Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Miharihary” tokoa fa mihamafana ny tany, ary “tena azo inoana” fa ny ataon’ny olombelona no mahatonga izany. —INTERGOVERNMENTAL PANEL ON CLIMATE CHANGE (IPCC), SOISA.

Eo anelanelan’ny 1 400 000 sy 1 900 000 ny olona “taizam-panafody” eto Alemaina. Mitovy amin’ny isan’ny olona miankin-doha amin’ny toaka ihany izany.—TAGESSCHAU, ALEMAINA.

Ny zaza latsaka ny herintaona no tena atahorana hisy hamono eto Grande-Bretagne.—THE TIMES, GRANDE-BRETAGNE.

Feno lobolobo ny faritra sasany amin’ny sisin-tany manasaraka an’i Etazonia sy Kanada, ka “sahirana” ny manam-pahefana “vao mahita an’ilay izy.” Hoy i Dennis Schornack, anisan’ny Komitin’ny Sisin-tany Iraisam-pirenena: “Tsy ho hainao ny hiaro ny sisin-tany raha tsy hitanao ny misy azy.”—ASSOCIATED PRESS, ETAZONIA.

Mahay Manasitrana ny Tenany ny Vatana

“Mahasitrana ny telo ampahefany eo ho eo amin’ny aretina ao aminy ny vatana”, hoy ny Profesora Gustav Dobos, ao amin’ny hopitaly ho an’ny mpitrandraka arintany, any Essen (Alemaina). Manamboatra fanafody 30 na 40 eo ho eo mantsy ny vatana. Anisan’izany ny fanafody misoroka ny fisian’ny vato ao amin’ny voa. Fantatry ny mpikaroka ny zavatra sasany mahatonga an’io fanasitranana voajanahary io, nefa mbola maro no tsy fantany. Araka ny gazety Vital, dia hitan’izy ireo fa “miara-miasa akaiky ny hormonina sy ny liofotsy ary ny zavatra hafa mifandray amin’ny hery fanefitra.” Misy vokany eo amin’ny fahasalamana koa “ny fihetseham-po”, ary mety “hampihena ny hery fanefitra mandritra ny volana maro” ny adin-tsaina sy ny olana.

Ny Fitsinjaran’ny Harena Eran-tany

Lazain’ny gazety Guardian fa “ny iray isan-jaton’ny olona manankarena indrindra no mihazona ny antsasany latsaka amin’ny harena eto an-tany. Ireo miasa eo amin’ny sehatry ny fitantanam-bola sy ny varotra amin’ny Internet no tena mpanefohefo.” Araka ny fanadihadiana nataon’ny ONU, dia any Etazonia ny ampahatelon’ireo manankarena indrindra, any Japon ny ampahefany mahery, ary any Royaume-Uni ny ampahafolony latsaka. Zara raha mahazo ny iray isan-jaton’ny harena eto an-tany ny antsasak’ireo mahantra indrindra. “Tena mahatsiravina izany tsy fitoviana izany”, hoy i Duncan Green, lehiben’ny mpikaroka ao amin’ny Oxfam, fikambanana mpanao asa soa any Grande-Bretagne. Nilaza koa izy fa “tsy rariny mihitsy hoe olona vitsy monja no manankarena be toy izany, nefa 800 tapitrisa no mandry fotsy isan’andro.”

Maro Noho ny Ankizivavy ny Ankizilahy any Chine

Isaky ny nisy vavikely 100 teraka dia nisy lahikely 118 teraka tany Chine, tamin’ny 2005. “Nahatratra 130 ny lahikely”, tany amin’ny tanàna sasany, hoy ny China Daily. Inona no anton’izany? Manala zaza ny olona any rehefa fantany fa vavikely ny zanany. Eo koa ny fandrindram-piterahana, hoy ny manam-pahefana. Tsy mahazo miteraka afa-tsy iray ihany mantsy ny mpivady, any amin’ny ankamaroan’ny tanàn-dehibe. Hoy ihany ilay gazety: “Hihoatra 30 tapitrisa eo ho eo ny lehilahy ampy taona hanambady raha ampitahaina amin’ny vehivavy, amin’ny 2020. Hiteraka olana eo amin’ny fiaraha-monina izany.”