Ahoana no Hataoko Raha Miaina eo Anivon’ny Kolontsaina Roa Tsy Mitovy Aho?
Manontany ny Tanora Hoe...
Ahoana no Hataoko Raha Miaina eo Anivon’ny Kolontsaina Roa Tsy Mitovy Aho?
“Italianina izahay, ary fomban’ny Italianina ny maneho miharihary ny fitiavany sy ny hatsaram-panahiny. Mipetraka eto Angletera izahay izao. Mitandrintandrina be kosa ny olona eto ary tsy dia maneho fihetseham-po. Sahirana aho amin’ireo kolontsaina roa tsy mitovy ireo. Sady tsy tena Italianina aho no tsy tena Anglisy.”—Giosuè, Angletera.
“Tany am-pianarana, dia nasain’ny mpampianatra nijery azy aho rehefa niteny izy. Nolazain’i Dada fa tsy mahalala fomba anefa aho rehefa nanao izany taminy. Niaina teo anivon’ny kolontsaina roa tsy mitovy aho, ka tsy hitako izay natao.”—Patrick, Alzerianina nifindra monina any Frantsa.
Mpifindra monina ve ny rainao na ny reninao?
◻ Eny ◻ Tsia
Tsy mitovy amin’ny ao an-tranonao ve ny fiteny na ny kolontsaina any am-pianaranao?
◻ Eny ◻ Tsia
OLONA an-tapitrisany no mifindra monina isan-taona, ary maro no miatrika olana lehibe. Miova tampoka ny fiainany. Tsy mitovy amin’ny azy mantsy ny fiteny sy ny kolontsaina ary ny fitafian’ny olona any amin’ny tany ifindrany. Matetika izy ireo no ataon’ny olona fihomehezana, vokatr’izany. Izany indrindra no tsapan’ny ankizivavy iray atao hoe Noor. Avy any Jordania izy sy ny fianakaviany, ary nifindra tany Amerika Avaratra. Hoy izy: “Nihomehezan’ny olona izahay satria tsy nitovy tamin’ny azy ny akanjonay. Tena tsy azonay mihitsy koa ny vazivazin’ny Amerikanina.”
Hafa kosa ny zava-tsarotra hitan’i Nadia. “Teraka tany Alemaina aho”, hoy izy. “Hafahafa ny fanononako teny alemà satria Italianina ny ray aman-dreniko, ary nantsoin’ny ankizy tany am-pianarana hoe ‘Italianina vendrana’ aho. Rehefa tany Italia indray aho, dia nifangaro tamin’ny fanononana alemà ny fiteniko rehefa niteny italianina aho. Tsy hitako mihitsy hoe aiza no tokony hisy ahy. Vahiny foana aho, na aiza na aiza alehako.”
Inona no zava-tsarotra hafa atrehin’ny zanaky ny mpifindra monina? Ary ahoana no handraisany soa be indrindra avy amin’io toe-javatra misy azy io?
Kolontsaina sy fiteny tsy mitovy
Mety hanjary tsy hitovy koa na dia ny kolontsain’ny ray aman-dreny sy ny zanaka aza. Fa nahoana? Vetivety dia zatra kolontsaina vaovao ny ankizy, raha oharina amin’ny ray aman-dreniny. Valo taona, ohatra, i Ana rehefa nifindra tany Angletera izy mianakavy. Hoy izy: “Mora tamiko sy ny zandriko ny nizatra ny fiainana teto Londres. Sarotra tamin’ny ray aman-dreniko anefa izany, satria nipetraka ela be tany amin’ny nosy kelin’i Madère izy ireo.” Telo taona i Voeun rehefa niala tany Kambodja ny ray aman-dreniny ka nifindra tany Aostralia. Izao no nolazainy: “Tsy tena zatra ny fiainana sy ny kolontsaina eto ny ray aman-dreniko. Matetika aza i Dada no nalahelo sy tezitra, satria tsy azoko ny fomba fiheviny.”
Toy ny hantsana manasaraka ny tanora amin’ny ray aman-dreniny io tsy fitovian’ny kolontsaina io. Vao mainka mety hampisaraka azy ireo ny fiteny samihafa, toy ny hoe miampy manda ilay hantsana. Manomboka mipoitra io olana io, rehefa ny ankizy no mahay ilay fiteny vaovao haingana kokoa noho ny ray aman-dreniny. Mitombo ilay olana rehefa manomboka manadino ny fitenin-drazany izy ireo, ka mihatsy mifankahazo resaka ny ao an-trano.
Nitovy tamin’izany ny zavatra niainan’i Ian (14 taona), rehefa niala tany Ekoatera ry zareo ka nifindra tany New York. Hoy izy: “Ny teny anglisy no ampiasaiko kokoa noho ny teny espaniola. Miteny anglisy ny mpampianatra anay, miteny anglisy ny namako, ary teny anglisy no ifampiresahanay sy ny zandriko. Teny anglisy no mameno ny lohako, ka mitady ho hadinoko ny teny espaniola.”
Izany koa ve no manjo anao? Raha nifindra monina ny fianakavianao tamin’ianao mbola kely, dia mety tsy ho tsapanao fa hilainao ny fiteninao any aoriana any. Mety ho tsy noraharahainao àry ilay izy, ka hadinonao tamin’ny farany. Nilaza toy izao i Noor, ilay noresahina teo aloha: “Tsy nety mihitsy ny raiko raha tsy niteny arabo izahay tao an-trano, nefa tsy tianay izany. Toa manahirana be fotsiny, nefa tsy tena ilaina ny nianatra teny arabo taminay. Niteny anglisy ny namanay. Tamin’ny teny anglisy daholo koa ny fandaharana nojerenay tamin’ny tele. Ataonay inona indray moa ny teny arabo?”
Rehefa mihalehibe ianao, dia mety ho takatrao ihany fa mahasoa anao ny mahay tsara ny fitenin-drazanao. Mety ho sarotra aminao anefa ny mitadidy ny teny sasany izay hainao tsara taloha. Avy any Chine ry Michael (13 taona) ary nifindra tany Angletera. Hoy izy: “Afangaroko ny teny sinoa sy ny teny anglisy.” Nifindra tany Londres niaraka tamin’ny ray aman-dreniny i Ornelle, 15 taona. Avy any Congo (Kinshasa) ry zareo. Hoy izy: “Miezaka ny hilaza zavatra amin’ny teny lingala amin’i Neny aho, nefa tsy haiko ilay izy satria teny anglisy no mahazatra ahy.” Teraka tany Aostralia i Lee, ary avy any Kambodja ry zareo. Malahelo izy fa tsy mahay tsara ny fitenin’ny ray aman-dreniny. Hoy izy: “Rehefa miresaka amin’ny ray aman-dreniko aho ary te hanazava tsara kokoa ny hevitro, dia hitako fa tsy mahay tsara ny fiteniny aho.”
Nahoana no ilaina ny mianatra ny fitenin-drazanao?
Aza kivy raha toa ka tsy hainao tsara intsony ilay fiteninao taloha. Matokia fa ho hainao indray izy io. Tsy maintsy takatrao anefa aloha ny soa azo avy amin’izany. Nilaza toy izao, ohatra, i Giosuè, ilay noresahina teo aloha: “Nianatra ny fitenin’ny ray aman-dreniko aho, satria te hifandray akaiky kokoa aminy, ary indrindra indrindra mba hahafahako hanompo an’Andriamanitra miaraka aminy. Nanjary nahatakatra ny fihetseham-pony aho, ary lasa nahatakatra ny fomba fihevitro izy ireo.”
Tanora kristianina maro no miezaka hahafehy tsara ny fitenin-drazany, satria te hanambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny olon-kafa nifindra monina. (Matio 24:14; 28:19, 20) “Tena tsara ny mahay manazava ny Soratra Masina amin’ny fiteny roa!”, hoy i Salomão, izay nifindra tany Londres tamin’izy dimy taona. “Efa saika hadinoko tanteraka ny fiteniko. Ao amin’ny fiangonana miteny portogey anefa aho izao, ka sady miteny anglisy no miteny portogey misosa tsara.” Nilaza toy izao i Oleg (15 taona) mipetraka any Frantsa: “Faly aho fa afaka manampy ny hafa. Afaka manazava ny Baiboly amin’ny teny rosianina, frantsay, ary moldavianina aho.” Hitan’i Noor fa nila mpitory ny faritany nisy Arabo. Hoy izy: “Mianatra teny arabo aho izao mba hahaizako tsara azy io indray. Niova aho, ary tena tiako izao raha misy manitsy ahy, rehefa diso ny fomba fiteniko. Tena te hianatra aho.”
Inona no azonao atao mba hahaizanao hiteny tsara ny fitenin-drazanao indray? Hitan’ny fianakaviana sasany fa lasa mahay fiteny roa ny zanany, raha ny fitenin’izy ireo ihany no ifampiresahana ao an-trano. * Afaka mangataka amin’ny ray aman-dreninao koa ianao mba hampianatra anao hanoratra an’ilay fiteniny. Nihalehibe tany Alemaina i Stelios, kanefa teny grika no fitenin-drazany. Hoy izy: “Zatra niara-nandinika andinin-teny ara-baiboly tamin’ny teny grika izahay sy ny ray aman-dreniko isan’andro. Vakiny mafy izany ary soratako avy eo. Mahay mamaky sy manoratra teny grika sy alemà aho izao.”
Manana tombony be mihitsy ianao, raha zatra kolontsaina roa samy hafa sady mahay fiteny roa na mihoatra. Ho takatrao kokoa, ohatra, ny fihetseham-pon’ny hafa ary ho hainao ny hamaly ny fanontaniany momba an’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, ary endrey ny hatsaran’ny teny atao amin’izay andro mahamety azy!” (Ohabolana 15:23) Karàna i Preeti ary teraka tany Angletera. Hoy izy: “Matoky tena kokoa aho eny amin’ny fanompoana, satria mahafantatra kolontsaina roa. Fantatro izao ny zavatra inoan’ny olona sy ny fomba fiheviny, na Anglisy izy na Karàna.”
“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”
Aza kivy raha miaina eo anivon’ny kolontsaina roa tsy mitovy ianao. Toy izany no nitranga tamin’ny olona maromaro voaresaka ao amin’ny Baiboly. Mbola kely, ohatra, i Josefa dia voatery niaina teo anivon’ny kolontsaina hafa noho ny kolontsaina hebreo nahazatra azy. Nipetraka tany Ejipta izy nandritra ny andro sisa niainany. Tsy nanadino ny fiteniny mihitsy anefa izy. (Genesisy 45:1-4) Afaka nanampy ny fianakaviany izy vokatr’izany.—Genesisy 39:1; 45:5.
Diniho koa ny ohatr’i Timoty, izay nitety tanàna maro be niaraka tamin’ny apostoly Paoly. Grika ny rainy ary Jiosy ny reniny. (Asan’ny Apostoly 16:1-3) Tsy nataony ho zava-manahirana anefa izany kolontsaina roa samy hafa izany. Azo antoka kosa fa hainy ny nampiasa ny fahalalany an’ireo kolontsaina ireo mba hanampiana ny olona, tamin’izy misionera.—Filipianina 2:19-22.
Nahoana koa raha heverina ho tombony ho anao ny fahafantarana kolontsaina samy hafa, fa tsy ho zava-manahirana? Tadidio fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Tian’i Jehovah ianao, amin’ny maha ianao anao, fa tsy noho ny fiavianao. Toa an’ireo tanora noresahina tato, nahoana raha mampiasa ny fahalalanao ny kolontsain’ireo olona iray firazanana aminao, mba hanampiana azy hianatra momba an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika tsy mizaha tavan’olona sy be fitiavana? Tena ho sambatra ianao raha manao izany!—Asan’ny Apostoly 20:35.
Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 21 Misy soso-kevitra fanampiny ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ny Olana sy ny Valisoa Entin’ny Fitaizan-janaka any An-tany Hafa”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 2002.
ERITRERETO IZAO:
◼ Inona no zava-tsarotra hitanao noho ny kolontsaina sy ny fiteny tsy mitovy?
◼ Inona no azonao atao mba handresena izany?
[Sary, pejy 20]
Hifandray akaiky kokoa amin’ny ray aman-dreninao ianao raha mampiasa ny fiteniny