Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tena Nampivoatra ny Fitsaboana Izy Ireo”

“Tena Nampivoatra ny Fitsaboana Izy Ireo”

“Tena Nampivoatra ny Fitsaboana Izy Ireo”

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY MEKSIKA

Fantatra eran-tany fa misafidy fitsaboana tsy ampiasana ra ny Vavolombelon’i Jehovah. Manakiana an’io safidy miorina amin’ny Baiboly io ny olona sasany. Nilaza toy izao anefa ny Dr. Ángel Herrera, lehiben’ny mpandidy ao amin’ny Foibe Fikarohana Momba ny Kansera, tao amin’ilay gazety be mpividy hoe Reforma, ao Mexico: “Tsy adala ny Vavolombelona. Tsy olona mafana fo tafahoatra koa izy ireo. ... Tena nampivoatra ny fitsaboana [izy ireo], satria misarika ny sain’ny mpitsabo handinika ny ilana hisorohana ny fahaverezan-dra.”

Nanangana ekipana anestezista sy mpandidy hanao fandidiana tsy ampiasana ra ny Dr. Herrera, 15 taona lasa izay. Hoy ny Dr. Isidro Martínez, anestezista ao amin’io ekipa io: “Azo ampiasaina ny teknika rehetra fisorohana ny fahaverezan-dra, raha mety tsara ny fomba fanatoranana. Tena afaka manampy ny Vavolombelon’i Jehovah àry izahay, ka manaja ny zavatra inoany.”

Nilaza ny Reforma tamin’ny Oktobra 2006, fa misy karazany 30 mahery ny solon’ny fampidiran-dra. Anisan’izany ny fandoroana lalan-dra, ny fitaovana manokana anaronana ny taova ka mamoaka zavatra simika misakana ny fandehanan-dra, ary ny fampiasana ranoka mampitombo ny habetsahan-dra. *

Efa zatra manao fandidiana tsy ampiasana ra ny Dr. Moisés Calderón, lehiben’ny mpandidy fo ao amin’ny Hopitaly La Raza, ao Mexico. Hoy izy tao amin’ny Reforma: “Mampidi-doza ny fampidiran-dra. Mety hamindra virosy na bakteria na katsentsitra izy io. Mety tsy hahazaka azy io koa ny vatana, ka hiova ny fiasan’ny voa sy ny havokavoka.” Izany no nahatonga ny Dr. Calderón hilaza hoe: “Toy ny ataonay amin’ny Vavolombelon’i Jehovah no andidianay ny mararinay rehetra. Miezaka izahay mba ho kely araka izay azo atao ny ra very; tantazanay ny ra very, ary mampiasa fanafody manampy ny marary tsy ho very ra be izahay.”

Voalaza ao amin’ilay gazety ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29, anisan’ny andinin-teny iorenan’ilay safidin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Manome izao didy izao ny apostoly ao amin’io andininy io: “Sitraky ny fanahy masina sy izahay ny tsy hanampy enta-mavesatra anareo, afa-tsy ireto zavatra tsy maintsy hotandremana ireto: Ny mifady hatrany ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy, sy ny ra sy ny biby nokendaina ary ny fijangajangana.”

Izao no tatitra nataon’ny Biraon’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly, ao amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika: Misy 75 ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly ao amin’io tany io, ary misy mpiasa an-tsitrapo 950 mitsidika dokotera ka manome fanazavana momba ny solon’ny fampidiran-dra. Misy dokotera 2 000 eo ho eo any Meksika, vonona ny tsy hampiasa ra rehefa mitsabo Vavolombelon’i Jehovah. Tena ankasitrahan’ny Vavolombelona ny fanampian’ireo dokotera ireo, izay lasa ampy fitaovana kokoa mba hitsaboana marary tsy Vavolombelona.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana iray manokana ny Mifohaza!, satria ny tsirairay no manapa-kevitra ny amin’izany.

[Sary, pejy 30]

Dr. Ángel Herrera

[Sary, pejy 30]

Dr. Isidro Martínez

[Sary, pejy 30]

Dr. Moisés Calderón