Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mahay Misaotra” ve Ianao?

“Mahay Misaotra” ve Ianao?

“Mahay Misaotra” ve Ianao?

◼ Imbetsaka ny Baiboly no mampirisika ny mpanompon’Andriamanitra mba hahay hisaotra. Milaza ny Salamo 100:4, 5 hoe: ‘Misaora an’i Jehovah.’ Hoy koa ny apostoly Paoly: “Asehoy fa mahay misaotra ianareo.”—Kolosianina 3:15.

Mandray soa isika rehefa mahay misaotra. Hoy i Robert Emmons, mpampianatry ny oniversite ao Davis, Kalifornia: “Hitan’ireo mpikaroka fa tena mandray soa ny olona mahay misaotra. Afaka miatrika ny zava-manahirana andavanandro izy, indrindra fa ny adin-tsaina. Mahatsiaro tena ho misy vidiny koa izy.”

Mahasoa koa ny mahay misaotra, satria hoy ny gazety Fotoana (anglisy): ‘Mavitrika kokoa sy mijery lafy tsaran-javatra kokoa ny olona mahay mankasitraka. Tsy miady saina loatra koa izy, ary tsy mora ketraka, na dia narary noho izany mihitsy aza taloha.’

Mampalahelo fa “tia tena” sy ‘tsy misaotra’ ny olona maro mandritra ny “andro farany”, araka ny efa nolazain’ny Baiboly. (2 Timoty 3:1-5) Inona no tokony hataon’ny tena Kristianina mba tsy ho lasa toy izany? Hoy ilay nanome ny Baiboly: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.” (Isaia 48:17) Misy olona tsy mitady afa-tsy izay hahasoa ny tenany, ka mijinja vokany ratsy. Tsy hahazo antsika izany raha mankatò ny lalàn’Andriamanitra isika. Matoky koa isika fa hitan’i Jehovah ny ezaka ataontsika, ary hamaly soa antsika izy. (Hebreo 6:10) Voatosika ‘hisaotra an’i Jehovah’ isika noho izany.—Salamo 122:4.