Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Ny tele indray eto Etazonia no betsaka ao an-trano noho ny olona. Manana tele telo na mihoatra, ny antsasaky ny fianakaviana amerikanina.”—ASSOCIATED PRESS, ETAZONIA.

Ankizy 82 isan’andro no miakatra fitsarana any Afrika Atsimo, satria voampanga ho “nanolana ankizy hafa na nanao fihetsika mamoafady taminy.” Nilaza, hono, ny ankamaroan’ireo ankizy ireo fa “ny zavatra hitany tao amin’ny tele no nahatonga azy hanao izany.”—THE STAR, AFRIKA ATSIMO.

Mihena ny Asa Vitan’ny Olona Tsy Ampy Torimaso

Io no olana hitan’ny Espaniola sasany. Niresaka momba izany ny Dr. Eduard Estivill, lehiben’ny hopitaly iray any Barcelone, mikarakara ny olona manana olana momba ny torimaso. Nilaza izy fa mifoha aloha kokoa sy miasa ela kokoa, ary tara kokoa vao misakafo hariva ny Espaniola, raha oharina amin’ny Eoropeanina hafa. Latsaka ny 40 minitra eo ho eo koa ny torimason’izy ireo. Mety ho lasa kizitina, mora manadino, mitebiteby, ary kivy anefa ny olona rehefa tsy ampy torimaso. Mampitandrina àry ny Dr. Estivill hoe: “Tokony hatory adiny fito na adiny valo isan’andro ny olona manao asa saina, na asa hafa ilana fifantohana.”

Vary Hakana Hafanana

Mety ve ny mandoro vary mba hakana hafanana? Milaza ny gazety alemà Frankfurter Allgemeine Sonntagszeitung, fa mahazo tombony kokoa ny tantsaha raha mandoro vary mba hahazoana hafanana, toy izay hivarotra ny variny mba hividianana solika. Efa nidina mantsy izao ny vidim-bary fa nihalafo kosa ny solika. Efajato ariary eo ho eo no masonkarenan’ny tantsaha hamokarana vary roa kilao sy sasany. Raha dorana anefa izany, dia manome hafanana mitovy amin’ny azo avy amin’ny solika iray litatra, izany hoe 1 200 ariary eo ho eo. Izany indrindra, hoy ilay gazety, no mahatonga an’izao fanontaniana manahiran-tsaina izao: Mety ve ny “mandoro vary, nefa misy olona mosarena”?

Natao Fitadiavam-bola ny Fitsidihan’ny Papa

Nitsidika an’i Alemaina ny Papa tamin’ny 2006, ka niomana tsara ny mpivarotra sy ny sampan-draharahan’ny fizahan-tany, mba hahazo tombony. Nifidy mpiombon’antoka hivarotra entana ho fahatsiarovana koa ny eglizy. Anisan’izany ny sapile, labozia, tavoahangy misy rano voahasina, kaopy, kasikety, tiserta, fitondrana lakile, ary saina kelin’i Vatikana. Nilaza ny gazetiboky Der Spiegel fa ‘tena mitady vola ny Eglizy Katolika. Toy ireny hoe tsy nandroaka ny mpivarotra tao amin’ny tempoly mihitsy i Jesosy Kristy.’

Tsy Mihontsina Amin’ny Herisetra Noho ny Lalao Video

“Mety tsy hihontsina amin’ny herisetra intsony ny olona, rehefa manao lalao video misy herisetra”, hoy ireo psikology mpikaroka ao amin’ny Onivesiten’i Iowa, any Etazonia. Efa hita tamin’ny fikarohana teo aloha, fa “vao mainka lasa tia herisetra sy tezi-dava ary misetrasetra” ny olona manao lalao toy ireny. “Mitempo haingana be koa ny fony, ary misefosefo izy.” Tamin’ity indray mandeha ity kosa, dia nasaina nanao lalao video nisy herisetra ny olona sasany, ary ny hafa nampanaovina lalao tsy nisy herisetra. Samy nampijerena video mampiseho herisetra tena nitranga izy ireo avy eo, ary narahi-maso ny fitempon’ny fony sy ny fihetseham-pony. Hita fa “lasa ‘zatra’ herisetra ireo nanao lalao video nisy herisetra, ka tsy nihontsina intsony.”