Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tena Tsara Raha Mamaky Azy io ny Rehetra!”

“Tena Tsara Raha Mamaky Azy io ny Rehetra!”

“Tena Tsara Raha Mamaky Azy io ny Rehetra!”

Izany no tenin’ny vehivavy iray, momba ny boky Manatòna An’i Jehovah. Hoy koa izy: “Mazava amiko izao fa tena tia antsika i Jehovah. Hiezaka àry aho mba ho tia olona kokoa.” Hoy koa ny mpamaky iray: “Tsy hitako izay teny mahalaza ny fitiavako an’io boky io sy ny soa noraisiko taminy. ... Arakaraka ny namakiako azy no nahazoako fampaherezana.”

Misy fizarana efatra lehibe ao amin’ny boky Manatòna An’i Jehovah. Hazavaina ao ireo toetran’Andriamanitra lehibe indrindra, dia ny hery, fitiavana ny rariny, fahendrena, ary ny fitiavana. Hoy koa ny vehivavy iray: “Nanampy ahy hahita an’ireo toetra faran’izay tsara ananan’ilay Raintsika any an-danitra io boky io. Takatro izao fa afaka maneho ireo toetra ireo koa aho, raha avelako hiasa tsara eo amiko ny fanahy masina.”

Hoy i Joanna, tovovavy any Polonina, rehefa avy nianatra ny toko faha-26 hoe “Andriamanitra ‘Mamela Heloka’ ”: “Toy ny harena sarobidy amiko ny fanazavana ao amin’io boky io, sady tena ilaiko.”

Mino izahay fa tena hanampy sy hampahery anao koa io boky 320 pejy io. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.