Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahavaky Fo Sady Manimba Finoana

Mahavaky Fo Sady Manimba Finoana

Mahavaky Fo Sady Manimba Finoana

“FENO faty tetsy sy teroa. Tsy fantatray intsony hoe taiza no nisy ny tranonay”, hoy ny lehilahy iray tany Sri Lanka, rehefa ravan’ny tsunami ny tanànany tamin’ny Desambra 2004. Hoy ny lehilahy iray mpampanonta gazety ara-pivavahana, tao amin’ny lahatsoratra momba ny loza voajanahary: “Mihidy vazana aho indraindray rehefa mivavaka.”

Maro no mihevitra fa sazy avy amin’Andriamanitra ireny loza ireny. Nisy mpanoratra gazety nilaza fa ‘tora-bato avy any an-danitra’ ny rivo-doza iray tena nanimba zavatra. Nilaza ny mpitondra fivavahana sasany any Etazonia, fa “tezitra Andriamanitra noho ny fahotan’ny olona.” Izany, hono, no mahatonga ny loza voajanahary, toy ny Rivo-doza Katrina. Nilaza ny Bodista mahery fihetsika any Sri Lanka, fa ny Kristianina no nahatonga ny tsunami. Vao mainka nampitombo ny fifandrafian’izy ireo izany. Nihevitra ny mpiandraikitra ao amin’ny tempolin’ny Hindoa fa tezitra i Shiva, andriamanitr’izy ireo, satria ratsy fitondran-tena ny olona. Hoy koa ny mpitondra fivavahana bodista any Etazonia: “Tsy fantatray ny antony mahatonga ireny loza ireny. Tsy fantatray akory aza ny antony namoronana antsika.”

‘Nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy?’ Efa nanontany tena toy izany ve ianao, rehefa nahita sarina trano rava, olona namoy ny ainy, ary olona kivy? Sa ianao nieritreritra hoe: ‘Tsy maintsy misy antony matoa Andriamanitra mamela an’ireny loza ireny hitranga, saingy tsy nambarany fotsiny.’ Hiresaka momba izany ny lahatsoratra manaraka. Resahina ao koa ny zavatra sasany azo atao rehefa mananontanona na mitranga ny loza, mba hampihenana ny voina mety hihatra.

[Sary, pejy 3]

Maro ny mpitondra fivavahana tsy mahafantatra ny antony amelan’Andriamanitra ny loza hitranga