Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Salama Kokoa ve Ianao Raha Be Fanantenana?

Ho Salama Kokoa ve Ianao Raha Be Fanantenana?

Ho Salama Kokoa ve Ianao Raha Be Fanantenana?

“Ny fo ravoravo mahasalama tsara.” Izany no nolazain’ny mpanjaka israelita hendry iray, 3 000 taona lasa izay. (Ohabolana 17:22) Eken’ny dokotera amin’izao andro izao, fa marina ireo teny avy amin’Andriamanitra ireo. Tsy voatery ho mora amin’ny ankamaroantsika anefa ny manana “fo ravoravo”, izany hoe falifaly foana.

Tsy misy afa-miala amin’ireo olana mpitranga isan’andro isika, ary mety hahasorena sy hahakivy izany. Hita tamin’ny fandinihana vao haingana anefa, fa mahasoa ny miezaka ho be fanantenana foana, na dia eo aza ny olana.

Toy izao no amaritan’ny diksionera iray ny hoe be fanantenana: “Matoky fa ho tanteraka ny faniriana; mino fa hety tsara ny zavatra atao.” Inona no ao an-tsain’ny olona be fanantenana, rehefa tsy mahomby ny zavatra ataony? Tsy mihevitra izy hoe tsy hety foana izay mbola hataony amin’ny hoavy. Tsy midika anefa izany hoe mody tsy mahita ilay zavatra tsy nety izy. Dinihiny tsara kosa ilay izy, ary manao zavatra izy mba hanovana na hanatsarana azy io, rehefa afaka manao izany.

Manao ahoana kosa ny olona tsy mba manana fanantenana? Matetika izy no manamelo-tena rehefa misy olana. Mihevitra izy fa tsy ho foana mihitsy izany. Mieritreritra koa izy fa noho ny tsy fahaizany na ny haratsian-tarehiny no mahatonga azy tsy hahomby. Milavo lefona àry izy.

Misy vokany eo amin’ny fahasalamantsika ve ny fananana fanantenana? Izany tokoa. Nandritra ny 30 taona, dia nandinika olona 800 mahery ny mpahay siansa ao amin’ny Hopitaly Mayo, any Minnesota, Etazonia. Hitan’izy ireo tamin’izany, fa salama kokoa sy ela velona kokoa ny olona be fanantenana. Voamariny koa fa mahay miatrika adin-tsaina kokoa sady tsy dia atahorana ho kivy maharitra ny olona toy izany.

Mihabetsaka anefa ny olana ankehitriny, ka tena sarotra ho an’ny olona maro ny manana fanantenana. Inona àry no azo atao? Misy soso-kevitra mety hanampy anao eo amin’ilay efajoro eto akaiky.

Marina fa tsy voatery ho voavaha daholo ny olana manjo anao, na dia falifaly lalandava aza ianao. Afaka manampy anao ho salama kokoa sy ho afa-po kokoa amin’ny fiainana anefa izany. Hoy ny Baiboly: “Ratsy avokoa ny andron’ny ory; fa toa fety mandrakariva ny andron’izay manana fo ravoravo.”—Ohabolana 15:15, Ny Baibolin’i Jerosalema (anglisy).

[Efajoro/​Sary, pejy 26]

Fomba Hananana Fanantenana *

◼ Esory ao an-tsaina avy hatrany ny eritreritra hoe tsy hahafinaritra anao na tsy hahomby ny zavatra iray hataonao. Ataovy ao an-tsaina kosa hoe hahafinaritra anao ilay izy ary hahomby.

◼ Miezaha hankafy ny asanao. Na inona na inona asa ataonao, dia tadiavo ireo lafiny mahafinaritra anao amin’ilay izy, ary mifantoha amin’izany.

◼ Miaraha amin’ny namana be fanantenana.

◼ Alamino izay olana azonao alamina. Avelao amin’izao kosa izay tsy azonao anoarana.

◼ Manorata isan-kariva zavatra telo nahafinaritra anao tao anatin’ny andro.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Nalaina tao amin’ny boky navoakan’ny Hopitaly Mayo ny sasany amin’ireo soso-kevitra ireo.