Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Raozy Tsara Tarehy avy Atsy Afrika

Raozy Tsara Tarehy avy Atsy Afrika

Raozy Tsara Tarehy avy Atsy Afrika

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ATSY KENYA

“Mbola tsy nahita voninkazo tsara noho ny raozy aho!” “Ny raozy no fanomezana tsara indrindra ho an’ny namana tena tiana.” “Mariky ny fitiavana ny fanolorana raozy.”

AZO inoana fa mitovy hevitra amin’ny olona nilaza an’ireo teny ireo ianao. Avy eto Nairobi, Kenya, izy ireo. Tsy misy voninkazo tian’ny olona eran-tany kokoa noho ny raozy angamba, na voninkazodia izany na voninkazo nambolena. Efa an-jatony taona ny raozy no nanaitra ny sain’ny olona. Poety maro no nanoratra momba azy io. Nanao sary azy io koa matetika ny mpahay zavakanto. Nidera ny hakanton’izy io ilay mpanoratra atao hoe Shakespeare ao amin’ilay tantara hoe Roméo sy Juliette (anglisy). Hoy izy ao: “Tsy ny anarana no tena zava-dehibe. Mbola ho manitra foana ny raozy na ovana aza ny anarany.” Noho ny raozy, dia maro no lasa mpinamana, ary tena mifankatia. Nihavana indray ny olona niady, ary marary maro no lasa natanja-tsaina.

Manatsara ny toe-karen’ny firenena sasany koa ny raozy. Ahazoam-bola be izy io rehefa aondrana, ka maro ny firenena manangana toeram-pambolena azy. Mety amin’izy io mantsy ny toetaniny. Raozy avokoa, ohatra, ny 70 isan-jaton’ireo voninkazo an-tapitrisany naondran’i Kenya vao haingana. Lasa anisan’ireo firenena mpamokatra raozy be indrindra eran-tany izy.

Naniriniry teny rehetra teny ny raozy, tamin’ny fotoana mbola tsy nahitan’ny olona ny hatsarany. Maherin’ny 100 ny karazana raozidia. Nataon’ny olona grefy anefa izy ireny, sady narahiny maso tsara, ka izany no nahazoana ireo karazana raozy an’arivony misy ankehitriny. Lasa nalaza eran-tany àry ny raozy, ary saika ahitana azy avokoa ny firenen-drehetra. Ny raozy grefy atao hoe raozy dite no tena be mpitia sy be mpamboly.

Alohan’ny hahatongavany any aminao

Any amin’ny mpivaro-boninkazo ny ankamaroan’ny olona no mividy raozy. Ambolena eo amin’ny toeram-pambolena lehibe izy ireny, ary ilana fikarakarana kokoa noho ny raozy eo an-jaridainantsika. Nitsidika toeram-pambolena raozy tsy lavitra an’i Nairobi izahay, ka nahita ny fikarakarana azy ireny mba ho azo amidy.

Ao anaty trano plastika lehibe no ambolena azy. (Jereo ny sary eo amin’ny pejy 26.) Mitovy amin’io daholo ny toeram-pambolena raozy, eto Kenya. Misy antony maromaro ilana trano toy izany. Marefo ny raozy vao avy natao grefy, ka mila arovana. Mety hanimba azy ny oram-be na ny rivotra na ny hainandro. Tsy tokony hiova koa ny hafanana ao amin’ilay trano. Tokony ho mora idiran’ny rivotra mangatsiatsiaka ilay izy, ary ho mora ivoahan’ny rivotra mafana.

Misy raozy efa lehibebe ao, nefa misy vao maniry koa. Isan-karazany izy ireo, ka anisan’izany ny raozy dite. Tapahina 70 santimetatra eo ho eo ny tahon’ny sasany amin’izy io rehefa otazana, ary 35 santimetatra kosa ny hafa. Iray hektara ny velaran’ilay toeram-pambolena, ary mahatratra 70 000 ny raozy ao.

Ahoana no ahazoany ny zavatra mahavelona azy? Tsy tany tsotra no ambolena azy, fa poti-bato avy amin’ny volkano, ary asiana plastika ao ambaniny. Tian’ny olona ny mampiasa io vato io, satria tsy dia misy aretina mpanimba zavamaniry ao anatiny. Ahoana ny fomba fanondrahana an’ireo raozy? Atete eo amin’ireo poti-bato amin’ny alalan’ny fantsona kely ny rano sy ny zavatra mahavelona ilain’ilay raozy, ary efa voafatra tsara ny habetsahany. Tantera-drano ireo poti-bato, ka mitsika mankany amin’ilay plastika ny rano. Tantazana iny rano iny avy eo, ary ampiasaina indray.

Mety ho tratran’ny aretina ihany anefa ny raozy, na dia efa voakarakara tsara aza. Ny bobongolo no tena miteraka aretina, rehefa mameno ny raviny sy ny tahony. Tsy ho tsara ilay raozy, raha avela amin’izao fotsiny ireny aretina ireny. Asiana fanafody àry ilay izy mba hampihena ny bobongolo eo aminy.

Manomboka mamony ilay raozy, rehefa ela ny ela. Midika izany fa efa tokony hotazana ilay izy. Mbola tsy mivelatra ny felany amin’io fotoana io, ka tsy mora malazo sady mateza ny lokony. Misy indray rehefa mivelatra kokoa ny felany vao otazana. Tsy maintsy amin’ny maraina na amin’ny takariva anefa no anapahana azy. Mando mantsy ny rivotra amin’izay, ka tsy atahorana halazo haingana ilay raozy. Entina ao amin’ny efitra manokana ilay izy avy eo, mba hampangatsiahina. Mampahateza azy koa izany.

Sokajina arakaraka ny lokony sy ny habeny ny raozy rehetra, aorian’izay. Ny mpividy no milaza izay fomba tiany hamonosana azy. Vonona ny halefa izao ireo raozy. Entina mankany amin’ny seranam-piaramanidin’i Nairobi izy ireo, ary aondrana any Eoropa, any amin’ny an’arivony kilaometatra. Tena mora simba ny raozy, ka tokony ho 24 ora aorian’ny nanapahana azy, fara fahatarany, no hahatongavany eny an-tsena, na eo an-toerana na any ivelany.

Raha omen’olona fehezam-boninkazo raozy ianao, na mividy azy ireny eny amin’ny mpivaro-boninkazo, dia eritrereto vetivety ny lalan-davitra mety ho efa nalehany. Azo inoana fa hahatonga anao hankasitraka bebe kokoa an’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona izany.—Salamo 115:15.

[Efajoro/​Sary, pejy 26]

Hisy Ihany ve ny Raozy Manga?

Efa nataon’ny olona grefy imbetsaka ny raozy hatramin’izay. Mbola mitohy anefa izany hatramin’izao. Mampiasa fomba vaovao maro ny olona mba hanatsarana ny karazana raozy sy ny fambolena azy. Vitsy ihany ny voninkazo maro loko toy ny raozy. Inona no lokona raozy tianao indrindra? Fotsy, sa mavo, sa mavokely, sa mena antitra manopy volomparasy, sa mena antitra manopy volontsôkôlà? Karazana raozy samy hafa natao grefy no nanome an’ireo.

Asa raha fantatrao fa tsy nisy ny raozy mena tamin’ny voalohany. Tsy manana fototarazo manome loko mena ny raozidia. Nisy fiovana nitranga anefa tao amin’ny fototarazon’ny raozy iray, tamin’ny 1930 tany ho any, ka izany no nampisy ireny raozy mena be hitantsika ankehitriny ireny. Tsy nisy koa hatramin’izay ny raozy manga. Tsy manana fototarazo manome loko manga mantsy ny fianakaviamben’ny raozy. Tamin’ny 2004 anefa, dia nahavita namokatra raozy “manga” ny manam-pahaizana aostralianina sy japoney, rehefa avy niara-nikaroka an-taonany maro. Nisy fanovana nataon’izy ireo tamin’ny fototarazon’ny raozy. Mbola mila miezaka kokoa anefa izy ireo, mba hahazoana raozy manga kokoa.

[Sary]

Trano plastika

[Sary, pejy 25]

Efa azo otazana