Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy ho Ela dia Tsy Hisy Loza Intsony

Tsy ho Ela dia Tsy Hisy Loza Intsony

Tsy ho Ela dia Tsy Hisy Loza Intsony

MIAINA amin’ny andro farany isika izao. Efa nolazain’i Jesosy mialoha fa anisan’ny hamantarana ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” ny horohoron-tany, ady, mosary ary aretina. (Matio 24:3, 7, 8; Lioka 21:7, 10, 11) Tsy avy amin’Andriamanitra mihitsy izy ireny. Tsy tompon’andraikitra amin’izany na i Jesosy na i Jehovah Andriamanitra Rainy.

Ireny fisehoan-javatra ireny no manondro fa efa hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, izay tarihin’i Jesosy Kristy. I Jehovah Andriamanitra no tompon’andraikitra amin’ny fananganana an’io fanjakana io sy amin’ny fandringanana an’ireo tsy manaiky ny zony hitondra. (Daniela 2:44; 7:13, 14) Hanjaka eto an-tany ny fiadanana aorian’izay, ary tsy hisy intsony ny loza. Ho tanteraka ity fampanantenan’Andriamanitra ity: “Ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po.”—Isaia 32:18.

Mihainoa an’Andriamanitra dia hiaina mandrakizay ianao

Mety tsy ho faty ny olona iray raha manaraka fampitandremana, araka ny efa hitantsika teo aloha. Mety ho voavonjy koa ny olona iray, raha manaraka ny fampitandreman’Andriamanitra, izay voarakitra ao amin’ny Baiboly. Mampanantena izy hoe: “Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.”—Ohabolana 1:33.

Miezaka mihaino an’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Mamaky tsy tapaka ny Teniny izy ireo ary mampihatra azy io. Manasa anao hanao toy izany koa izy ireo. Tsy hanahy ny amin’izay hitranga amin’ny hoavy sady tsy hatahotra ny loza hanjo ny ratsy fanahy, izay rehetra mankatò an’i Jehovah. Afaka manantena ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany kosa izy ireo, ka “hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.”—Salamo 37:10, 11.

[Efajoro, pejy 8]

FAMPIONONANA AN’IREO NIDONAM-PAHORIANA

Efa nisy havanao na namanao niharan-doza ve ka maty? Maty tanora i Lazarosy, naman’i Jesosy, efa ho 2 000 taona lasa izay. Nankany Betania, tanànan’i Lazarosy i Jesosy, raha vao nandre izany, ary nanangana azy tamin’ny maty.—Jaona 11:1-44.

Nanao an’iny fahagagana iny i Jesosy noho ny fitiavany an’i Lazarosy sy ny fianakaviany. Nataony koa anefa izy iny mba hanampiana ny olona hino kokoa ny fampanantenany, dia ny hoe hanangana an’izay “rehetra any am-pasana” izy rehefa hanjaka. (Jaona 5:28, 29) Hofoanan’i Jesosy avokoa ny voka-dratsin’ny fikomiana tany Edena, rehefa tonga ny Paradisa. *1 Jaona 3:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Misy torohevitra ara-baiboly hanampiana an’ireo mana-manjo sy fanazavana amin’ny an-tsipiriany momba ny fampanantenana fitsanganana amin’ny maty, ao amin’ilay bokikely hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/​Sary, pejy 9]

NANOVA NY FIAINAKO NY HOROHORON-TANY IRAY

Renim-pianakaviana mbola tanora aho tamin’ny 1971. Niriko ny ho lasa mpanao feo voalohany amin’ny tantara an-kira. Avy any Winnipeg, any Kanada aho ary nifindra tatỳ akaikin’i Hollywood, Etazonia, tamin’ny 1957, mba hanatanteraka an’ilay nofinofiko.

Vavolombelon’i Jehovah i Neny, ary nonina tany Kanada. Nitsidika ahy izy isaky ny tapatapaky ny taona, ary efa sivy taona no nanaovany izany. Niresaka momba ny Baiboly izy isaky ny nitsidika ahy, satria fantany fa mirakitra ny torohevitra tsara indrindra ho an’ny fianakaviana izy io, sady manampy ny olona ho sambatra. Tiako izy ka nihaino azy tamim-panajana aho. Isaky ny lasa anefa izy dia nariako ireo boky sy gazety ara-baiboly nomeny ahy, satria nino aho fa efa nety ny safidy nataoko.

Taitra tamin’ny torimasoko aho indray talata vao maraina be, tamin’ny Febroary 1971, satria nisy horohoron-tany nahatratra 6,6 tamin’ny maridrefy Richter. Nankarenin-tsofina ny tabataba, ary nihovotrovotra be ny tany. Natahotra aho ary nihazakazaka nijery ny zanako lahy kely. Maivamaivana erỳ aho nahita fa tsy naninona izy teo amin’ny fandriana keliny. Niparitaka eran’ny trano ny zavatra tao anaty arimoara ary feno vakim-pitaratra ny gorodona. Feno rano avy tao amin’ny dobo filomanosana koa ny tokotany. Tsy nahita tory intsony aho, na dia tsy naninona aza izahay mianakavy.

Efa niresaka tamiko i Neny, fa anisan’ny famantarana ny “andro farany” ny “horohoron-tany lehibe.” (2 Timoty 3:1; Lioka 21:7-11) Nitsidika ahy indray izy tamin’io taona io, nefa tsy nitondra boky sy gazety intsony. Efa sivy taona no nitoriany tamiko saingy tsy nisy vokany. Nihevitra àry izy fa tsy liana aho. Diso hevitra anefa izy! Vao tonga izy dia nametrahako fanontaniana be dia be. Nanjary tsy tena zava-dehibe tamiko intsony ny ho tonga mpihira malaza.

Nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana izahay sy Neny tamin’io herinandro io, ary mahalana aho vao tsy nivory nanomboka teo. Izy no nitady olona hampianatra Baiboly ahy. Natao batisa aho tamin’ny 1973. Manokana 70 ora eo ho eo isam-bolana aho izao mba hitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:14) Tsy nanimba ny finoako an’Andriamanitra ilay horohoron-tany, fa vao mainka aza nanatanjaka azy io.—Notantarain’i Colleen Esparza.