Andriamanitra ve no Tokony Homena Tsiny?
Andriamanitra ve no Tokony Homena Tsiny?
MILAZA ny Baiboly fa “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Tia rariny koa izy sady be famindram-po. “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.”—Deoteronomia 32:4.
Mahafantatra mialoha ny zavatra mety hitera-doza i Jehovah Andriamanitra, satria izy no Mpamorona. Manana hery koa izy, ka afaka manao zavatra mba tsy hisian’ny loza. Raha dinihina izany rehetra izany, sy ireo toetran’Andriamanitra resahin’ny Baiboly, dia tena rariny ny olona maro raha manontany hoe: “Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny loza voajanahary?” * Mamaly an’io fanontaniana io Andriamanitra ao amin’ny Teniny, ary olona tso-po an-tapitrisany no efa nahita izany ka afa-po. (2 Timoty 3:16) Diniho ireto fanazavana ireto.
Nanao tsinontsinona ny fitiavan’Andriamanitra izy ireo
Milaza ny Baiboly fa nomen’Andriamanitra izay rehetra nilainy ny ray aman-drenintsika voalohany, mba hahasambatra azy sy hiarovana azy amin’ny loza. Mbola afaka nanantena ny hokarakarain’Andriamanitra foana izy ireo sy ny taranany, rehefa hiteraka sy ‘hameno ny tany’, araka ny didin’Andriamanitra.—Genesisy 1:28.
Mampalahelo anefa fa ninia tsy nankatò an’ilay Mpamorona azy i Adama sy Eva, ary nifidy ny tsy hiantehitra aminy. (Genesisy 1:28; 3:1-6) Nanao toy izany koa ny ankamaroan’ny taranany. (Genesisy 6:5, 6, 11, 12) Tsy te hanaraka ny tari-dalan’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona fa te hanao izay tiany, amin’ny fomba itondrany ny fiainany sy ny fomba ikarakarany ny tany. Andriamanitra fitiavana anefa i Jehovah ka manaja ny safidin’ny olona. Tsy tereny hanaiky ny fahefany ny olombelona, na dia fantany aza fa mety hidiran-doza izy ireo raha tsy mankatò azy. *
Tsy nandao tanteraka ny olombelona anefa i Jehovah. Mbola “mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy” foana izy hatramin’izao, sady “mandatsaka ny orana Matio 5:45) Afaka mianatra momba ny tany sy ireo tsingerina eo amin’izy io koa ny olombelona, noho ny fahaizana nomen’Andriamanitra. Fantatra mialoha àry hoe hiakatra be na hidina be ny mari-pana. Fantatra koa ireo loza hafa mety hitranga, toy ny fipoahan’ny volkano.
amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Ankoatra izany, dia lasa fantatry ny olona hoe aiza ny faritra atahorana kokoa hisy horohoron-tany, na mety hisy mari-pana miakatra be na midina be. Afaka mahafantatra izay tokony hataony àry ny olona, sady afaka manamboatra trano tsara kokoa sy fitaovana famantarana loza. Namonjy ain’olona maro izany. Mbola betsaka ihany anefa, isan-taona, ny olona iharan-doza. Maro sy sarotra hazavaina ny antony mahatonga izany.
Monina eny amin’ny toerana mampidi-doza
Tsy ny herin’ilay loza voajanahary loatra matetika no mahabetsaka ny olona iharan-doza, fa ny hamaroan’ny olona monina eo amin’ny toerana itrangan’ny loza. Maherin’ny ampahefatry ny mponina any amin’ny tany 160 mahery, no monina amin’ny toerana mampidi-doza, araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena. Hoy i Klaus Jacob, mpahay siansa ao amin’ny Oniversiten’i Kolombia, any Etazonia: “Arakaraka ny mahabetsaka ny olona mipetraka eo amin’ny toerana mora misy [horohoron-tany, na rivo-doza, sns.] no mahatonga an’ireny fisehoan-javatra voajanahary ireny ho lasa loza.”
Tsy izay ihany anefa no antony mampitombo ny loza. Mitatra any amin’ny faritra mampidi-doza ny tanàn-dehibe. Mitombo ny velaran-tany nolalorana simenitra ka tsy afaka mitsika ny ranonorana. Eo koa ny fandripahana ny ala. Ireo antony roa farany ireo matetika no mahatonga ny tondra-drano sy ny fihotsahan’ny tany vokatry ny oram-be.
Avy amin’ny zavatra ataon’ny olona koa no mahabetsaka an’ireo iharan-doza amin’ny horohoron-tany. Tsy ny herin’ilay horohoron-tany mantsy no mahafaty sy mandratra ny ankamaroan’ny olona, fa ireo tranobe mianjera. Izany no mahatonga ny manam-pahaizana momba ny horohoron-tany hilaza fa “tsy ny horohoron-tany no mamono olona fa ny tranobe.”
Mety hampitombo ny isan’ny olona maty koa ny tsy fahaizan’ny mpitondra. Efa intelo ravan’ny horohoron-tany ny renivohitry ny firenena iray any Amerika Atsimo, tao anatin’ny 400 taona. Lasa dimy tapitrisa anefa ny mponina any izao, izany hoe nitombo avo roa heny noho ny tamin’ny 1967, fotoana nisian’ny horohoron-tany farany tao amin’io firenena io. Hoy ny gazety Mpahay Siansa Vaovao (anglisy): “Angamba tsy misy ny lalàna momba ny fanorenan-trano, izay afaka miaro ny mponina, na misy ihany fa tsy ampiharina.”
Izany indrindra no nitranga tany Nouvelle-Orléans, any Etazonia. Iva sy mora voan’ny tondra-drano io tanàna io. Na dia misy fefiloha sy fitaovana mitroka rano aza any, dia tonga ihany ilay loza natahoran’ny rehetra, tamin’ny 2005. Tratran’ny tondra-drano ilay tanàna, vokatry ny Rivo-doza Katrina. “Efa ela ny olona no nampitandremana, saingy tsy niraharaha”, hoy ny gazety Etazonia Ankehitriny (anglisy).
Mino ny mpahay siansa fa noho ny fiakaran’ny mari-panan’ny tany, dia mety hiakatra ny ranomasina ary hitombo ny loza vokatry ny toetrandro ratsy. Tsy miraharaha an’izany koa ny olona. Tokony hoeritreretina àry ireo antony ara-politika sy ara-tsosialy ary ara-toe-karena Jeremia 10:23) Mampidi-doza koa ny tsy firaharahana an’ireo fambara loza sy fampitandreman’ny manam-pahefana.
mahatonga ny loza voajanahary. Avy amin’ny olombelona izy ireny fa tsy avy amin’Andriamanitra. Marina àry ilay voalazan’ny Baiboly hoe: ‘Tsy mahalavorary ny diany ny olombelona.’ (Fantaro ireo fampitandremana
Marina aloha fa tonga tampoka ny loza, indraindray. Milaza mantsy ny Mpitoriteny 9:11 fa ‘samy mahazo antsika rehetra ny fotoana sy ny sampona.’ Matetika anefa no misy fambara na fampitandremana, rehefa mananontanona ny loza. Azo antoka kokoa ho tafavoaka velona ny olona, raha mahafantatra an’ireny fampitandremana ireny.
Olona fito monja amin’ny mponina an’arivony no matin’ny tsunami tany amin’ny nosin’i Simeulue, any Indonezia, tamin’ny 2004. Nahoana? Satria nandositra ny ankamaroan’ny mponina tao, rehefa nisintona tsy toy ny mahazatra ny ranomasina. Izany mantsy no mitranga alohan’ny hisian’ny tsunami. Tsy niharan-doza koa ny olona nanaraka fampitandremana, rehefa nisy rivo-doza sy fipoahan’ny volkano. Indraindray, dia mialoha ny fampitandreman’ny manam-pahefana ny fambara loza avy amin’ny zavaboary. Tsara àry ny hahaizana azy roa ireo, indrindra raha monina amin’ny faritra mora tratran’ny loza voajanahary ianao.
Hoy anefa ny manam-pahaizana iray momba ny volkano: “Mazàna ny olona no tsy mino hoe hisy loza hitranga, na dia efa miharihary aza izany.” Izany no mitranga raha efa nisy fampitandremana maro taloha nefa tsy nisy loza akory, na efa ela no nisy loza farany teo amin’ilay toerana. Misy koa tsy te handao ny fananany tsotra izao, na dia efa mitatao aza ny loza.
Mahantra loatra ny olona any amin’ny faritra maro, ka tsy afaka mifindra any amin’ny toerana azo antoka kokoa. Tsy ny Mpamorona anefa no mahatonga ny fahantrana, fa ny olombelona no tsy mahay mitondra. Matetika, ohatra, ny fitondram-panjakana no mandany vola be amin’ny fitaovam-piadiana, nefa zara raha manampy ny mahantra.
Afaka mahazo fanampiana anefa ny ankamaroan’ny olona, na mahantra na manankarena. Inona izany fanampiana izany? Ireo toro lalana mahasoa maro omen’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly Masina. Ain’olona maro no ho voavonjy, raha arahina izy ireny.
Toro lalana mamonjy aina
◼ Aza maka fanahy an’Andriamanitra. Hoy ny Deoteronomia 6:16: “Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrareo hianareo.” Tsy minomino foana ny tena Kristianina, ka hihevitra fa hiaro azy amin’ny loza rehetra Andriamanitra. Manaraka an’ity torohevitry ny Soratra Masina ity àry izy ireo, rehefa mananontanona ny loza: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.”—Ohabolana 22:3.
◼ Hevero ho sarobidy noho ny fananana ny aina. “Na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” (Lioka 12:15) Mahasoa tokoa ny fananana, kanefa tsy misy dikany izany raha maty isika. Tsy manao vivery ny ainy mba hiarovana ny fananany àry ny olona te ho velona sy mbola te hanompo an’Andriamanitra.—Salamo 115:17.
Nisy horohoron-tany tany Japon tamin’ny 2004. Niala tao an-tranony avy hatrany i Tadashi, na dia mbola tsy nanome toromarika aza ny manam-pahefana. Ny ainy no sarobidy taminy kokoa noho ny trano sy ny fananana. Hoy koa i Akira: “Miankina amin’ny toe-tsain’ny olona no mahakely na mahabetsaka ny fahavoazana, fa tsy miankina amin’ny zavatra nafoy. Nohararaotiko iny loza iny mba hanatsorana ny fiainako.”
◼ Henoy ny fampitandreman’ny manam-pahefana. ‘Ekeo ny manam-pahefana.’ (Romanina 13:1) Fahendrena ny mankatò, rehefa asain’ny manam-pahefana mandao ny fonenantsika isika, na omeny toromarika hafa mba hiarovana antsika. Tsy niharan-doza i Tadashi, satria nanaraka ny toromariky ny manam-pahefana ka tsy nanatona ny toerana mampidi-doza.
Raha mahita fambara loza ny olona, dia izy ireo ihany no tokony hanapa-kevitra ny amin’izay hataony sy ny fotoana hanaovany izany, na dia tsy misy fampitandremana avy amin’ny manam-pahefana aza. Mety hanome tari-dalana ny manam-pahefana any amin’ny toerana sasany, mba hiarovana ny mponina amin’ny loza. Raha misy an’izany tari-dalana izany eo amin’ny faritra
misy anao, fantatrao tsara ve izy ireny? Efa niresaka izany niaraka tamin’ny fianakavianao ve ianao? (Jereo ny efajoro.) Manana toromarika momba ny vonjy taitra ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny faritra maro maneran-tany. Ny biraon’ny sampan’izy ireo no manome ny tari-dalana ilaina. Tena nanampy ireny toromarika ireny, rehefa nisy loza nananontanona na nitranga.◼ Mifankatiava. Hoy i Jesosy: ‘Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba ifankatiavanareo, toy ny nitiavako anareo.’ (Jaona 13:34) Manao izay rehetra azony atao ireo olona mahafoy tena sy be fitiavana toa an’i Kristy, mba hanampiana ny hafa ho vonona hiatrika loza na ho tafavoaka velona amin’izany. Manao izay hifandraisana amin’ny mpiray finoana aminy ireo anti-panahy eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hahazoana antoka fa ieren-doza izy ireo. Ataony azo antoka koa fa manana ny zavatra tena ilainy ny tsirairay, anisan’izany ny rano fisotro madio, sakafo, fitafiana ary fanafody. Mampiantrano an’ireo Vavolombelona tra-boina koa ireo Vavolombelona any amin’ny toerana tsy mampidi-doza. Tena “fatorana mampiray tonga lafatra” tokoa ny fifankatiavan’izy ireo.—Kolosianina 3:14.
Misy milaza fa mbola hihamaro sy hampidi-doza kokoa ny loza voajanahary. Mety hitombina izany, kanefa tsy haharitra ela. Nahoana? Satria hifarana tsy ho ela ny fitondran’ny olombelona tsy miantehitra amin’Andriamanitra. Aorian’izay, dia i Jehovah, ilay Andriamanitra be fitiavana, no ho mpitondra ary hitondra soa ho an’ny tany sy ny olombelona ny fitondrany.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 3 Rehefa mahafaty olona na manimba zavatra ihany ny horohoron-tany, ny mari-pana miakatra be na midina be, ny fipoahan’ny volkano sy ny maro hafa, izay vao antsoina hoe loza.
^ feh. 6 Manazava bebe kokoa momba ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy, ilay andian-dahatsoratra hoe “Fa dia Nahoana Loatra?” ao amin’ny Mifohaza! Novambra 2006, sy ny toko faha-11 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Efajoro/Sary, pejy 7]
VONONA HANDOSITRA VE IANAO?
Mampirisika ny fianakaviana ny Ekipan’ny Vonjy Taitra any New York, mba hanomana kitapo azo entina mandositra rehefa misy loza. Tokony ho mafy tsara, mora raisina, ary mora entina izy io, sady misy ireo zavatra tena ilaina. Izao ny zavatra azo atao ao anatiny: *
◼ Kopian’ireo taratasy tena ilaina, atao ao anaty zavatra tsy tatera-drano
◼ Lakile mitovy amin’ny lakilen’ny trano sy fiara
◼ Vola sy taratasy fangalana vola na seky
◼ Rano amin’ny tavoahangy sy sakafo tsy mora simba
◼ Jiro fanao am-paosy, radio kely, pila, finday sy chargeur (raha misy)
◼ Fanafody ilaina mandritra ny herinandro fara fahakeliny, taratasim-panafody, taratasin’ny dokotera, ary anaran’ny dokotera sy nomeraon’ny telefaoniny. (Soloy izay fanafody lany daty)
◼ Fitaovam-pitsaboana vonjy maika
◼ Kiraro mafy sy akanjo fitondra amin’ny orana
◼ Anaran’ny olona azo ampandrenesina sy anaran’ny toerana ihaonan’ny fianakaviana, ary sarintany
◼ Zavatra ilain’ny ankizy
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 35 Mety hiova kely io lisitra io, na dia avy amin’ny tompon’andraikitry ny vonjy taitra aza. Tsy voatery hety aminao na hifanaraka amin’ny zava-misy ao amin’ny taninao ireo zavatra voatanisa ireo. Mety hisy zavatra hafa mila ampidirina. Manana ny zavatra ilainy manokana, ohatra, ireo be taona sy kilemaina.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]
USGS, David A. Johnston, Cascades Volcano Observatory