Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manao Ahoana ny Olona Rehefa Maty?

Manao Ahoana ny Olona Rehefa Maty?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Manao Ahoana ny Olona Rehefa Maty?

TSY natao ho faty ny olombelona zanak’Andriamanitra. (Romanina 8:20, 21) Raha ny marina aza, rehefa niresaka voalohany momba ny fahafatesana tamin’i Adama i Jehovah, dia tsy nilaza izy hoe tsy maintsy ho faty ny olona. Nilaza kosa izy fa hanjo azy izany raha tsy mankatò azy izy. (Genesisy 2:17) Fantatr’i Adama ny atao hoe fahafatesana, satria azo inoana fa efa nahita biby maty izy.

Nanota i Adama ary niharan’ny vokatr’izany, ka maty tamin’izy 930 taona. (Genesisy 5:5; Romanina 6:23) Tsy nekena ho anisan’ny fianakavian’Andriamanitra intsony izy rehefa tsy nankatò, ka tsy nisaina ho zanany intsony. (Deoteronomia 32:5) Misy voka-dratsiny eo amin’ny olombelona izany, araka ny tenin’ny Baiboly hoe: ‘Niditra ho amin’izao tontolo izao avy tamin’ny olona iray ny ota, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana.’—Romanina 5:12.

Mbola misaina ve ny maty?

Hoy ny Baiboly: “Zavatra sendrasendra foana ny zanak’olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby,—mitovy ihany ny mihatra amin’izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan’izy rehetra; ary tsy misy ihoaran’ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra. Izy rehetra samy mankamin’ny fitoerana iray: avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray izy rehetra.” (Mpitoriteny 3:19, 20) Inona no dikan’ny hoe “hiverina ho amin’ny vovoka”?

Mampahatsiahy antsika ny teny nolazain’Andriamanitra tamin’ilay lehilahy voalohany izany. Hoy izy tamin’izay: “Vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:19) Hita araka izany fa tsy fanahy mipetraka ao anaty vatana isika, fa zavaboary nofo aman-dra toy ny biby ihany, ka mety lo. Rehefa lo àry ny vatantsika, dia lo koa ny atidohantsika, ka mitsahatra ny fisainantsika. Hoy ny Baiboly mahakasika ny maty: “Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany [na fisainany].”—Salamo 146:4.

Raha izany àry no mitranga, manao ahoana ny olona rehefa maty? Izao no valiny mazava omen’ny Tenin’Andriamanitra: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5) Tsy toy ny namana iray mitondra antsika ho any amin’ny fiainana tsara kokoa ny fahafatesana. Antsoin’ny Baiboly hoe “fahavalo farany” kosa izy io, satria misakana antsika tsy hanao na inona na inona. (1 Korintianina 15:26; Mpitoriteny 9:10) Midika ve izany fa tsy misy azo antenaina intsony ny amin’ny olona efa maty?

Vaovao tsara momba ny fahafatesana

Toy ny matory ireo olona efa maty an-tapitrisany, ka azo fohazina indray. Nilaza toy izao tamin’ny mpianany i Jesosy indray mandeha, rehefa maty ny naman’izy ireo: “Matory i Lazarosy namantsika, fa handeha ho any aho hamoha azy.” Nifanena tamin’ny vahoaka nitomany i Jesosy rehefa nankeny amin’ny fasana. Nasainy nosokafana ilay fasana avy eo, ary niantsoantso mafy izy hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Nivoaka ilay lehilahy efa maty efatra andro. (Jaona 11:11-14, 39, 43, 44) Efa nanomboka ho lo ny vatany, nefa vitan’i Jesosy ny nanangana azy tamin’ny maty. Midika izany fa afaka mahatsiaro ny olona efa maty sy ny mombamomba azy rehetra Andriamanitra. Anisan’izany ny toetrany, ny zavatra rehetra ao amin’ny fitadidiany, ary ny bika aman’endriny. Azon’Andriamanitra velomina indray ny maty. Hoy i Jesosy: “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny [feon’i Jesosy], dia hivoaka izy ireo.”—Jaona 5:28, 29.

Misy vaovao tsara hafa ao amin’ny Baiboly. Izao no voalaza ao: “Hofoanana ny fahafatesana, izay fahavalo farany.” (1 Korintianina 15:26) Tsy hisy olona hidonam-pahoriana intsony, ka handevina ny havan-tiany. “Tsy hisy fahafatesana intsony”, hoy ny Baiboly. (Apokalypsy 21:4) Tsy hitanao hoe mampahery ve ny zavatra lazain’ny Baiboly momba ny maty?

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Mahatsiaro tena ve ny maty?Mpitoriteny 9:5.

◼ Tsy misy azo antenaina intsony ve ny amin’ny olona efa maty?Jaona 5:28, 29.

[Teny notsongaina, pejy 29]

“Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany [na fisainany].”—Salamo 146:4