Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hataoko Rehefa Mifamaly i Dada sy Neny?

Ahoana no Hataoko Rehefa Mifamaly i Dada sy Neny?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Hataoko Rehefa Mifamaly i Dada sy Neny?

TSY maintsy misy vokany eo aminao ny fifamalian’ny ray aman-dreninao. Tianao mantsy izy ireo ary miantehitra aminy ianao mba hikarakara anao. Mety hisy zavatra maromaro hampanahy anao àry rehefa tsy mifanaraka izy ireo. Nahoana izy ireo no toa tsy mitovy hevitra indraindray?

Fomba fihevitra samy hafa

Nilaza i Jesosy fa ho “nofo iray ihany” ny lehilahy sy ny vehivavy rehefa mivady. (Matio 19:5) Midika ve anefa izany fa tsy maintsy hitovy hevitra foana ny dadanao sy ny mamanao? Tsy izany mihitsy. Tsy misy olon-droa mitovy hevitra foana, eny fa na dia ny mpivady izay tena miray saina aza.

Raha tsy mitovy hevitra ny ray aman-dreninao, dia tsy midika akory izany fa hisaraka izy ireo. Azo inoana fa mbola mifankatia izy ireo, na dia mifanorisory aza indraindray. Koa nahoana àry izy ireo no mifamaly? Samy manana ny fomba fiheviny momba ny zavatra sasany angamba izy ireo. Tsy voatery ho ratsy foana izany, ary tsy midika fa ho rava ny fanambadiany.

Eritrereto izao: Asa ianao raha efa niara-nijery filma tamin’ny namanao akaiky, ka nahita fa tsy nitovy hevitra momba ilay izy ianareo? Tena mety hitranga izany. Na ny olona mifandray akaiky aza dia samy manana ny fomba fiheviny.

Mety ho toy izany koa ny ray aman-dreninao. Mety ho samy manahy ny amin’ny fandehan’ny vola ao an-trano izy ireo, nefa samy hafa ny heviny momba ny fomba hampiasana azy io. Mikasa ny hitondra anareo hanao vakansy koa angamba izy, nefa samy manana ny heviny momba ny atao hoe fialan-tsasatra. Samy maniry mafy ny hahatafita anao amin’ny fianarana izy ireo, nefa tsy mitovy ny fomba hitany fa tena mety, mba hampirisihana anao hianatra. Tsy hoe tsy maintsy mitovy hevitra akory ny olona vao hiray saina. Na ny olon-droa tafaray toy ny “nofo iray ihany” aza, dia mety tsy hitovy fomba fihevitra.

Nahoana anefa izany no avelan’ny ray aman-dreninao hampiady azy indraindray? Nahoana no lasa mampifamaly ny fomba fihevitra, izay tsy noeritreretina hampiady akory?

Vokatry ny tsy fahalavorariana

Matetika ny tsy fahalavorariana no mahatonga ny mpivady tsy hifanaraka. Hoy ny Baiboly: “Manao fahadisoana imbetsaka ... isika rehetra. Raha misy tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy, dia izy no olona lavorary.” (Jakoba 3:2) Tsy lavorary ny ray aman-dreninao ary toy izany koa ianao. Milaza teny tsy voahevitra isika rehetra indraindray, ary mety handratra toy “ny fanindron’ny sabatra” izany.—Ohabolana 12:18.

Efa nanao toy izany koa angamba ianao. Efa nifamaly be tamin’ny olona iray fantatrao sy tena tianao ve ianao? Azo inoana fa efa nitranga izany. Niaiky toy izao i Mialy: * “Mety hisy foana ny tsy fifanarahana. Ny olona tiako indrindra no mety hampahatezitra ahy indrindra, angamba noho izaho manantena zavatra be loatra aminy!” Manantena zavatra betsaka amin’ny vadiny koa ny Kristianina, noho izy ireo manaraka fitsipika tena tsara ao amin’ny Baiboly. (Efesianina 5:24, 25) Tsy lavorary izy ireo, ka ampoizina hanao fahadisoana ny iray aminy, na izy roa mihitsy aza. Hoy ny Baiboly: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.”—Romanina 3:23; 5:12.

Tsy mahagaga àry raha misy disadisa eo amin’ny ray aman-dreninao indraindray. Nilaza tokoa ny apostoly Paoly fa “hanam-pahoriana amin’ny nofony” ny mpivady. ‘Fijaliana amin’ny fiainana andavanandro’ no andikana an’io teny io, ao amin’ny Baiboly Dikan-teny Iombonana eto Madagasikara. (1 Korintianina 7:28) Maro ny olana mety hitranga ka hampitombo ny sorisory ao an-trano. Anisan’izany, ohatra, ny mpampiasa sarotiny, ny fifamoivoizana mikatso, ary ny trosa tsy maintsy haloa.

Fantatrao àry izao fa tsy lavorary ny ray aman-dreninao, ary mety hisy zavatra hampiady saina azy ireo indraindray. Hanampy anao izany mba tsy hanahy be loatra rehefa mifamaly izy ireo. Izany no tsapan’i Mialy. Hoy izy: “Toa miady matetika kokoa noho ny taloha ny ray aman-dreniko. Lasa saina aho indraindray hoe sao dia mifankaleo àry ry zareo. Mieritreritra indray anefa aho avy eo hoe: ‘Efa 25 taona kosa aloha izay no niarahany e! Sady amin’izay zaza dimy be izao no tezainy! Tsy mora mihitsy izany.’ ” Afaka ny hiombom-pihetseham-po amin’ny ray aman-dreninao koa ianao, rehefa fantatrao fa maro ny andraikitra sahaniny.—1 Petera 3:8.

Inona no azonao atao?

Mety hekenao fa tsy lavorary ny ray aman-dreninao, ary fantatrao fa misy zavatra mampiady saina azy isan’andro. Inona anefa no azonao atao rehefa mifamaly izy ireo? Andramo ireto soso-kevitra manaraka ireto:

Aza mitsabaka amin’ilay izy. (Ohabolana 26:17) Tsy anjaranao ny manome torohevitra ny ray aman-dreninao na mandamina ny adin’izy ireo. Azo inoana fa hifanohitra amin’izay noeritreretinao no hitranga, raha midikiditra amin’izany ianao. Hoy i Sandy, 18 taona: “Nanandrana nitsara ny adin’ny ray aman-dreniko aho taloha. Izaho indray anefa matetika no noteneniny hoe: ‘Tsy ilaina miditra amin’izany!’ ” Aleo ny ray aman-dreninao no handamina ilay olana.

Aza manahy be loatra. (Kolosianina 3:13) Efa hitantsika teo aloha fa na mifamaly aza ny ray aman-dreninao indraindray, dia tsy voatery midika akory izany fa hisaraka izy. Aza atao mahataitra anao loatra ny adiadin’izy ireo. Hoy i Mikanto, 20 taona: “Na miady aza i Dada sy Neny, dia fantatro fa mbola mifankatia ihany ary tia anay. Ho voalamin’izy ireo ihany izany.” Mety ho izany koa no hataon’ny ray aman-dreninao, rehefa tsy mifanaraka izy ireo.

Mivavaha. Aza kobonina ho anao irery ny fanahianao. Hoy ny Baiboly: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao.” (Salamo 55:22) Afaka manampy tokoa ny vavaka. Nanoratra ho an’ny Filipianina ny apostoly Paoly hoe: “Ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo ... Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.”—Filipianina 4:6, 7.

Manaova zavatra mahasoa anao. Tsy fahendrena ny manahy ny amin’ny zavatra tsy hainao fehezina. Mety hanimba ny fahasalamanao mihitsy aza izany. Hoy ny Baiboly: “Ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy.” (Ohabolana 12:25) Miaraha amin’ny namana mampahery ary manaova zavatra mahasoa, mba hampihena ny fanahianao.

Iresaho izy. Marina fa tsy tokony hiditra amin’ny adin’ny ray aman-dreninao ianao, nefa azonao atao tsara ny mampahafantatra aminy ny vokatr’izany eo aminao. Mifidiana fotoana mety tsara mba hiresahana amin’ny iray aminy. (Ohabolana 25:11) Miresaha “amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina.” (1 Petera 3:15) Aza omena tsiny izy. Hazavao aminy fotsiny ny vokatr’ilay izy eo aminao.

Nahoana raha andramana ireo soso-kevitra ireo? Mety hisy vokany tsara eo amin’ny ray aman-dreninao ny ezaka ataonao. Na tsy izany aza anefa no hitranga, dia ho afa-po ihany ianao. Na tsy voafehinao aza mantsy ny fihetsik’izy ireo, dia ho hainao ny hifehy ny fihetseham-ponao rehefa mifamaly izy.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Novana ny anarana rehetra ato.

ERITRERETO IZAO:

◼ Nahoana no sarotra amin’ny ray aman-dreny ny mifanaraka indraindray?

◼ Inona no holazainao amin’ny zandrinao, raha kivy izy rehefa miady ny ray aman-dreninareo?

[Efajoro, pejy 20]

HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

Tsy maintsy misy ny tsy fifanarahana eo amin’ny mpivady. Ianao anefa no misafidy ny fomba hiatrehana izany. Misy fiantraikany lalina eo amin’ny tanora ny fifamalian’ny ray aman-dreniny. Tsy tokony hohamaivaninao àry izany. Azo inoana mantsy fa izay ataonareo mivady ihany no hataony, raha manambady izy any aoriana any. (Ohabolana 22:6) Rehefa mifamaly àry ianareo mivady, nahoana raha hararaotina izany mba hampisehoana amin’ny zanakareo ny fomba tsara handaminana tsy fifanarahana? Andramo ireto soso-kevitra ireto:

Mihainoa. Mampirisika antsika ny Baiboly mba “ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.” (Jakoba 1:19) Aza “mamaly ratsy ny ratsy”, fa vao mainka hanampy trotraka an’ilay zava-manahirana izany. (Romanina 12:17) Afaka mihaino ianao, na dia toa tsy te hanao izany aza ny vadinao.

Miezaha hanazava fa aza manakiana. Lazao amin’ny vadinao ny vokatry ny nataony teo aminao. (“Nalahelo aho rehefa...”) Aoka ianao ho tony rehefa manao izany. Aza tia manome tsiny sy manakiana. (“Tsy raharahainao mihitsy aho.” “Tsy mihaino mihitsy ianao.”)

Miatoa kely. Ny manapaka an’ilay resaka indraindray no mety indrindra, ary rehefa afaka ny hatezerana vao manohy an’ilay izy. Hoy ny Baiboly: “Ny fiandohan’ny ady dia toy ny manata-drano, koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.”—Ohabolana 17:14.

Mialà tsiny amin’ny vadinao, ary amin’ny zanakao koa raha ilaina izany. Hoy i Baovola, 14 taona: “Rehefa avy mifamaly dadanay sy mamanay indraindray, dia miala tsiny amiko sy ny zokiko lahy satria fantany fa mampalahelo anay izany.” Anisan’ny zavatra lehibe indrindra azonao ampianarina ny zanakao ny milaza amim-panetren-tena hoe: “Miala tsiny aho.”

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny Mifohaza! 8 Janoary 2001, pejy 8-14, sy ny Mifohaza! 8 Jolay 1994, pejy 3-12.

[Sary, pejy 19]

Aza manome tsiny fa hazavao fotsiny izay tsapanao