Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Fitaovana Handripahana” ny Olombelona

“Fitaovana Handripahana” ny Olombelona

“Fitaovana Handripahana” ny Olombelona

“Ratsy saina ny olona, satria tsy mitsahatra mitady fomba hampiasana ny talentany mba hanandevozana, hamonoana, na hanambakana ny mpiara-belona aminy.”—Horace Walpole, mpanoratra anglisy tamin’ny taonjato faha-18.

MITONDRA soa maro ho an’ny olona ny fiaramanidina. Mbola tsy nisy akory anefa izy io, dia efa nieritreritra ny hampiasa fitaovana afaka manidina ny olona, mba hanafihana ny mpiara-belona aminy. Tena marina àry ny tenin’i Horace Walpole!

Tamin’ny 1670, zato taona mahery talohan’ny nisian’ny balaonina afaka manidina sy misy mpanamory, dia hoy ilay Zezoita italianina atao hoe Francesco Lana: “Tsy havelan’Andriamanitra hisy mihitsy ny fitaovana [afaka manidina] toy izany, mba tsy hitrangan’ny loza maro mety hanakorontana ny vahoaka sy ny fanjakana. Iaraha-mahalala mantsy fa tsy hisy tanàna ho voaro mihitsy raha manafika tampoka ilay izy. Mety ho tonga tampoka eo ambonintsika ilay izy, raha mbola eny an-tsena isika, ary hisy miaramila hitsambikina avy ao anatiny. Mety ho eo an-tokotanintsika mihitsy aza izy ireo no hitsambikina, na eo ambonin’ny sambo eny an-dranomasina. ... Na tsy midina ambany aza ilay fitaovana, dia mety ho afaka handatsaka vy be mampivadika sambo, ka hahafaty ny mpandeha ao anatiny. Mety handatsahany afo na balan-tafondro na baomba koa ilay sambo.” Toa efa tsinjon’i Francesco sahady izay hitranga atỳ aoriana.

Vitan’ny olona tokoa ny nanamboatra balaonina afaka manidina amin’ny alalan’ny rivotra mafana na hidrozenina, tamin’ny faran’ny taonjato faha-18. Natahotra i Walpole sao ho lasa “fitaovana handripahana ny olombelona” izy io tsy ho ela. Izany tokoa no nitranga. Nampiasa balaonina manidina amin’ny alalan’ny hidrozenina ny jeneraly frantsay, tamin’ny faran’ny taona 1794, mba hitsikilovana ny fahavalo sy hanaraha-maso ny sarin’adin’ny miaramila. Nampiasaina koa ny balaonina, tamin’ny Ady An-trano Amerikanina, sy ny adin’ny Frantsay sy ny Prosianina (1870-1871). Imbetsaka nampiasa balaonina koa ny tafika amerikanina, britanika, frantsay, ary alemà tamin’ireo ady lehibe roa, rehefa nitsikilo ny fahavalony.

Lasa fitaovana namonoana olona ny balaonina, tamin’ny Ady Lehibe II. Nandefa balaonina 9 000 feno baomba nankany Etazonia ny Japoney. Tsy nisy mpanamory izy ireo. Maherin’ny 280 no tody tany Amerika Avaratra.

Fiaramanidina mpiady

Vao noforonina koa ny fiaramanidina, dia efa noeritreretina hatao fitaovam-piadiana. Hoy i Alexander Bell, tamin’ny 1907: “Vitsy kely no mahalala fa tsy ho ela intsony i Amerika dia hitondra fiovana lehibe eo amin’ny sehatry ny ady maneran-tany. Eo am-panamboarana fiaramanidina mpiady mantsy ny Amerikanina.” Tamin’io taona io ihany, dia hoy koa ny Kapiteny Thomas Lovelace, mpanamory balaonina, tao amin’ny Gazetin’i New York (anglisy): “Ato anatin’ny roa na dimy taona, dia hanana fiaramanidina mpiady sy fiaramanidina mpanapotika azy ireny ny firenen-dehibe rehetra. Efa manana sambo mpandefa baomba sy sambo mpanapotika izany mantsy izy ireo izao.”

Telo volana monja tatỳ aoriana, dia nokaramain’ny tafika amerikanina i Orville Wright sy ny rahalahiny, mba hanamboatra fiaramanidina mpiady ho azy ireo. Io no fiaramanidina mpiady voalohany. Tamin’ny 13 Septambra 1908, dia nohazavain’ny Gazetin’i New York ny antony nahatonga ny tafika te hanana izany: “Azo atao ny mandatsaka baomba avy eny ambony fiaramanidina mankao amin’ny fivoahan-tsetroky ny sambo mandeha amin’ny etona. Hanimba be ny maoterany izany. Hipoaka ilay fitaovana ahazoana etona amin’ny farany, ka ho potika tanteraka.”

Marina ny tenin’i Bell, satria ‘nitondra fiovana lehibe teo amin’ny sehatry ny ady maneran-tany’ ny fiaramanidina. Tamin’ny 1915, dia nahavita basimarovava mipetaka ao ambadiky ny helisin’ny fiaramanidina ny mpanao fiaramanidina. Tsy voa mihitsy ilay helisy rehefa mitifitra ilay basy. Tsy ela dia tsy nandeha irery intsony ny fiaramanidina mpiady, fa nisy fiaramanidina mpanjera baomba nampiarahina taminy. Nahavita fiaramanidina mpanjera baomba lehibe kokoa sy natanjaka kokoa ny olona tamin’ny Ady Lehibe II. Tamin’ny 6 Aogositra 1945, dia nanjera ny baomba ataomika voalohany ny fiaramanidina B-29, izay mahavita mandeha lavitra be. Rava tanteraka ny tanànan’i Hiroshima any Japon, ary olona 100 000 no maty.

Nilaza mangingina i Orville Wright, roa taona talohan’io, tamin’ny 1943, fa nanenina izy namorona ny fiaramanidina, satria lasa fitaovam-piadiana mahatsiravina izy io, nandritra ireo ady lehibe roa. Miha arifomba hatrany izao ny baomba. Vao mainka àry ahafahana mamono olona maro kokoa ny fiaramanidina mpiady, rehefa misy ‘firenena mitsangana hamely firenena.’—Matio 24:7.

[Sary, pejy 22, 23]

1. Balaonina mitondra baomba

2. Balaonina nanakanana fanafihana

[Sary nahazoan-dalana]

Library of Congress, Prints & Photographs Division, FSA/OWI Collection, LC-USE6-D-004722

3. Fiaramanidina B-29

[Sary nahazoan-dalana]

USAF photo

4. F/A-18C. Mahavita manjera baomba sy mifanandrina amin’ny fiaramanidina hafa

5. F-117A. Tsy hitan’ny fitaovana fitilian’ny fahavalo

[Sary nahazoan-dalana]

U.S. Department of Defense