tao amin’ilay sekoly ihany no lasa vadiko. Maty tamin’ny ady ny vadiny, ary namela kamboty vavy kely roa. Nifindra tany an-tranony aho, rehefa vita ny fianarako. Niezaka mafy mba ho vady tsara fanahy sy ray be fitiavana aho. Nitendry zavamaneno aho mba hamelomako ny ankohonako. Nanan-janaka lahy izahay, tamin’ny 1952.

Nanamboarako trano ny ankohonako. Olona no nokaramaiko hanao ny fototra sy hanangana ny rindrina. Izaho ihany anefa no nanao ny zavatra sasany. Ahoana no nahavitako izany? Notsapatsapaiko sy nalaiko sary an-tsaina ny akora nampiasaiko. Naka hazo aho, ohatra, ka notazoniko tamin’ny tanako roa, ary notsapatsapaiko mba hahazoako sary an-tsaina ny endriny. Nandrafitra an’ilay izy aho avy eo, ka nahavita zavatra maro, toy ny fitaovana hazo. Novidiko kosa ny fitaovana vy. Nanamboatra toerana famindroana tao an-trano aho, ary nanao fanaka sy zavatra maro hafa.

Orkesitra tsy nampiasa afa-tsy sodina

Notohiziko foana ny fianarako mozika, ka lasa mpitendry zavamaneno matihanina aho. Nianatra nitsoka sodina aho, rehefa nahay zavamaneno isan-karazany. Nanamboatra sodina kely simba, vita tamin’ny volotsangana, aho, indray andro. Nianatra namorona sodina aho, taorian’izay. Nihevitra ny manam-pahaizana tamin’izany, fa tsy hisy sodina mahavoaka feo beso mihitsy. Ilana sodina lehibe mantsy izany. Ho iva loatra indray anefa ny feon’ny sodina lehibe. Tsy mahagaga raha mbola tsy nisy mihitsy orkesitra nampiasa sodina ranofotsiny.

Vitako anefa ny namorona sodina nisy fitaovana fampitomboana ny haavon’ny feo. Mahavoaka beso tsara ilay izy, nefa tsy iva loatra ny feony. Nahavita karazana sodina maro aho, tatỳ aoriana. Mahavoaka feo isan-karazany mirindra tsara izy ireo rehefa miara-tsofina.

Efa nanangana orkesitra maromaro aho taloha, ary zavamaneno nentim-paharazana no notendrenay. Jamba daholo ny mpitendry tao amin’ny orkesitra iray. Nanangana orkesitra tsy nampiasa afa-tsy sodina aho, tamin’ny 1960. Mbola tsy nisy orkesitra toy izany mihitsy teto amin’ny Firaisana Sovietika, ary angamba aza naneran-tany.

Zava-baovao nampisalasala

Nisy lehilahy iray matihanina nanamboatra ny zavamanenoko simba, tamin’ny 1960. Niresaka fivavahana tamiko izy. Niady hevitra toy ny fanaoko aho, ka nilaza taminy fa tsy misy Andriamanitra. Hoy anefa izy: ‘Henoy fotsiny aloha izay vakiko ato amin’ny Baiboly.’ Nekeko izany satria mbola tsy namaky Baiboly mihitsy aho.

Tena nanohina ny foko ny tantaran’i Jakoba. Niasa mafy izy mba hamelomana ny ankohonany. Nitomany aho rehefa nihaino ny tantaran’i Josefa. Nivarotra azy ho andevo ny rahalahiny, ary niaritra fitsapana maro izy, nefa navelany ny helok’izy ireo. (Genesisy toko 37, 39-45) Tena tiako koa ilay fitsipika hoe tokony hoentintsika toy ny fomba tiantsika hitondrana antsika ny olona. (Matio 7:12) Nanjary nahalala ny Baiboly àry aho, ka nanomboka tia namaky azy io.

Niangona tany amin’ny Batista niaraka tamin’ilay namako aho, ary nahazo Baiboly “Testamenta Vaovao” amin’ny soratra Braille. Novakiko tsara ilay izy. Voamariko anefa fa nifanohitra ny voalaza tao sy ny fampianaran’ny Batista. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa samy hafa Andriamanitra sy Jesosy, ary lehibe noho i Jesosy Andriamanitra. (Matio 3:16, 17; Jaona 14:28; Asan’ny Apostoly 2:32) Manizingizina anefa ny Batista fa mitovy Andriamanitra sy Jesosy, ary anisan’ny Andriamanitra telo izay iray. Natoky tanteraka aho fa tsy ao amin’ny Baiboly io fampianarana io. Novakiko imbetsaka mantsy ilay “Testamenta Vaovao”, ary notsapaiko tsara mihitsy ny teny tsirairay.

Misy teny hoe “afobe” koa tao amin’ilay Baiboliko. Ampianarin’ny Batista fa toerana feno afo miredareda izy io, ary natao hampijaliana olona mandrakizay. Nalaiko sary an-tsaina izany, ka tsiravina aho! Milaza ny Baiboly fa fitiavana Andriamanitra, ka tsy nino mihitsy aho hoe hamorona toerana toy izany izy. (1 Jaona 4:8) Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia vao mainka aho nisalasala raha marina na tsia ny afobe sy ny foto-pinoana hafa ampianarin’ny Batista.

Fiovana lehibe

Efa nanambady aman-janaka daholo ny zana-badiko, tamin’ny 1968. Nanomboka tsy nifanara-tsaina intsony izahay mivady, ka nisaraka tamin’ny farany. Manenina aho rehefa mieritreritra an’ireny fotoana ireny. Raha mba nifaneho fitiavana sy nanam-paharetana mantsy izahay. Nanambady indroa aho taorian’izay, nefa mbola nisaraka indray.

Nifindra tany Yoshkar-Ola, 600 kilaometatra any atsinanan’i Moscou aho tamin’ny 1981, rehefa avy nipetraka tany Kam’yanets’-Podil’s’kyy nandritra ny 35 taona. Mbola namorona zavamaneno vaovao ihany aho. Nisy mpikambana 45 tao amin’ny orkesitra iray natsangako. Nitsoka sodina isan-karazany izy ireo. Tao ny sodina faran’izay fohy, ary tao koa ny faran’izay lava. Tsy misy afa-tsy 20 santimetatra ny halavan’ilay sodina fohy indrindra, ary 1 santimetatra latsaka ny savaivony. Mamoaka feo maranitra izy io. Mahatratra 3 metatra mahery kosa ilay sodina lava indrindra, ary 20 santimetatra ny savaivony. Mamoaka feo beso be izy io. Nalefa tao amin’ny radio sy tele ny fampisehoana nataonay. Nitety ny Firaisana Sovietika koa izahay.

Nisy fifaninanana nifanaovan’ny mpahay zavamaneno eran’ny Firaisana Sovietika, tamin’ny 1986. Nahazo mari-pankasitrahana sy meday aho, noho ny zava-bitako nifandray tamin’ny sodina. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nisy horonan-tsary fanadihadiana nivoaka, nitondra ny lohateny hoe Sodina Fotsiny, Tantaran’ny Mpitendry Zavamaneno Iray. Hoy ny gazety Mariiskaya Pravda: “Nahazo mari-pankasitrahana manokana i Boris Nikolaievich Gulashevsky, ilay resahina ao amin’io horonan-tsary io, noho izy nanangana orkesitra tsy mampiasa afa-tsy sodina. Mbola tsy nisy orkesitra toy izany mihitsy nanerana an’i Rosia.”

Nitady ny fivavahana marina aho

Rehefa nifindra tany Yoshkar-Ola aho, dia niditra ho mpikambana tao amin’ny tranomboky iray nisy boky maro be ho an’ny jamba. Lasa fantatro tsara ny fampianaran’ny Katolika sy Pentekotista ary Metodista. Niangona tany amin’ny Eglizy Ortodoksa koa aho. Gaga be aho fa mitovy ihany ny fampianaran’izy rehetra ireo sy ny an’ny Batista, izay efa fantatro fa tsy avy ao amin’ny Baiboly.

Nanoratra ny pretra ortodoksa iray atao hoe Alexander Men, fa manana anarana Andriamanitra, dia i Iaveh. Nilaza koa izy fa nanaraka ny fivavahana marina ny Jiosy taloha, saingy lasa nanaraka ny fampianarana sy fanaon’ny mpanompo sampy izy ireo. Tena nanaitra ahy ny bokin’io pretra io, ka vao mainka izany nandrisika ahy hitady ny fivavahana marina.

Tapa-kevitra kokoa

Nisy mpitendry zavamaneno atao hoe Liza tao amin’ny iray amin’ireo orkesitra natsangako. Zara raha mahita izy, ka nosokajina ho anisan’ny jamba. Nivady izahay tamin’ny 1990. Nanjary liana tamin’ny fivavahana koa izy. Nitsidika ny reniko aho tamin’io taona io. Niara-nipetraka tamin’i Lena anabaviko tany Baranovichi, any Bélarus, izy. Niangavy ahy hiangona tany amin’ny Katolika i Neny. Nankany aho, ary nandray Kominio. Tamin’izay no nampiharina ilay atao hoe perestroïka, na fanavaozana ny politika sy ny fiaraha-monina tany amin’ny Firaisana Sovietika, ka izany foana mazàna no noresahin’ny pretra rehefa nitory teny. Hitako indray àry fa tsy io no fivavahana marina.

Nihetsika indroa ny aretim-poko tamin’ny 1994, ary lasa narary mafy aho. Tamin’io taona io koa no maty ny reniko. Mbola namaky Baiboly ihany aho, na dia teo aza izany rehetra izany. Efa in-25 aho no nahavaky ny “Testamenta Vaovao”, ary tsy voaisako intsony ny taorian’izay. Nanohy namaky azy io foana aho, ary vao mainka nanana fanontaniana be dia be. Hitako tamin’ny farany, fa tsy ho vitako irery ny hahatakatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

Hitako ny fivavahana marina

Tamin’ny 1996, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao an-tranoko, tany Yoshkar-Ola. Niahiahy azy ireo aho, satria nilaza ny gazety fa sekta mampidi-doza izy ireo. Nieritreritra anefa aho hoe: ‘Inona moa no ratsy ho vitan’izy ireo amiko eo?’ Nanontaniako avy hatrany momba ny Andriamanitra telo izay iray izy ireo. Nohazavainy fa tsy hita ao amin’ny Baiboly io fampianarana io, ary na dia ireo teny ireo aza. Faly aho satria izany koa no voamariko rehefa namaky ny Baiboly aho.

Namaky ny Eksodosy 6:3 tao amin’ny Baibolin’ny Synoda Rosianina aho, ka hitako tao ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Tsy hay lazaina ny hafaliako tamin’izay! Gaga aho rehefa nahita fa namitaka ny olona ny fivavahana maro, satria nanafina an’io anarana io. Nanaitra ahy koa ny nahalala fa mitondra ny anaran’ny Mpamorona ny Vavolombelon’i Jehovah sady mampahafantatra azy io amin’ny hafa!—Isaia 43:10.

Nototofako fanontaniana ireo Vavolombelona tonga tao amiko. Ohatra hoe: ‘Inona no tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe afobe? Nahoana ny Baibolin’ny Synoda no milaza fa hodorana ny tany?’ Nametraka fanontaniana be dia be aho, nefa nahazo valiny avy ao amin’ny Baiboly foana. Hoy àry aho anakampo: ‘Tena ity ilay fivavahana notadiaviko hatry ny ela.’ Faly be aho ka nitomany, ary nandohalika sady nisaotra an’Andriamanitra.

Tsy ela dia nentin’ireo Vavolombelona tany amin’ny fivoriany aho. Gaga aho fa nifantoka tsara ny mpanatrika. Reko namadibadika ny pejin’ny Baiboliny izy ireo, isaky ny nanonona andinin-teny ny mpandahateny. Mbola tsy sendra zavatra toy izany mihitsy aho taloha. Nanao hira nalaina avy tao amin’ny Isaia 35:5 izy ireo tamin’io fivoriana io. Izao no fanombohan’ilay izy: “Ny jamba dia hahiratra.”

Inefatra isan-kerinandro be izao aho no nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona. Tena nahafinaritra ahy izany. Tsy ela dia fantatro hoe nahoana no navelan’Andriamanitra hisy ny olana sy ny ady. Nanjary fantatro koa izay hataony mba hamahana izany. Talanjona aho rehefa nahalala ny fampanantenana tena tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’ny alalan’izy io no hanomezan’Andriamanitra fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, ho an’ny olona mankatò azy. (Genesisy 1:28; Isaia 65:17-25; Apokalypsy 21:1-5) Nihanazava tamiko ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ka nanolo-tena ho an’Andriamanitra aho, ary natao batisa tamin’ny 16 Novambra 1997.

Miara-manompo an’Andriamanitra

Nianatra Baiboly koa i Liza, tsy ela taorian’ny batisako. Nalemy izy, nefa nandroso haingana ary natao batisa tamin’ny 1998. Nobataina izy rehefa nentina teny amin’ny dobo fanaovana batisa. Vonona hanompo an’Andriamanitra amin’ny fony manontolo izy. Nakana mpanotra izy, sady nampanaovina fanatanjahan-tena, ka sitrana tatỳ aoriana. Manatrika ny fivoriana rehetra izy izao, sady mitory eto an-tanàna sy any amin’ny toerana lavitra.

Mivavaka aho isaky ny handeha hitory mba hananako herim-po. Raisiko avy eo ny tehina fotsiko, ary mivoaka ny trano aho. Manaraka lalana iray efa mahazatra ahy aho, ary tsy mijanona raha tsy eny amin’ny fijanonan’ny bisy. Miresaka avy hatrany momba ny Baiboly aho, raha vao mandre olona manatona. Miakatra ao amin’ny bisy aho avy eo, mipetraka eo afovoany, ary miresaka momba ny Baiboly sady manolotra gazety na boky. Rehefa misy olona liana amin’ny Baiboly, dia mifanome nomeraon-telefaonina izahay.

Vao haingana dia nisy mpampianatra mozika tafaresaka tamiko, tao amin’ny toeram-pitsaboana iray. Nahavariana azy ny fahendrena hita ao amin’ny Baiboly, ka nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Nihaona tamin’ny lehiben’ny orinasa iray koa aho, tao amin’io toerana io ihany. Jamba ny zanany lahy. Nolazaiko taminy ny fanantenako, ka nanjary nahaliana azy sy nankasitrahany ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

Nanampy olona valo ho tonga mpitory ilay Fanjakana aho, hatramin’ny nanaovana batisa ahy. Olona maro koa no nampianariko Baiboly. Manampy be anay mivady foana i Jehovah, amin’ny alalan’ireo rahalahy sy anabavy kristianina. Mamaky teny aminay izy ireo, ary miara-midinika boky na gazety ara-baiboly aminay. Raisin’izy ireo feo koa ny lahateny any am-pivoriana sy any amin’ny fivoriambe, ka omeny anay. Izany rehetra izany no manampy anay handentika ny fahamarinana ao am-ponay sy hitory amin’ny olona. ‘Manampy sy mankahery’ anay tokoa ny fiangonana.—Kolosianina 4:11.

Nandany taona maro teo amin’ny sehatry ny mozika aho, ary faly aho izao mihira ny hiran’ilay Fanjakana. Haiko tsianjery ny ankamaroan’ny hira ao anatin’ny boky Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah amin’ny teny rosianina. Mino aho fa hitan’i Jehovah tamin’izaho mbola teto amin’ity tontolo ratsy ity. Nampiany ho afaka tamin’ny fahajambana ara-panahy aho. Izany no mahatonga ahy hino fa mbola hanafaka ahy amin’ny fahajambana ara-bakiteny izy, indray andro any.

[Sary, pejy 19]

Mitsoka sodina mamoaka feo beso be

[Sary, pejy 20]

Mitendry angorodao, 1960

[Sary, pejy 20, 21]

Orkesitra tsy mampiasa afa-tsy sodina

[Sary, pejy 23]

Izaho sy Liza ankehitriny