Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Nanampy Ilay Boky

Tena Nanampy Ilay Boky

Tena Nanampy Ilay Boky

Maro be ny mpianatra vahiny ao amin’ny sekoly iray fianarana asa any Alemaina. Avy any Afrika Atsimo, Frantsa, Géorgie, Inde, Iogoslavia teo aloha, Liban, Polonina, Rosia, Ukraine, ary Vietnam, izy ireo.

Hoy ny mpianatra iray: “Nanolo-tena avy hatrany aho, rehefa nisy famelabelarana nasaina natao tao am-pianarana. Izao no loha hevitra nofidiko: ‘Valin’ny Fanontaniana Apetraky ny Tanora.’ Nampiasa ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra aho. Nahaliana an’ireo mpianatra ny fanazavana sy soso-kevitra tena tsara hita tao amin’ilay boky.”

“Nitehaka nirefodrefotra izy ireo rehefa vitako ilay izy. Mianatra teny vahiny ry zareo, ka mahazo tsara ny teny anglisy. Afaka nametraka boky Manontany ny Tanora, amin’ny teny anglisy, miisa 30 tamin’izy ireo àry aho. Nomeko iray tamin’ny teny alemà koa ny mpampianatra.”

Mbola nanohy ilay resaka ara-baiboly tamin’ny mpiara-mianatra sasany taminy io mpianatra io ny ampitson’iny. Tena nahaliana azy ireo izany. Mbola nahapetraka boky amin’ny teny arabo, bengali, espaniola, géorgien, poloney, rosianina, ary vietnamianina indray izy.

Mahafantatra tanora mety handray soa avy amin’ny boky Manontany ny Tanora angamba ianao. Misy toko 39 ao amin’izy io, ka anisan’izany ireto: “Ahoana no Hahazoako Tena Namana?”, “Ahoana ny Amin’ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?”, ary “Ahoana no Ahafantarako Raha Tena Fitiavana Izao?” Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ny tapakila eto ambany, ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.