Efa Nampijaly Foana ny Areti-nify
Efa Nampijaly Foana ny Areti-nify
Nisy lehilahy nianjaika be teo amin’ny tany malalaky ny tsena. Mpisoloky izy io, ary nihambo ho mahay manala nify nefa tsy maharary. Efa nisy mpiray tsikombakomba taminy teo. Mody niahotra io aloha, nefa nanatona ihany avy eo. Mody nanala ny nifiny àry ilay namany, ary namoaka vazana iray feno ra mba ho tazan’ny rehetra. Nazoto halana nify sy handoa vola ny olona narary nify, rehefa nahita izany. Natao nidobodoboka ny amponga ary nampanenoina ny trompetra, mba tsy ho re ny kiakiakan’izy ireo, sao hitakemotra indray ny hafa. Mety ho voaloto ny ran’ireo olona ireo, ka harary mafy izy afaka andro vitsivitsy. Ilay mpisoloky kosa efa nadio ny rano nitany.
EFA taloha ela be izany no nitranga. Vitsy ankehitriny no voatery ho any amin’ny mpamitaka toy izany, rehefa marary nify. Mahavita manasitrana areti-nify mantsy izao ny mpitsabo, ary matetika no afaka manampy ny olona mba hiaro ny nifiny tsy ho banga. Mbola maro anefa no matahotra hanatona mpitsabo nify. Hodinihintsika izay nataon’ny dokotera fahiny, mba hanamaivanana ny fanaintainan’ireo narary nify. Mety hanampy antsika hankasitraka kokoa ny asa ataon’ny mpitsabo nify ankehitriny izany.
Ny fahasimban’ny nify, hono, no aretina miely indrindra, ankoatra ny sery. Tsy aretim-baovao anefa izy io. Asehon’ny tononkalon’i Solomona Mpanjaka, fa efa mpahazo ny be taona teo amin’ny Israely fahiny ny olana vokatry ny nify banga.—Mpitoriteny 12:3.
Na ny mpanjaka aza nijalijaly
Na i Elizabeta I mpanjakavavin’i Angletera aza mba narary nify. Nisy mpitsidika avy any Alemaina nahatsikaritra ny nifiny mainty, ary nilaza fa “tia zava-mamy loatra ny Anglisy, ka izay no mahatonga ny nifiny ho toy izany.” Nijalijaly andro aman’alina ilay mpanjakavavy tamin’ny Desambra 1578. Nilaza ny dokoterany fa tokony hesorina ilay nify marary. Tsy nanaiky anefa izy, satria natahotra sao dia hanaintaina. Te hampahery azy i John Aylmer, evekan’i Londres, ka nangataka ny halana nify teo anatrehany. Nify efa simba angamba izy io. Herim-po tokoa re izany! Efa vitsivitsy ihany mantsy sisa ny nifin’Ingahirainy!
Ny sarambaben’olona kosa tany amin’ny mpanety no nanala nify, na tany amin’ny mpanefy vy mihitsy aza. Nihamaro anefa ny olona narary nify, rehefa nihabetsaka ny nanam-bola hividianana siramamy. Nila mpanala nify mahay betsaka kokoa àry ny olona. Tamin’izay no nanomboka nikaroka fomba hitsaboana areti-nify ny dokotera sy ny mpandidy sasany. Tsy maintsy nampiana-tena anefa izy ireo, satria natahotra ny ho very kilià ny manam-pahaizana, ka tsy nety nanoro ny teknika fampiasany. Vitsy koa ny boky momba ny fitsaboana nify.
Lasa mpanjakan’i Frantsa i Louis Faha-14, zato taona taorian’izay. Nampijalin’ny areti-nify koa izy, saika nandritra ny androm-piainany manontolo. Nesorina daholo àry ny nifiny ambony havia, tamin’ny 1685. Nisy nilaza fa ny areti-nifiny no nahatonga azy handray fanapahan-kevitra nampidi-doza tamin’io taona io. Nofoanany mantsy ny fahalalahana ara-pivavahana tany Frantsa, ka niteraka fanenjehana tamin-kabibiana
an’ireo mpiangona tao amin’ireo fivavahana madinika izany.Ny niandohan’ny tena fitsaboana nify
Nanomboka nisy ny mpitsabo nify matihanina, rehefa niezaka ny hanana fiainana mirenty toa an’i Louis Mpanjaka ny olona ambony tao Paris. Tsy afaka ny hitana toerana ambony tao an-dapa sy teo amin’ny fiaraha-monina mantsy ianao tamin’izany, raha tsy metimety ny bika aman’endrikao. Nitady solonify àry ny olona, nefa tsy mba hitsakoana, fa mba hahatsara endrika azy fotsiny. Nanomboka tamin’izay no nisy antokona mpandidy vaovao, dia ny mpitsabo nifin’ny olona ambony. I Pierre Fauchard no nahay indrindra tao Paris. Tao amin’ny tafika an-dranomasina frantsay izy no nianatra nandidy. Nanakiana ny mpandidy izy, satria ny mpanety sy ny mpisoloky no navelan’izy ireo hanala nify, nefa tsy mahay akory ireo. I Fauchard no voalohany niantso ny tenany hoe mpandidy, manam-pahaizana amin’ny fitsaboana nify.
Tsy nihazona ny fahaizany ho azy samirery toy ny fanaon’ny sasany i Fauchard. Nanoratra boky manazava ny teknika rehetra hainy izy, tamin’ny 1728, ka lasa nantsoina hoe “Mpamorona ny Asa Fitsaboana Nify.” Izy no voalohany nanana seza manokana ho an’ny marary nify, ka tsy nametraka azy ireo tamin’ny tany toy ny fanaon’ny hafa. Nanamboatra fitaovana dimy fanalana nify koa izy. Tsy mpanala nify fotsiny anefa izy. Nanamboatra milina fandoahana nify koa izy, ary namorona fomba fanampenana nify loaka. Nianatra nanampina ny atinify sy nampiraikitra solonify tamin’ny faka-nify koa izy. Nanamboatra solonify tamin’ny ivoara izy, ary nasiany resaoro nihazona an’ireo solonify ambony teo amin’ny toerany. Nanomboka tamin’i Fauchard àry vao nisy ny mpitsabo nify matihanina. Na ny mpitsabo tany Amerika aza naka tahaka ny nataony.
Nijalijaly ny prezidà amerikanina voalohany
Zato taona teo ho eo taorian’ny andron’i Louis Mpanjaka, dia nampijalijalin’ny areti-nify i George Washington tany Amerika. Nalana nify iray saika isan-taona izy, nanomboka tamin’izy 22 taona. Alao sary an-tsaina ny fijaliany tamin’izy nitari-tafika, nandritra ny adin’ny fahaleovan-tenan’i Amerika! Kely sisa ny tsy naha banga ridana azy, rehefa lasa prezidàn’i Etazonia voalohany izy, tamin’ny 1789.
Tena nahakivy an’i Washington koa ny nifiny banga sy ny solonifiny tsy nipetaka tsara, satria nanaratsy ny endriny. Zava-dehibe taminy mantsy ny bika aman’endriny, satria izy no prezidàn’ilay firenena vao niforona, ka tiany mba ho metimety ny fahitan’ny vahoakany azy. Mbola tsy natao tamin’ny lasitra toy ny amin’izao andro izao ny solonify tamin’izany, fa natao sokitra tamin’ny ivoara, ka sarotra ny nihazona azy tamin’ny toerany. Sahirana toa an’i Washington ihany koa ny lehilahy anglisy, rehefa nanao solonify. Izany angamba, hono, no mahatonga azy ireo tsy hihomehy be rehefa mivazivazy. Amin’izay dia tsy miseho ny solonifiny.
Misy milaza fa nanao solonify hazo i Washington. Toa tsy marina anefa izany. Vita tamin’ny ivoara sy firaka kosa ny solonifiny, ary nisy aza tena nify. Mpamaky fasana angamba no nivarotra nify tamin’ny dokoterany. Nanaraka ny tafika koa ny mpivarotra nify, ary nanendaka ny nifin’izay maty na teo am-pialana aina, rehefa tapitra ny ady. Tsy mahagaga àry raha ny mpanana ihany no nahavidy solonify. Efa tany aorian’ny taona 1850 vao afaka nividy azy ireny ny sarambaben’olona. Tamin’izay mantsy no nisy nahavita nanamboatra fingotra hafakely hanamboarana solonify. Mbola tsy nahalala ny tena anton’ny areti-nify ny dokoteran’i Washington, na dia izy ireo aza no nanam-pahaizana indrindra tamin’izany.
Ny tena anton’ny areti-nify
Nihevitra ny olona hatramin’izay fa olitra no miteraka areti-nify. Naharitra hatrany aorian’ny taona 1700 izany fiheverana izany. Ny fahasimban’ny nify anefa no tena miteraka areti-nify.
Tamin’ny 1890 no nahita izany ilay Amerikanina atao hoe Willoughby Miller, mpitsabo nify tao amin’ny Oniversiten’i Berlin, any Alemaina. Hitany fa misy karazana bakteria mirongatra be rehefa mahazo siramamy, ka manjary mamoaka asidra manimba nify. Ahoana àry no hisorohana an’izany? Kisendrasendra ihany no nahitana ny vahaolana.Efa hatramin’ny taona maro ny mpitsabo nify tany Colorado, any Etazonia, no nandinika hoe nahoana no misy pentimpentina ny nifin’ny olona maro any. Hita ihany ny antony tatỳ aoriana: be fliôro loatra ny rano fisotro. Teo am-panaovana fikarohana momba izany ny mpitsabo no nahita fomba hanampiana ny olona eran-tany hisoroka ny areti-nify. Hita fa mora simba kokoa ny nifin’ny olona, rehefa tsy ampy fliôro ny rano fisotrony. Misy fliôro mantsy ny bakolinify, ary mazàna misy koa ny rano. Rehefa tsy ampy fliôro àry ny rano fisotro, ka nomena fliôro ampy tsara ny olona, dia nihena be ny isan’ireo nanana nify simba.
Hita ihany àry ny vahaolana. Ny nify simba no tena mankarary nify. Anisan’ny mahatonga izany ny siramamy. Ny fliôro kosa no ahafahana misoroka ilay izy. Voaporofo anefa fa na eo aza ny fliôro, dia ilaina foana ny miborosy nify tsara sy mampiasa kofehy fanadiovana nify.
Natao izay tsy handrenesana maharary
Nijalijaly ny olona fahiny, rehefa namboarina nify, satria mbola tsy nisy ny fanafody fanadontoana. Noloahan’ny mpitsabo tamin’ny fitaovana maranitra ny nify marary. Naka metaly mahamay izy avy eo, ary nalentiny tao anatin’ilay loaka izany mba hanentsenana azy. Vy mena mivaivay no natsofoka tao amin’ny atinify, mba hanapotehana izay faritra misy aretina. Mbola tsy nisy fomba fitsaboana hafa ankoatra an’io mantsy tamin’izany. Loza koa ny fanalana nify, satria mbola tsy nisy ny fitaovana manokana natao ho amin’izany sy ny fanafody fanadontoana. Nihafy fotsiny ny olona, satria mbola ratsy noho izany ny marary nify. Efa fampiasa nandritra ny taonjato maro ny ranon-javamaniry toy ny ôpiôma sy ny rongony indianina ary ny angivimbazaha. Nampihena ny fanaintainana fotsiny anefa izany, fa tsy nanala azy tanteraka. Ho vitan’ny mpitsabo ihany àry ve ny hanala nify nefa tsy hampanaintaina?
Nahita ny fisian’ny gazy atao hoe ôksidana azôty ilay mpahay simia anglisy antsoina hoe Joseph Priestley, tamin’ny 1772. Mahatoran’ny hehy io gazy io. Tsy ela taorian’izay, dia voamarika fa mahatonga ny olona tsy hahatsiaro fanaintainana koa ilay izy. Tsy nampiasaina ho amin’izany anefa izy io, raha tsy tamin’ny 1844. Ny 10 Desambra tamin’io taona io, dia nisy lahateny natrehin’ilay mpitsabo nify atao hoe Horace Wells, izay niasa tany Hartford, any Etazonia. Navela hifoka ôksidana azôty ny mpanatrika, mba hampihomehezana azy ireo. Voamarik’i Wells fa nikaoka ny vavaranjony tamin’ny sezalava matevim-be ny iray tamin’izy ireo, nefa tsy hita hoe nahatsiaro narary. Tena nangoraka ny marariny i Wells, satria fantany fa nanaintaina izy ireo rehefa notsaboiny. Avy hatrany izy dia nieritreritra ny hampiasa an’ilay ôksidana azôty ho fanafody fanadontoana. Nandramany tamin’ny tenany anefa aloha ilay izy. Ny ampitson’iny ihany, dia nipetraka tao am-piasany izy, ary nifoka ôksidana azôty mandra-pahatorany. Nanala an’ilay fara vazany efa naharary azy ny mpiara-miasa taminy avy eo. Fitrangan-javatra niavaka tokoa izany. Ela ny ela ka tsy nampanaintaina intsony ny fanalana nify! *
Nivoatra be ny teknika fitsaboana nify taorian’izay. Raha manatona mpitsabo nify àry ianao ankehitriny, dia ho hitanao fa tsara lavitra noho ny tamin’izany ny fomba hikarakarany anao.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 22 Be mpampiasa noho ny ôksidana azôty ny fanafody hafa fanadontoana ankehitriny.
[Sary, pejy 28]
Solonify ivoara an’i George Washington, prezidà amerikanina voalohany
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy of The National Museum of Dentistry, Baltimore, MD
[Sary, pejy 29]
Sary hoso-doko mampiseho ny nampiasana voalohany ny ôksidana azôty ho fanafody fanadontoana (1844)
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy of the National Library of Medicine
[Sary nahazoan-dalana, pejy 27]
Courtesy of the National Library of Medicine