Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Lany Tamingana ve ny Indianina any Brezila?

Ho Lany Tamingana ve ny Indianina any Brezila?

Ho Lany Tamingana ve ny Indianina any Brezila?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY BREZILA

ANY Mato Grosso, Brezila, no misy ny Valam-pirenen’i Xingu. Mirefy 27 000 kilaometatra toradroa izy io, izany hoe tokotokony ho antsasaky ny velaran-tanin’Antananarivo. Indianina Mena Hoditra 3 600 eo ho eo, avy amin’ny foko 14, no mipetraka ao. Maitso mavana ilay toerana. Toy ny eo afovoan’ny “tanin-ketsa mahitsizoro lehibe” izy io, rehefa tazanina avy eny ambony. Tsy misy ala intsony manodidina azy, satria nodoran’ny olona mba hanaovana lalana hakana hazo hamidy, na nokapaina mba hampaniriana vilona ho an’ny omby.

Natokan’ny fanjakana brezilianina mba honenan’ny Mena Hoditra, ny ampahafolony mahery kely amin’ny velaran-taniny, tamin’ny 1960. Any Amazonia ny ankamaroan’ireny faritany ireny. Nisy vokany tsy nampoizina ny nanokanana ny Mena Hoditra, satria lasa nitombo isa izy ireo eto Brezila, ka efa mahatratra 300 000 eo ho eo! Nihena foana mantsy izy ireo nandritra ny 500 taona talohan’izay. Be dia be anefa ny Mena Hoditra tamin’ny 1500, satria mety ho nahatratra enina tapitrisa, na roa tapitrisa, fara fahakeliny.

Hoy ny mpikaroka iray, momba izay nitranga nandritra ny 500 taona lasa: “Zava-doza nampihoron-koditra ilay izy, satria tena nihavitsy ireo mponina ireo.” Nahoana ny Mena Hoditra no nihena be toy izany? Tsy atahorana ho lany tamingana intsony ve izy ireo izao, satria efa manomboka mitombo?

Fanjanahan-tany

Nozanahin’i Portogaly i Brezila, tamin’ny 1500. Naka hazo mafy atao hoe brezila teto izy ireo, nandritra ny 30 taona. Fanamboarana loko menamena izy io. Avy tamin’io hazo io ilay anarana hoe Brezila. Lafo be izy io tany Eoropa, nefa zavatra tsy dia nisy vidiny no nomen’ny fotsy hoditra ny tompon-tany mba ho takalony.

Hitan’izy ireo anefa taorian’izay, fa tena mety amin’ny toetany eto Brezila ny fambolena fary. Ny mpiasa no olana, satria mafy ny fambolena azy io ka mila olona betsaka. Nitady andevo hampiasaina àry ny mpanjana-tany. Tsy naka lavitra izy ireo, fa nanao tetika hampiasana ny tompon-tany maro be!

Nanomboka ny fanandevozana

Hafakely ny fanaon’ny Mena Hoditra, satria izay hohaniny ihany no amboleny. Mihaza sy manjono ny lehilahy, ary miasa mafy manapaka hazo. Ny vehivavy kosa mamboly sy mijinja ary mahandro. Gaga ny Eoropeanina mpanankarena, satria toa tsy mba nitsiriritra ny harenany mihitsy ny Mena Hoditra. Maro kosa no nihevitra fa kamo hiasa fotsiny izy ireo.

Tsy nanohitra an’ireo mpanjanaka ny tompon-tany sasany, ka nasaina nifindra teny akaikiny, mba hiasa sy hiaro azy ireo. Ny Zezoita sy ny mpitondra fivavahana hafa matetika no nampirisika azy ireo tamin’izany. Tsy nampoiziny anefa hoe tena hisy vokany ratsy amin’ny tompon-tany izany. Araka ny lalàna dia olona afaka ny Mena Hoditra, ary tsy azo nalaina ny taniny. Natao andevo anefa izy ireo, ka noterena hiasa ho an’ny mpanjanaka. Zara raha nomena karama izy ireo, sady tsy navela hamboly ny taniny.

Niezaka nandrara ny fanandevozana ny Mpanjaka Portogey, fa tsy nahomby. Nahita fomba hialana tamin’izany foana mantsy ny Portogey teto Brezila. Toa tsy nampaninona azy ireo ny nanandevo ny Mena Hoditra na nivarotra azy ho andevo. Fahavalon’ny mpanjanaka mantsy, hono, izy ireo, ary azo babo tamin’ny “ady [noheverina ho] ara-drariny.” Azo novidina koa ireo Mena Hoditra babon’ny foko hafa, ka mody hoe “navotana”, nefa natao andevo.

Ny fambolena fary, raha ny marina, no tena anton’ilay fanjanahan-tany. Nilaina anefa ny andevo mba hanao ny asa. Nanaiky tsy sazoka àry ny Mpanjaka Portogey mba hahazoana vola, na dia tsy tiany aza ny fanandevozana.

Niady ireo mpanjanaka

Niady ny mpanjana-tany, ka ny Mena Hoditra no nizaka ny vokany. Niady tamin’i Portogaly i Frantsa sy Holandy, mba hahazoana an’i Brezila. Samy niezaka hahazo tompon-tany hanampy azy àry ny andaniny sy ny ankilany. Tsy takatry ny Mena Hoditra anefa hoe ny haka ny taniny no tena tetik’ireo vahiny. Niditra tamin’ny adin’ny mpanjanaka àry izy ireo, satria te hamaly faty an’ireo foko fahavalony.

Tamin’ny 10 Novambra 1555, ohatra, dia tonga tany amin’ny Helodranon’i Guanabara (Rio de Janeiro ankehitriny) i Nicholas de Villegaignon, andriana frantsay. Nanorina tanàna mimanda tao izy, ary nanao fifanarahana tamin’ny Mena Hoditra Tamoio. Nitondra Mena Hoditra Tupinamba avy any Bahia kosa ny Portogey, ka nanafika an’ilay tanàna mimanda, tamin’ny Martsa 1560. Resy ihany ilay tanàna, ary nandositra ny Frantsay. Mbola nokaramain’izy ireo anefa ny Tamoio, ary nasainy niady tamin’ny Portogey. Resy tanteraka ny Tamoio, rehefa avy niady imbetsaka. Voalaza fa 10 000 no maty tamin’ny ady iray monja, ary 20 000 no lasa andevo.

Aretina mahatsiravina avy any Eoropa

Toa salama tsara ireo tompon-tany voalohany niaraka tamin’ny Portogey. Nisy mpikaroka taloha aza nihevitra fa nahatratra zato taona mahery ny Mena Hoditra sasany. Nifindran’ny aretina avy any Eoropa sy Afrika anefa izy ireny, ary tsy nahatohitra izany ny vatany. Azo inoana fa izany no tena saika nahalany tamingana azy ireo.

Hita tamin’ireo tatitra nataon’ny Portogey, fa maro ny valanaretina nandripaka ny Mena Hoditra. Nisy nendra mahery tany Portogaly tamin’ny 1561, ary nihanaka nanerana ireo faritra manamorona an’i Atlantika. Namono olona be dia be izy io. Nanoratra momba ny loza naterak’izany teto Brezila, ilay Zezoita atao hoe Leonardo do Vale, tamin’ny 12 Mey 1563. Hoy izy: “Karazana nendra tena maharikoriko sady maimbo be ilay izy. Tsy tanty mihitsy ny fofon’ireo [marary], ka maro no maty tsy nisy mpikarakara. Namoaka olitra ireo fery vokatr’ilay nendra, ary nihinana an’ilay olona. Be dia be sady ngeza ireo olitra, ka nahatsiravina sy nampihoron-koditra ny nahita azy.”

Nanafintohina ny Zezoita ny fanaovana tokantranomaso

Foko maro koa no nanjary lany tamingana, satria nanambady vahiny izy ireo ka tsy tena Mena Hoditra intsony ny taranany. Hoy ny boky iray: “Tsy nampaninona ny Portogey sy ny tompon-tany teto Brezila, ny nanambady olona hafa fiaviana taminy.” Nanome vehivavy ho an’ny vahiny ny Mena Hoditra, ka ny zanany vavy matetika no nomeny. Izany mantsy no fahaiza-mandray vahiny, amin’izy ireo. Nanafintohina an’ireo Zezoita voalohany tonga teto Brezila, tamin’ny 1549, ny zavatra hitan’izy ireo. Nitaraina toy izao ilay Zezoita atao hoe Manoel da Nóbrega: ‘Nambaran’ireo [mpitondra fivavahana] ampahibemaso, fa afaka manao tokantranomaso amin’ny vehivavy tompon-tany ny lehilahy vahiny.’ Hoy koa izy: ‘Nalain’ny mpanjana-tany ho vadikely ny [andevovaviny] rehetra.’ Nisy Portogey iray ‘nanan-janaka sy zafikely sy zafindohalika ary taranaka be dia be. Tsy sahin’ny olona nolazaina [tamin’ny mpanjakan’i Portogaly] akory hoe firy ny isan’izy ireo.’

Lasa vitsy kely ireo Mena Hoditra maro be taloha tany amin’ny morontsirak’i Brezila, tamin’ny 1650 tany ho any. Tao ny matin’aretina, na lasa andevo, na nanambady vahiny ka lany taranaka. Izany koa no nitranga tamin’ireo foko tany Amazonia.

Novonoin’ny Portogey daholo ny Mena Hoditra tany atsimo, rehefa tonga tany Amazonia izy ireo. Nilaza i Manoel Teixeira, mpitondra fivavahana tao Maranhão, fa efa ho roa tapitrisa ny Mena Hoditra maty tao anatin’ny am-polony taona vitsivitsy, tany Maranhão sy Pará! Nampijalina sy naripaka tokoa izy ireo, na dia mety ho latsak’izany aza ny tena isan’ny maty. Naripaka toy izany koa tatỳ aoriana ny tany avaratra. Fongana tanteraka ireo foko tany Amazonia, tamin’ny 1750 tany ho any, afa-tsy izay tany amin’ny faritra nitokana.

Nihanandroso ireo faritra nitokana maro tany Amazonia, tamin’ny taonjato faha-19 sy 20. Hitan’ny fotsy hoditra indray àry ireo Mena Hoditra sisa. I Charles Goodyear no nanafangaro voalohany ny fingotra tamin’ny solifara, tamin’ny 1839, ka nanjary azo nanamboarana pne ilay izy. Nirohotra nitady fingotra àry ny olona. Maro be ny mpanao raharaham-barotra nankany Amazonia, satria tany ihany no nisy fingotra. Ny Mena Hoditra indray no natao andevo tamin’ilay asa. Tena nijaly izy ireo, ka vao mainka nihavitsy.

Ny vokatry ny fandrosoana tamin’ny taonjato faha-20

Nanomboka nanao lalambe hampifandraisana ireo faritra nitokana tany Amazonia ny fanjakana brezilianina, tamin’ny 1970. Nandalo tany amin’ny tanànan’ny Mena Hoditra ireny lalana ireny, ka lasa mora ho an’ny mpitrandraka akora tany an’ala ny namono azy ireo. Tonga hatrany koa ny aretina mahafaty.

Izany, ohatra, no nitranga tamin’ny foko panarás. Ripaka tsikelikely izy ireo noho ny ady sy ny fanandevozana tamin’ny taonjato faha-18 sy 19. Nandositra nianavaratrandrefana ny sisa tamin’izy ireo, ary nankany amin’ny alan’i Mato Grosso. Namboarina anefa tatỳ aoriana ny lalana nampitohy an’i Cuiabá sy Santarém, ary namakivaky ny faritanin’izy ireo mihitsy.

Tongan’ny fotsy hoditra indray àry tany amin’izy ireo, ka tena ratsy ny vokany. Valopolo monja no sisa niangana tamin’ilay foko lehibe, tamin’ny 1975. Natao tao amin’ny Valam-pirenen’i Xingu àry izy ireo. Niezaka nitady ala nitovy tamin’ilay nisy azy taloha izy ireo tao amin’ilay faritra, fa tsy nahita. Naleony àry niverina tany amin’ny niaviany. Nambaran’ny minisitry ny fitsarana brezilianina, tamin’ny 1 Novambra 1996, fa ‘natokana ho fananan’ny Mena Hoditra’ ny faritra iray mirefy 495 000 hektara. Izany no tsy nahalany tamingana ny Panarás.

Misy fanantenana ve ny hoavin’izy ireo?

Tsy atahorana ho lany tamingana intsony ve ny Mena Hoditra sisa eto Brezila, satria efa natokan-toerana? Mety tsy haninona aloha izy ireo, raha tsy misy manelingelina. Misy harena an-kibon’ny tany lafo vidy anefa ao amin’ny faritanin’izy ireo. Mitentina iray tapitrisa tapitrisa dolara ny volamena, platinina, diamondra, vy, ary firaka, any Amazonia avaratra sy afovoany andrefana, izay misy fanjakana sivy. Ao anefa no misy ny 98 isan-jaton’ny faritanin’ny Mena Hoditra. Misy efa mitrandraka an-tsokosoko sahady ny harena an-kibon’ny tany, ao amin’ny faritra sasany.

Ny Mena Hoditra foana hatramin’izay no voa mafy, rehefa nifandray tamin’ny fotsy hoditra. Nanaiky nomena fitaratra izy ireo ho takalon’ny volamena, na zavatra tsy dia misy vidiny ho takalon’ny hazo sarobidy. Tsy maintsy nandositra tany anaty ala mitokana koa izy ireo, mba tsy ho lasa andevo. Mbola hiverina indray ve ny toy izany?

Mena Hoditra maro no nianatra nampiasa fitaovana maoderina toy ny finday, sambo misy maotera, ary fiaramanidina. Asa anefa raha mba ho vitan’izy ireo ny hiatrika ny zava-tsarotra amin’ity taonjato faha-21 ity!

[Sarintany, pejy 15]

(Jereo ny gazety)

■ Valam-pirenen’i Xingu

□ Faritanin’ny Mena Hoditra

BREZILA

BRASÍLIA

Rio de Janeiro

GUYANE

SURINAME

GUYANA

VENEZOELÀ

KOLOMBIA

EKOATERA

PEROA

BOLIVIA

PARAGOAY

OROGOAY

[Sary, pejy 15]

Natao andevo ny Mena Hoditra, mba hahazoan’ny mpandraharaha fingotra

[Sary nahazoan-dalana]

© Jacques Jangoux/Peter Arnold, Inc.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 12]

Sarisary amin’ny sisiny: From the book Brazil and the Brazilians, 1857