Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Trano Fanaovana Batisa Fahatsiarovana Sisa

Trano Fanaovana Batisa Fahatsiarovana Sisa

Trano Fanaovana Batisa Fahatsiarovana Sisa

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY FRANTSA

‘NAROBOKA tao Anaty Rano Rehefa Natao Batisa tao Amin’ny Katedraly.’ * Izany no lohateny lehibe teo amin’ny gazety frantsay iray tamin’ny 2001. Tsy araka izany anefa ny sary tao amin’ilay lahatsoratra. Mijoro ao anaty dobo lehibe misy rano hatreo an-dohaliny ilay olona vao niova ho Katolika, ary misy eveka mandraraka rano eo ambony lohany. Lasa fanaon’ny Eglizy Katolika any amin’ny faritra maro eran-tany io karazana batisa io, taorian’ny Konsily Faharoan’i Vatikana (1962-1965). Atao batisa ao anaty rano ny olona vao niova ho Katolika, saingy tsy aroboka tanteraka. Tsy toy izany anefa no fomba nanaovana batisa ny ankamaroan’ny Katolika. Nofafazana rano kely fotsiny teo ambony lohany tamin’izy mbola zazakely. Toy inona marina àry ny fomba fanaovana batisa mitovy amin’ny nataon’i Jaona Mpanao Batisa sy ny apostolin’i Jesosy? Ahoana no tokony hanaovana batisa ny Kristianina? Hanampy antsika hamaly izany ny fandinihana ny tantaran’ireo trano fanaovana batisa.

Ny niandohan’ny batisa sy ny dikany

Naroboka tanteraka tao anaty rano ny Kristianina voalohany, rehefa natao batisa. Manaporofo izany ny fitantaran’ny Baiboly momba ilay manam-pahefana etiopianina nataon’i Filipo batisa. Rehefa nahita rano izy taorian’ny nampianaran’i Filipo azy momba an’i Kristy, dia nilaza hoe: “Inona no misakana ahy tsy haroboka?” (Asan’ny Apostoly 8:26-39, The Emphatic Diaglott) Avy amin’ny teny grika hoe ba·ptiʹzo ilay teny hoe “aroboka.” Avy amin’io teny grika io ilay hoe batisa, ary midika hoe “mandentika” na “manitrika anaty rano.” Alentika tanteraka ao anaty rano àry ilay olona. Ampitovin’ny Baiboly amin’ny olona iray alevina ny olona atao batisa. (Romanina 6:4; Kolosianina 2:12) Tsara homarihina koa fa antsoin’ny Frantsay sasany mpandika Baiboly (toa an’i Chouraqui sy Pernot) hoe Jaona Mpandroboka i Jaona Mpanao Batisa.

Teny amin’ny renirano, na ranomasina, na dobon’olona no nanaovana batisa, nandritra ireo taonjato vitsivitsy voalohany nisian’ny Fivavahana Kristianina. Nihamaro anefa tatỳ aoriana ny olona niova ho Kristianina ka nisy trano maro fanaovana batisa naorina tany amin’ny faritra nofehezin’ny Romanina, toy ny tany Dalmatia, Palestina, Gresy, ary Ejipta. Anisan’ny tranainy indrindra ilay nofongarina tany Syria, teo amoron’ny Renirano Eofrata. Tamin’ny taona 230 tany ho any izy io no vita.

Neken’ny Fanjakana Romanina ho ara-dalàna ny Fivavahana Kristianina tamin’ny taonjato fahefatra, ka olona an-tapitrisany no lasa Kristianina ary tsy maintsy natao batisa. Nisy trano fanaovana batisa naorina àry hatraiza hatraiza. Tany Roma fotsiny, dia 25 teo ho eo no naorina tamin’ny taonjato fahenina, anisan’izany ilay ao amin’ny bazilikan’i Saint-Jean-de-Latran. Toa nanana ny trano fanaovany batisa avokoa ny diosezy tsirairay, teto Frantsa sy tany Belzika. Nahatratra 150 teo ho eo izy ireny, araka ny boky iray. Mety ho nisy an-jatony koa tany ambanivohitra, ary naorina teny akaikin’ny fiangonana, na fasana, na monasitera.

Ny endriny sy ny fomba nampidirana rano tao aminy

Matetika no boribory na maro lafy ny trano fanaovana batisa, ary nitambatra tamin’ny fiangonana na nitokana. Hita tamin’ny fikarohana ambanin’ny tany, fa kely izy ireny (latsaka ny 200 metatra toradroa) saingy voaravaka andry mitafo, marbra, sary hoso-doko, na sary vita tamin’ny fitaratra na vato madinika. Tantara ao amin’ny Baiboly indraindray no eo amin’ireny sary ireny. Nisy tafo kely vita tamin’ny lamba sarobidy teo ambonin’ny dobo fanaovana batisa sasany, toy ilay any Mariana, any Corse. Efamira ilay dobo, na boribory, na misy lafiny enina na valo, na mahitsizoro, na miendrika lakroa. Hita avy amin’ny habeny sy ny halaliny fa natao hanaovana batisa olon-dehibe izy ireny. Malalaka tsara ny ankamaroany ka antonona olona roa, fara fahakeliny. Mirefy 3,25 metatra, ohatra, ny sakan’ilay dobo any Lyon, any afovoany atsinanan’i Frantsa. Misy tohatra midina mankao amin’ny dobo maro, ka fito matetika ny zana-tohatra eo aminy.

Sarotra ny nahita rano nampidirina tao amin’ny trano fanaovana batisa. Naorina teny akaikin’ny loharano àry ny maro taminy. Trano fandroana efa rava misy loharano mafana no novana ho fanaovana batisa indraindray, toy ilay any Nice, any amin’ny faritra atsimon’i Frantsa. Matetika no nampidirina sy navoaka tamin’ny alalan’ny fantsona ny rano tao amin’ireo dobo. Nitanty ranonorana tamin’ny barìka koa ny olona indraindray, ary ireny no notaomina nankao.

Mampiseho tsara ny endriky ny trano fanaovana batisa tamin’ny taonjato fahefatra ilay any Poitiers (Baptistère Saint-Jean), any amin’ny faritra andrefan’i Frantsa. Tamin’ny taona 350 tany ho any no nanorenana azy io. Mahitsizoro ilay efitra fanaovana batisa, ary misy efitra kely maromaro manodidina azy. Dobo lehibe manana lafiny valo no eo afovoany, ary misy zana-tohatra telo midina mankao. Mirefy 1,41 metatra ny halalin’ilay dobo, ary 2,15 metatra ny sakany mivelatra indrindra. Rano avy amina lakandrano mankao an-tanàna no nampidirina tao.

Naroboka tanteraka sa tsia?

Naroboka tanteraka tao anaty rano ve ny olona natao batisa tao amin’ireny dobo ireny? Milaza ny mpahay tantara katolika sasany fa tsy izany no zava-nisy fony vao niandoha ny Fivavahana Katolika. Toa nofafazana na nandrarahana rano fotsiny, hono, teo ambony lohan’ilay olona, ary ny tapany ambany amin’ny vatany ihany no tao anaty rano. Milaza koa izy ireo fa tsy nihoatra ny iray metatra ny halalin’ny dobo maro, ka tsy nahafahana nandroboka tanteraka olon-dehibe. Resahin’ny rakipahalalana katolika iray, fa ‘mbola tsy tratran’ny rano ny tongotry ny pretra’ tao Poitiers, “na dia efa nidina teo amin’ny zana-tohatra fahatelo aza izy.”

Hita tamin’ny sary talohan’ny taonjato faha-12 anefa fa naroboka tanteraka tao anaty rano foana ny olona natao batisa. Tonga hatreny amin’ny andilany na ny tratrany na ny tendany mihitsy aza ilay rano. (Jereo ny sary eto ambony.) Azo natao anefa ve ny nandroboka tanteraka ny olon-dehibe iray, na dia hatreo amin’ny andilany aza ny rano? Milaza ny boky iray fa mety ho notampenana ilay fantsona manary rano, mba hihandronan’ny rano. Mety ho nasaina nandohalika na nininginingina ilay olona hahafahana handroboka tanteraka azy. * Hoy i Pierre Jounel, mpampianatra litorjia katolika any Paris: “Nijoro tao anaty rano hatreo amin’ny andilany [ilay hatao batisa]. Nametra-tanana teo ambony lohany ny mompera na diakra iray, ary nanondrika azy tao anaty rano, mba handrobohana azy tanteraka.”

Nohakelezina hatrany ireo dobo

Tsy tsotra toy ny tamin’ny andron’ny apostoly intsony ny batisa rehefa nandeha ny fotoana, fa lasa nisy fombafomba be. Nilana akanjo manokana, ohatra, izy io, ary nisy fihetsika tsy maintsy natao. Eo koa ny vavaka fanalana devoly sy fanamasinana an’ilay rano, fanononana ny fanekem-pinoana, ary ny fanosorana menaka masina. Tsy naroboka tanteraka intsony ny olona, fa ny tapany ambany ihany no tao anaty rano. Niely hatraiza hatraiza io fanao io. Nohakelezina ireo dobo. Lasa antsasany na latsak’izany sisa ny habe sy halalin’ny dobo sasany. Tamin’ny taonjato fahenina, ohatra, dia lasa 48 santimetatra sisa ny halalin’ny dobo tany Cazères, any amin’ny faritra atsimon’i Frantsa, raha 1,13 metatra tamin’ny voalohany. Tatỳ aoriana, tamin’ny taonjato faha-12 tany ho any, dia tsy nankao anaty rano intsony ny Katolika natao batisa. Nofafazana rano fotsiny ny lohany. Nanazava ny anton’izany i Pierre Chaunu, anisan’ny akademia frantsay. Hoy izy: “Nanjary nihamaro ny zaza natao batisa tany amin’ny tany mangatsiaka. Tsy ho azo natsoboka tao anaty rano mangatsiaka mihitsy anefa ny zaza menavava.”

Mbola nihakely hatrany ny dobo fanaovana batisa tatỳ aoriana. Hoy i Frédéric Buhler, mpahay tantara, nandinika ny tantaran’ny batisa: “Rehefa jerena ny zavatra hita tany ambanin’ny tany sy ny boky ary ny sary hoso-doko na sary sokitra, dia hita fa niova be ny fomba fanaovana batisa. Naroboka tanteraka tao anaty rano ny olon-dehibe nandritra ireo taonjato voalohandohany nisian’ny Fivavahana Kristianina. Notohizina ihany ny fandrobohana tao anaty rano tatỳ aoriana, saingy tsy naroboka tanteraka intsony ny olon-dehibe, fa ny ankizy ihany. Ankehitriny anefa, dia fafazana rano kely fotsiny ny lohan’ny zaza.”

Toa mihabe mpanao indray tato ho ato ny batisan’olon-dehibe, ary ny tapany ambany ihany no miroboka ao anaty rano. Lasa lehibe kokoa ny dobo fanaovana batisa. Nohazavain’i Buhler fa manina ny taloha ny Eglizy Katolika, ka milaza fa tokony haroboka tanteraka ao anaty rano ny olona atao batisa. Mbola tsy miova kosa hatramin’izao ny fomba fanaovana batisa atoron’ny Baiboly. Resahina ao fa tsy maintsy aroboka tanteraka ao anaty rano ny Kristianina, rehefa atao batisa.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Batemy no iantsoan’ny Katolika ny batisa.

^ feh. 14 Natao batisa tao anaty dobo kely filomanosana na koveta be fandroana ny Vavolombelon’i Jehovah maro, ary naroboka tanteraka tao anaty rano.

[Sary, pejy 13]

Baptistère Saint-Jean, any Poitiers, Frantsa

[Sary, pejy 13]

Naorina indray ilay trano fanaovana batisa tamin’ny taonjato fahadimy, tany Mariana, any Corse

[Sary nahazoan-dalana]

© J.-B. Héron pour “Le Monde de la Bible”/Restitution: J. Guyon and J.-F. Reynaud, after G. Moracchini-Mazel

[Sary, pejy 14]

SARIN’NY BATISAN’I KRISTY

Hatreo amin’ny tratran’i Jesosy ny Reniranon’i Jordana. Misy anjely mitondra servieta hanamainana azy, taonjato fahasivy

[Sary nahazoan-dalana]

Cristal de roche carolingien - Le baptême du Christ © Musée des Antiquités, Rouen, France/Yohann Deslandes

Jesosy eo amin’ny Reniranon’i Jordana. Hatreo amin’ny tendany ny rano. Misy anjely roa mitazona lamba eo ankavia, efa vonona hanamaina azy, taonjato faha-12

[Sary nahazoan-dalana]

© Musée d’Unterlinden - F 68000 COLMAR/Photo O. Zimmermann