Avia Hiala Sasatra atỳ Vanuatu
Avia Hiala Sasatra atỳ Vanuatu
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY NOUVELLE-CALÉDONIE
Rera-tsaina ve ianao, ka te hiova rivotra kely? Eritrereto hoe manao vakansy ao amin’ny nosy iray ianao. Mafana tsara ny andro. Milomano ao amin’ny ranomasina manga tanora ianao, na mitsangantsangana ao anaty ala maitso mavana, na miresadresaka amin’ny tompon-tany manana kolontsaina vaovao be aminao. Mbola misy ve ny paradisa toy izany? Eny tokoa. Any amin’ireo nosy Vanuatu.
ANY amin’ny faritra atsimoandrefan’i Pasifika, anelanelan’i Aostralia sy Fidji, no misy an’i Vanuatu, izay ahitana nosikely 80 eo ho eo. Miendrika Y izy ireo, rehefa jerena avy eny ambony. Ahoana no nampisy an’i Vanuatu? Milaza ny manam-pahaizana fa nisy sosona nofon-tany goavam-be nifandona teo amin’ny toerana misy an’i Vanuatu ka nivohitra, ary nampisy tendrombohitra avo be maromaro, izay saika saron’ny ranomasina avokoa. Tafavoaka teny ivelan’ny ranomasina anefa ny tendrony avo indrindra sasany, ka lasa nosy maromaro mikitoantoana sy feno vato. Mbola mikisaka sy mifampikasoka hatramin’izao ireo sosona nofon-tany ao ambanin’i Vanuatu, ka miteraka horohoron-tany madinika sy volkano sivy. Afaka mijery akaiky ranoka volkano mbola mangotraka àry izay mpizaha tany sahisahy.
Be ala maitso mavana eto Vanuatu. Ahitana karazana hazo aviavy goavana ao amin’izy ireny. Tena manaitra io hazo io satria mety hameno velaran-tany midadasika be ny rantsany. Feno karazana orkide 150 mahery sy karazana ampanga 250, ao ambaniny. Ahitana torapasika kanto sy harambato marani-doha eny amoron-tsiraka. Madio mangarahara ny ranomasina, sady feno vato harana sy trondro mareva-doko. Misy mpizaha tany avy lavitra tonga ao amin’ny Nosy Epi (iray amin’ireo nosy eto Vanuatu) mba hiara-milomano amin’ny dugong, karazana lambondriaka malemy fanahy sy tia sangy. *
Mpihinana olona sy mpanompo sampy
Tamin’ny 1606 no tonga voalohany teto ny Eoropeanina mpikaroka tany vaovao. * Lozabe ny mponina teto, ary mpihinana olona ny ankamaroany. Feno hazo sandaly fanamboarana zavamanitra teto. Be mpitady izy io tany Azia. Hitan’ny mpivarotra eoropeanina àry fa mety hahazoam-bola be io hazo io, ka nalainy avokoa. Rehefa tapitra ny hazo, dia ny olona indray no nalainy.
Niantso ny tompon-tany izy ireo, mba hiasa any amin’ny toeram-pambolena fary sy landihazo any Samoa sy Fidji ary Aostralia. Telo taona no nifanarahana fa haharetan’ilay asa. Voalaza fa tsy noterena ireny tompon-tany ireny. Nalaina an-keriny anefa ny ankamaroany. Taloha kelin’ny taona 1900 no tena nilana mpiasa be indrindra, ka ny antsasany mahery tamin’ny lehilahy tao amin’ny nosy sasany no niasa tany an-tany hafa. Tsy tafaverina intsony ny ankamaroany. Tany Aostralia fotsiny, dia efa ho 10 000 no maty, ka aretina no nahafaty ny maro taminy.
Nandripaka olona teto Vanuatu koa ny aretina avy any Eoropa. Tsy nahatohitra ny kitrotro, kôlerà, nendra, ary ny aretina hafa ny mponina. Hoy ny boky iray: “Sery dia nahafaty ny mponina rehetra tany amin’ny tanàna sasany.”
Tamin’ny 1839 no tonga teto ny misionera kristianina. Nasain’ny olona hisakafo avy hatrany ry zareo, kanjo izy ireo indray no voalaza fa natao sakafo! Nisy maro hafa tonga tatỳ aoriana, nefa
mampalahelo fa toy izany koa no niafarany. Tian’ny olona ihany anefa ny fivavahana protestanta sy katolika rehefa ela ny ela, ka lasa nisy fiangonana eran’i Vanuatu. Ny 80 isan-jaton’ny mponina no milaza fa mpivavaka. Na izany aza, dia “mbola maro no manaja fatratra ny mpanao ody”, hoy i Paul Raffaele. “Mampiasa vato lazaina fa misy fanahy izy ireny, rehefa manao fombafomba mba hanampiana an’izay te hahazo ny olona tiany, na te hanatavy kisoa, na te hamono ny fahavalony.”Misy olona manaraka an’ilay atao hoe “fivavahana miandrandra harena” koa eto. Ny olona eto no tena tsy mety afaka amin’izy io, na dia misy ihany aza any an-tany hafa. Natao toeram-piadiana mantsy ny faritra sasany tatỳ Pasifika tamin’ny Ady Lehibe II, ka nisy miaramila amerikanina 500 000 nandalo teto. Nitolagaga ny tompon-tany nahita ny entam-be na “harem-be” nentin’izy ireo. Rehefa vita ny ady, dia tsy namela na inona na inona ny Amerikanina. Nariany tany an-dranomasina ny vatsy sy ny fitaovana tsy nilainy, nefa nitentina an-tapitrisany dolara. Mba hisarihana azy ireo hiverina, dia nanorina seranan-tsambo sy seranam-piaramanidina tsotsotra ny olona tao amin’ilay “fivavahana miandrandra harena.” Nanao akanjo miaramila sy nilanja fitaovam-piadiana sarintsariny koa izy ireo, sady nanao matso. An-jatony ao amin’ny Nosy Tanna no mbola mivavaka amin’ilay Amerikanina atao hoe John Frum. Antsoina hoe “mesia amerikanina tsy hita maso” izy io. Milaza ny olona fa mbola hiverina izy io, ary hitondra harem-be ho azy ireo.
Kolontsaina isan-karazany
Mahavariana fa misy fiteny sy fombafomba maro eto Vanuatu. Hoy ny boky iray: “Milaza ny mponin’i Vanuatu fa ny firenen’izy ireo no manana fiteny betsaka indrindra noho ny tany hafa rehetra.” Misy fiteny 105 eo ho eo sy fitenim-paritra maro be eran’i Vanuatu. Ny teny bislama sy anglisy ary frantsay no fiteny ofisialy. Ny bislama anefa no fiteny ifampiresahan’ny rehetra.
Misy zavatra mbola tsy miova mihitsy eto Vanuatu hatramin’izao: Manaraka fombafomba foana ny olona amin’ny zava-drehetra ataony. Vao mainka nandrisika ny olona eran-tany hanao ilay lalao atao hoe bungee jumping, ny fanao iray any amin’ny Nosy Pentecôte. Mifatotra amin’ny lasitika ny mpanao an’io lalao io ary mitsambikina avy eny amin’ny toerana avo be, ka ilay lasitika mihenjana no mampijanona azy. Isan-taona, dia mitsambikina avy eny ambony tilikambo hazo mahatratra 20 ka hatramin’ny 30 metatra, ny lehilahy lehibe sy ny ankizilahy ao amin’ny nosy Pentecôte, rehefa vokatra ny vomanga. Tahon-javamaniry mandady fotsiny no afatotra amin’ny tongony, mba tsy hianjerany ka hahafaty azy. Ataony mikasoka vetivety amin’ny tany ny lohany rehefa milatsaka izy. Manantena izy ireo fa izany no “hampahavokatra” ny tany amin’ny taona manaraka.
Tato ho ato ny tanàna sasany any amin’ny Nosy Malekula vao nanomboka nifandray tamin’ny vahiny. Ny foko Nambas Lehibe sy Nambas Kely no tena betsaka any. Lozabe sy mpihinana olona izy ireo taloha. Voalaza anefa fa tamin’ny 1974 izy ireo no nihinana olona farany. Nofehezin’izy ireo mafy tamin’ny lamba koa taloha ny lohan’ny zazalahy kely vao teraka mba ho lasa lavalava. Ho tsara tarehy, hono, ilay zaza amin’izay. Efa tsy manao izany intsony ry zareo ankehitriny. Tsara fanahy be izao ny Nambas, ary tia mitantara ny fomban-drazany amin’ny vahiny.
Monina ao amin’ny paradisa
Hiala sasatra vetivety monja no anton-dian’ny ankamaroan’ny vahiny eto Vanuatu. Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa, efa 70 taona teo ho eo izao, no tonga teto mba hanampy ny olona hahalala an’Andriamanitra. Tsy very maina ny ezaka nataon’izy ireo tatỳ amin’ity ‘faritra lavitra amin’ny tany’ ity. (Asan’ny Apostoly 1:8) (Jereo ilay efajoro hoe “Mpimamo Lasa Kristianina.”) Dimy ny fiangonana teto tamin’ny 2006, ary nandany 80 000 ora mahery mba hitoriana ilay hafatra ao amin’ny Baiboly momba ny paradisa an-tany ho avy. (Isaia 65:17-25) Mahafaly tokoa fa ho foana mandrakizay ny olana sy ny tebiteby mahazo antsika ankehitriny, ao amin’io Paradisa io!—Apokalypsy 21:4.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 5 Biby mampinono velona any an-dranomasina ny dugong. Mety hahatratra 3,4 metatra ny halavany ary 400 kilao mahery ny lanjany. Zavamaniry no fihinany.
^ feh. 7 Nouvelles-Hébrides no anaran’i Vanuatu talohan’ny fahaleovan-tenany tamin’ny 1980.
[Efajoro/Sary, pejy 17]
NOSY FALIFALY
Tamin’ny 2006, dia i Vanuatu no voalohany tamin’ny firenena falifaly indrindra eran-tany. Ny fikambanana britanika iray mpanao fikarohana no nahita izany, rehefa nampitaha tany 178. Nodinihin’izy ireo ny fifalian’ny mponina, ny halavan’ny androm-piainany ary ny fanajany ny tontolo iainana. Hoy ny gazety iray eto an-toerana: ‘I Vanuatu no voalohany satria falifaly ny mponina eto, 70 taona eo ho eo ny androm-piainany, ary tsy dia manimba ny tontolo iainana izy ireo.’
[Sary]
Akanjo nentim-paharazana
[Sary nahazoan-dalana]
© Kirklandphotos.com
[Efajoro/Sary, pejy 17]
MPIMAMO LASA KRISTIANINA
Mbola ankizilahy i Willie, avy any amin’ny Nosy Pentecôte, dia efa mpisotro be. Zava-pisotro avy amin’ny karazana hazo poavra no nosotroiny. Ny fakan’ilay hazo no totoina mba hanamboarana zava-pisotro tena mahery. Mampitony na mampatory ilay izy. Mamon’io zava-pisotro io i Willie isan’alina, ka nivembena rehefa nody. Nanjary bokan-trosa izy. Nahery setra koa izy matetika, ka namono an’i Ida vadiny. Nampirisika azy hianatra Baiboly àry ny mpiara-miasa aminy iray, izay Vavolombelon’i Jehovah. Nanaiky i Willie. Tsy namela azy hianatra i Ida tamin’ny voalohany. Nihatsara anefa ny fitondran-tenany, ka niova hevitra i Ida, ary nanaiky hianatra koa. Nazoto nampihatra izay nianarany izy roa. Resin’i Willie ihany ny fahazaran-dratsiny. Natao batisa izy sy Ida tamin’ny 1999, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah.
[Sarintany, pejy 15]
(Jereo ny gazety)
NOUVELLE-ZÉLANDE
AOSTRALIA
OSEANA PASIFIKA
FIDJI
[Sary, pejy 16]
Fombafomba mampidi-doza fanaon’ny olona sasany mba hampahavokatra ny tany
[Sary nahazoan-dalana]
© Kirklandphotos.com
[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]
© Kirklandphotos.com
[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]
© Kirklandphotos.com
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
© Kirklandphotos.com