Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hahatonga ny Tokantranonao ho Toeram-piarovana?

Ahoana no Hahatonga ny Tokantranonao ho Toeram-piarovana?

Ahoana no Hahatonga ny Tokantranonao ho Toeram-piarovana?

MILAZA ny Baiboly fa “tsy ho tia ny mpianakaviny” ny olona amin’ny “andro farany.” Miaina amin’io vanim-potoana io isika ankehitriny, ary izany mihitsy no toetran’ny ankamaroan’ny olona. (2 Timoty 3:1, 3, 4) Tena manamarina izany ny fisian’ny ankizy maro vetavetain’ny havany akaiky. Ilay teny grika hoe aʹstor gos no nadika hoe “tsy ho tia ny mpianakaviny.” Ny tena tiana holazaina amin’izany dia hoe tsy hifankatia ny ray aman-dreny sy zanaka. Ny mpianakaviny ihany àry no mametaveta ny ankizy, matetika, ary ao an-tokantrano izany no mitranga.

Misy mpikaroka milaza fa ny ankamaroan’ireo mpametaveta ankizy dia ireo lehilahy mitaiza azy ihany, toy ny rainy, na raikeliny, na mpitaiza hafa. Mametaveta ankizy koa, matetika, ny lehilahy hafa anisan’ny fianakaviana. Ankizivavy ny ankamaroan’ireo voavetaveta, kanefa iharan’izany koa ny ankizilahy. Maro koa ny vehivavy mpametaveta ankizy, fa tsy vitsy araka ny mety hoeritreretinao. Zava-misy koa, nefa tsy dia resahin’ny olona, ny ankizy vetavetain’ny mpiray tam-po aminy. Mety ho ny zokiny na izay matanjaka kokoa amin’izy ireo no mametaveta ny ankizy marefo kokoa, na lahy izany na vavy. Tena maharikoriko izany!

Inona no tokony hataonao mba tsy hitrangan’izany ao an-tokantranonao? Misy toro lalana manampy ny fianakaviana tsy ho ratsy fitondran-tena, ao amin’ny Baiboly. Mila mianatra azy ireny ny mpianakavy tsirairay, ary mihevitra azy ireny ho zava-dehibe.

Toro lalana momba ny firaisana ara-nofo

Mila manaraka ny toro lalan’ny Baiboly momba ny fitondran-tena ny mpianakavy tsirairay. Ho voaro izy ireo raha manao izany. Tsy miolakolaka ny Baiboly rehefa miresaka momba ny firaisana. Resahiny amin’ny fomba tsotra sy mivantana ary mihaja izy io. Resahiny koa fa natao hahitan’ny mpivady fahafinaretana ny firaisana. (Ohabolana 5:15-20) Rarany kosa ny firaisan’ny olon-droa tsy mpivady, anisan’izany ny firaisana amin’olom-pady. Mandrara ny firaisana mamoafady ny Baiboly, ary miresaka karazany maro amin’izany ny Levitikosy toko faha-18. Mariho, ohatra, ilay voalaza ao amin’ny Levitikosy 18:6 hoe: “Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy hianareo: Izaho no Jehovah.”

Milaza i Jehovah fa anisan’ny “fahavetavetana” ny firaisana amin’olom-pady, ary mendrika ny ho faty izay manao izany. (Levitikosy 18:26, 29) Tena avo lenta ny fitsipika momba ny firaisana nomen’ny Mpamorona. Mandrara ny fametavetana ankizy eo anivon’ny fianakaviana koa ny fitondram-panjakana maro ankehitriny. Matetika ny lalàna no milaza, fa manolana zaza tsy ampy taona ny olona manao firaisana amin’ny ankizy. Nahoana ilay olona no lazaina hoe “manolana”, na dia tsy nanery an’ilay zaza aza?

Nanjary takatry ny mpitondra fanjakana fa marina ny tenin’ny Baiboly hoe tsy afaka misaina toy ny olon-dehibe ny ankizy. Milaza, ohatra, ny Ohabolana 22:15 hoe: “Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana.” Izao koa no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Fony aho zaza, dia ... nieritreritra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza. Fa amin’izao izaho efa olon-dehibe izao, dia nesoriko ny toetran-jaza.”—1 Korintianina 13:11.

Tsy takatry ny ankizy ny tena dikan’ny hoe manao firaisana. Tsy azony an-tsaina koa izay ho vokatry ny fanaovana firaisana, any aoriana any. Tsy mahalala izay ataony àry ny ankizy, rehefa manaiky hanao firaisana. Noho izany, dia tsy afa-tsiny ny olon-dehibe (na tanora) manao firaisana amin’ny ankizy, na dia milaza aza izy fa nanaiky hanao firaisana taminy ilay ankizy, na koa hoe ilay ankizy no naniry hanao izany. Meloka ho nanolana zaza tsy ampy taona ilay olon-dehibe. Heloka bevava izany, ary tokony higadra izay manao izany. Tsy ilay zaza no meloka fa ilay olon-dehibe.

Mampalahelo anefa fa tsy melohin’ny fanjakana ny ankamaroan’ireny mpanao heloka bevava ireny. Ny iray amin’ny olona folo, nametaveta ankizy, fotsiny no niakatra fitsarana tany Aostralia, ary vitsy tamin’ireo niakatra fitsarana ireo no nigadra. Mitovitovy amin’izany koa ny zava-misy any an-tany hafa. Tena ho voaro ny fianakaviana kristianina raha manaraka ny toro lalan’ny Baiboly, na dia tsy tena afaka miaro azy ireo aza ny fitondram-panjakana.

Fantatry ny tena Kristianina fa tsy miova Andriamanitra, ilay nampanoratra ireny toro lalana ireny ao amin’ny Teniny. Hitany avokoa ny zavatra ataontsika, na dia izay tsy hitan’ny ankamaroan’ny olona aza. Hoy ny Baiboly: “Ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imason’ilay manao ampamoaka antsika.”—Hebreo 4:13.

Melohin’Andriamanitra isika, raha mandika ny didiny sy manisy ratsy olona. Mitahy antsika kosa izy, raha arahintsika foana ireo fitsipika nataony mba hahasoa ny fianakaviana. Inona ny sasany amin’izany?

Mampiray ny mpianakavy ny fitiavana

Milaza ny Baiboly fa “fatorana mampiray tonga lafatra” ny “fitiavana.” (Kolosianina 3:14) Resahin’izy io koa fa tsy fihetseham-po fotsiny ny fitiavana. Mahatonga ny olona hanana fitondran-tena tsara io toetra io, ary misakana azy tsy hanao ratsy. (1 Korintianina 13:4-8) Ny fitiavana no mahatonga ny mpianakavy hifanaja sy hifaneho hatsaram-panahy. Nomen’Andriamanitra andraikitra sarobidy ny mpianakavy tsirairay, ary manaja izany ny fianakaviana mifankatia.

Ny raim-pianakaviana no tokony haneho fitiavana voalohany, satria izy no loham-pianakaviana. Tsy tokony hasiaka na hanjakazaka amin’ny vady aman-janany, ny lehilahy kristianina manambady. Manahaka ny modely nomen’i Kristy kosa izy. (Efesianina 5:23, 25) Tiany sy karakarainy ny vadiny, ary tsara fanahy sy mahari-po amin’ny zanany izy. Miaro ny vady aman-janany foana izy ary manao izay rehetra azony atao, mba hahatonga azy ireo tsy hanana ahiahy sy hatoky azy ary hilamin-tsaina sy hadio fitondran-tena hatrany.

Manana andraikitra sarobidy sy mendri-kaja koa ny vehivavy manambady. Tia miaro ny zanany ny biby, ka ampitahain’ny Baiboly amin’ny fiarovan’ny reniakoho ny zanany ny fiarovan’i Jehovah sy Jesosy antsika. (Matio 23:37) Tokony ho tapa-kevitra hiaro ny zanany koa ny renim-pianakaviana. Be fitiavana izy, ka manao ny ainy tsy ho zavatra mba hiarovana ny zanany. Tsy manjakazaka na masiaka amin’ny vady aman-janany ny lehilahy sy ny vehivavy manambady, ary asainy manahaka azy ny zanany.

Afaka mifampiresaka tsara ny mpianakavy, rehefa mifanaja. Hoy ilay mpanoratra atao hoe William Prendergast: “Tokony hifampiresaka tsara amin’ny zanany ny ray aman-dreny rehetra, isan’andro. Tokony hanao izany tsy tapaka izy ireo, na mbola kely ny zanany na efa zatovo. Izany angamba no fiarovana tsara indrindra amin’ny fametavetana ankizy.” Mandidy ny ray aman-dreny ny Baiboly mba hiresaka tsara amin’ny zanany sy hanao izany tsy tapaka. (Deoteronomia 6:6, 7) Tsy hisalasala hifamboraka ny ao am-pony ny mpianakavy, raha arahina tsara ireo toromarika ireo.

Miaina amin’ny tontolo ratsy isika, ka tsy afaka misoroka ny karazana fametavetana rehetra. Tena handray soa anefa ianao, raha ataonao toeram-piarovana ny tokantranonao. Raha misy loza manjo ny mpianakavy iray, any ivelan’ny tokantrano, dia fantany tsara ny toerana haleha mba hahazoana fampiononana. Toeram-pialofana tokoa ny tokantrano toy izany, satria miaro amin’ireo loza fahita eto amin’ity tontolo mikorontana ity. Hitahy ny ezaka ataonao anie Andriamanitra, mba hahatonga ny tokantranonao ho toeram-piarovana!

[Efajoro/​Sary, pejy 10]

FOMBA HIAROVANA NY ANKOHONANA

Internet: Raha mampiasa Internet ny zanakao, dia omeo torohevitra izy mba ho voaro. Maro ny toerana misy sary vetaveta ao amin’ny Internet. Misy toerana azo ifampiresahana koa ao, ary ireny no ampiasain’ny mpametaveta mba hamitahana ankizy. Tokony hatao amin’ny toerana talaky maso ny ordinatera, mba hahafahan’ny ray aman-dreny hanara-maso ny zanany rehefa mampiasa azy io. Tsy tokony hanome ny mombamomba azy na hanao fotoana amin’ny olona ao amin’ny Internet, ny ankizy, raha tsy manara-maso eo ny ray aman-dreniny.—Salamo 26:4.

Zava-pisotro misy alkaola: Olona avy nisotro toaka no mametaveta ankizy, matetika. Voamarika fa tsy mahafehy tena ny olona rehefa misotro tafahoatra, ka manjary manao ny tsy fanao. Tokony hanaraka ny torohevitry ny Baiboly àry isika, mba hisorohana an’izany. Lazain’izy io fa tsy tokony himamo sy hisotro tafahoatra isika.—Ohabolana 20:1; 23:20, 31-33; 1 Petera 4:3.

Mila manana ny fiainany manokana ny tsirairay: Hoy ny vehivavy iray: “Rehefa maty i Neny, dia ny efitranon’i Dada ihany no nisy ridao sy varavarana, tao an-trano. Tiany ho hita daholo izay rehetra nataonay, na dia ny tany amin’ny dosy aza.” Nametaveta ny zanany vavy rehetra io rangahy io. Tokony ho fantatry ny mpianakavy rehetra, fa mila manana ny fiainany manokana ny tsirairay. Tsy te hohelingelenin’ny zanany ny ray aman-dreny indraindray. Tokony havelany hanao zavatra ho azy manokana koa àry ny zanany rehefa mihalehibe. Raha hendry ny ray aman-dreny, dia izay tiany hatao amin’ny tenany no ataony amin’ny hafa.—Matio 7:12.