Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety Amin’ny Kristianina ve ny Manao Fanabeazana Aizana?

Mety Amin’ny Kristianina ve ny Manao Fanabeazana Aizana?

Inona No Lazain’ny Baiboly?

Mety Amin’ny Kristianina ve ny Manao Fanabeazana Aizana?

AHOANA ny hevitrao? Mety ve raha manao fanabeazana aizana ny mpivady? Mety hiankina amin’ny fivavahanao ny valin-teninao. Milaza ny Eglizy Katolika fa “tena ratsy” izay fomba rehetra natao hisakanana ny fiterahana. Lazain’izy ireo mantsy fa tokony ho afaka ny ho bevohoka ny vehivavy, isaky ny manao firaisana izy mivady. “Tena tsy mety” amin’ny Kristianina àry ny fanabeazana aizana, hoy ny Eglizy Katolika.

Sarotra amin’ny maro ny manaiky an’izany. Hoy ny gazety iray any Pittsburgh: “Maherin’ny telo ampahefatry ny Katolika eran’i Etazonia, no mihevitra fa tsy tokony handrara ny fanaovana fanabeazana aizana ny eglizy. ... Mpivavaka an-tapitrisany isan’andro no mandika ilay fandrarana.” Anisan’izany i Linda, manan-janaka telo, izay niaiky fa nanao fanabeazana aizana. Hoy izy: “Tsy tena mino aho hoe fahotana izany.”

Inona àry no lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny fanabeazana aizana?

Sarobidy ny aina

Sarobidy amin’Andriamanitra ny ain’ny zaza, na dia vao mitsaika aza. Nasainy nanoratra toy izao i Davida mpanjakan’ny Israely: “Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao. Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho.” (Salamo 139:13, 16) Efa miaina ilay zaza raha vao miforona ao an-kibo. Voalazan’ny Lalàn’i Mosesy, fa azo sazina ny olona iray raha nandratra zaza ao am-bohoka. Hazavain’ny Eksodosy 21:22, 23 fa raha miady ny olona roa ka maratra mafy vokatr’izany ny vehivavy bevohoka iray, na ny zanany ao am-bohoka, dia hoentina hotsaraina izy ireo. Arakaraka ny toe-javatra ny saziny, sady miankina amin’ny hoe nanao fanahy iniana ve izy ireo sa tsia. Mety ho “aina solon’ny aina” anefa ilay sazy.

Ilaina ny mahafantatra an’ireo toro lalana ireo, satria misy fanabeazana aizana mahafa-jaza, na misakana ny tsaika tsy hipetraka ao amin’ny tranon-jaza. Tsy ankasitrahan’Andriamanitra izy ireny, satria tsy manaja ny aina. Maro anefa ny fomba fanabeazana aizana tsy mahafa-jaza. Afaka mampiasa azy ireny ve ny Kristianina?

Tsy voalaza ao amin’ny Baiboly hoe tsy maintsy miteraka ny Kristianina. Ny mpivady voalohany sy ry Noa mianakavy no nilazan’Andriamanitra hoe: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.” Tsy naverina tamin’ny Kristianina anefa io didy io. (Genesisy 1:28; 9:1) Anjaran’ny mpivady àry ny mifidy hoe hiteraka izy ireo sa tsia, hataony firy ny zanany, ary rahoviana izy no hiteraka. Tsy mandrara ny fanaovana fanabeazana aizana koa ny Soratra Masina. Raha ny Baiboly àry no jerena, dia ny mpivady no manapa-kevitra raha hanao fanabeazana aizana izy na tsia, fa tsy tokony hahafa-jaza fotsiny ilay izy. Koa nahoana ny Eglizy Katolika no mandrara ny fanabeazana aizana?

Hevitr’olombelona fa tsy fahendren’Andriamanitra

Hazavain’ny boky katolika iray fa nandray fampianarana avy amin’ny filozofia, ireo olona nitonona ho Kristianina, tamin’ny taonjato faharoa. Nanjary nino izy ireo tamin’izay, fa rehefa te hiteraka ihany ny mpivady, vao tokony hanao firaisana. Avy amin’ny filozofia àry ilay hevitra, fa tsy miorina amin’ny Baiboly. Tsy mifanaraka amin’ny fahendren’Andriamanitra ilay izy, fa hevitr’olombelona. Nitohy nandritra ny taonjato maro io fomba fihevitra io, ary betsaka ny teolojianina katolika nampianatra momba azy io. * Inona anefa no vokatr’ilay fampianarana? Noheverina ho manota ny mpivady, raha manao firaisana mba hahazoana fahafinaretana fotsiny. Nolazaina fa maloto fitondran-tena àry izy ireo, raha manao firaisana nefa tsy te hanan-janaka. Tsy izany anefa no ampianarin’ny Soratra Masina.

Misy tononkalo momba ny fahafinaretana hitan’ny mpivady rehefa manao firaisana, ao amin’ny Baiboly. Hoy ny bokin’ny Ohabolana: “Misotroa rano avy amin’ny lavaka famorian-dranonao ihany sy rano miboiboika avy amin’ny fantsakanao. Aoka hotahina ny loharanonao, ary mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao. Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, ary aoka ho feno faharavoravoana làlandava amin’ny fitiavany hianao.”—Ohabolana 5:15, 18, 19.

Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny firaisan’ny mpivady. Tsy natao hiterahana fotsiny anefa izany. Fomba ifanehoan’ny mpivady fitiavana koa izy io. Zon’izy ireo àry ny manao fanabeazana aizana, raha tsy te hanan-janaka izy. Tsy misy tokony hitsara azy ireo amin’izany.—Romanina 14:4, 10-13.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Tamin’ny taonjato faha-13 vao “namoaka lalàna voalohany nandrara ny fanaovana fanabeazana aizana ny papa”, araka ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy). Ny Papa Grégoire Faha-9 no namoaka ilay lalàna.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Manota ve ny mpivady raha manao firaisana?—Ohabolana 5:15, 18, 19.

◼ Inona no tokony hotadidin’ny Kristianina, rehefa manao fanabeazana aizana?—Eksodosy 21:22, 23.

◼ Raha misy mpivady manao fanabeazana aizana, tokony hanome tsiny azy ireo ve ny hafa?—Romanina 14:4, 10-13.

[Teny notsongaina, pejy 11]

Ny mpivady voalohany sy ry Noa mianakavy no nilazan’Andriamanitra hoe: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.” Tsy naverina tamin’ny Kristianina anefa io didy io