Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Ho Foana Ihany ve ny Aretina? (Janoary 2007) Nilaza ianareo fa misy olona “lany vola sy fotoana amin’ny fitsaboana tsy mandaitra na mampidi-doza mihitsy aza.” Fitsaboana toy ny raokandro sy otra ary tsindrona volamena angamba no tianareo holazaina. Miresaka momba izany mantsy ilay lahatsoratra, ary misalasala raha tena mandaitra sy azo antoka ireny fitsaboana ireny. Ny fitsaboan’ny dokotera ve izany no heverin’ny Mifohaza! ho azo antoka sy mandaitra kokoa? Betsaka mantsy ny porofo hoe tsy marina izany, araka ny Biraon’ny Kaonty Amerikanina.

G. C., Etazonia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Maro amin’ireo fitsaboana be mpitia no noheverina ho azo antoka sy mandaitra, nefa hita fa nisy lesoka, tatỳ aoriana. Tafiditra amin’izany na ny fitsaboan’ny dokotera, na ny raokandro sy ny toy izany. Fahendrena ny manadihady momba izay mety hahatsara na haharatsy an’ilay fitsaboana tianao harahina. Tokony ho azo antoka tsara koa hoe tsy mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly ilay izy. Araka ny efa nolazainay imbetsaka, dia tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana iray manokana ny “Mifohaza!” Ny tsirairay no misafidy izay fitsaboana heveriny fa mety aminy. Tsy mitsara ny hafa amin’izay fitsaboana fidiny koa ny Kristianina. Voalaza tao amin’ny faran’ilay lahatsoratra, fa na ny fitsaboan’ny dokotera na ny raokandro dia tsy hahavita hanafoana ny aretina rehetra. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hahavita izany.—Apokalypsy 21:3, 4.

‘Hitsambikina Tahaka ny Diera’ Aho (Aogositra 2006) Tena nahatonga saina ahy ny faharetana sy fanetren-tenan’i Francesco Abbatemarco. Kilemaina izy nefa miezaka be mba hanompoana an’i Jehovah, sady miady mafy mba tsy ho mora kivy. Nanampy ahy ny tantarany mba hitadidy fa na inona na inona manjo antsika, dia afaka manompo an’i Jehovah araka izay vitantsika foana isika. Nampahery ahy koa ny nahita hoe nahavita nanao fiovana lehibe teo amin’ny fiainany izy, rehefa nampihatra ny Tenin’Andriamanitra.

N. G., Kambodja

Be dia be ny olana natrehin’i Francesco. Vonona ny handresy azy ireny anefa izy, raha vao nahalala ny fahamarinana. Tonga dia nandray fanapahan-kevitra hentitra izy, ary tena ohatra tsara izy amin’izay lafiny izay. Nanosika ahy hanahaka azy iny tantara iny, ary mino aho fa ho toy izany koa ny hafa.

M. D., Afrika Atsimo

Tena tiako iny lahatsoratra iny! Tiako ny mba hiteny mivantana amin’i Francesco Abbatemarco hoe tena nampahery ahy ny tantarany. Nandrisika ahy hiezaka bebe kokoa amin’ny fanompoana an’i Jehovah ilay izy.

J. B., Etazonia

Misaotra betsaka, ry Francesco, fa tena ohatra tsara ianao noho ny zotom-po sy ny fiaretanao. Mino aho fa hitsambikina tahaka ny diera tokoa ianao ao amin’ny tontolo vaovao. Tsarovy fa manana rahalahy sy anabavy tena tia anao sy mivavaka ho anao ianao.

S. G., Rosia