Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Loza Iray Mampanahy ny Ray Aman-dreny

Loza Iray Mampanahy ny Ray Aman-dreny

Loza Iray Mampanahy ny Ray Aman-dreny

MPIVADY falifaly sy mavitrika i Holy sy Solo, ary manan-janaka lahikely telo taona, izay salama tsara sy marani-tsaina. * Mikarakara tsara ny zanany izy mivady. Tsy mora izany amin’izao andro izao. Maro ny andraikitra tafiditra amin’izany, ary betsaka koa ny zavatra mampanahy. Be dia be ny zavatra mila ampianarina ny ankizy. Misy andraikitra iray tena heverin’i Holy sy Solo ho zava-dehibe anefa. Te hiaro ny zanany amin’ny fametavetana izy ireo. Nahoana?

“Mamo lava sy mafy fo ary tezi-dava ny raiko”, hoy i Holy. “Nokapohiny mafy aho ary novetavetainy izaho sy ny rahavaviko.” * Maro no miaiky fa miteraka ratram-po lalina ny fametavetana toy izany. Tsy mahagaga raha tapa-kevitra hiaro ny zanany i Holy. Vonona hanao toy izany koa ny vadiny.

Tena mampanahy ny ray aman-dreny maro eran-tany ny fametavetana ankizy. Mety hampanahy anao koa izany. Mety mbola tsy novetavetaina toa an’i Holy ianao, ka tsy mahatsapa ny vokatr’izany. Na izany aza, dia azo inoana fa efa renao tamin’ny vaovao hoe miely patrana io fanao maharikoriko io. Mihoron-koditra ireo ray aman-dreny tia zanaka, rehefa mandre ny zava-mitranga amin’ny ankizy ao amin’ny tanàna misy azy.

Rehefa nahita ny habetsahan’ny ankizy novetavetaina ny mpanao fanadihadiana iray, dia nilaza fa “iray amin’ireo zavatra mahakivy indrindra amin’ny androntsika” izy io. Tena mampalahelo tokoa izany! Tsy gaga anefa ny mpianatra Baiboly raha manjaka ny fametavetana. Hazavain’ny Tenin’Andriamanitra mantsy fa “ho masiaka be” sy “ho tia tena” ary “tsy ho tia ny mpianakaviny” ny olona amin’ny “andro farany.” Efa miaina amin’io fotoan-tsarotra io isika ankehitriny.—2 Timoty 3:1-5.

Olana mampihoron-koditra ny resaka fametavetana. Tena sahiran-tsaina ny ray aman-dreny sasany, rehefa mieritreritra fa misy olona tena ratsy fanahy mitady ankizy hovetavetaina. Ho vitan’ny ray aman-dreny ihany ve anefa ny hiatrika an’io olana io? Inona no azon’izy ireo atao mba hiarovana ny zanany? Hiresaka momba izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana ato amin’ity andian-dahatsoratra ity.

^ feh. 3 Fametavetana ankizy ny fampiasana ankizy mba hanomezana fahafaham-po ny faniriana hanao firaisana. Anisan’izany ny fanaovana firaisana, ny firaisana amin’ny vava na lava-pitombenana, ary ny filalaovana ny filahiana na ny fivaviana. Antsoin’ny Baiboly hoe fijangajangana na por·neiʹa ireo. Mety hanao fihetsika vetaveta koa ny olona sasany. Mety hotaominy hanao firaisana ilay ankizy, na hosafosafoiny ny nonony. Mety hampisehoany sary vetaveta koa ilay ankizy, na hasainy mijery olona manao firaisana na miboridana, na izy mihitsy no mitanjaka. Anisan’ny “fitondran-tena mahamenatra” na ‘fahalotoana’ ireo, ary melohin’ny Baiboly.—Galatianina 5:19-21; Efesianina 4:19.