Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vonjeo ny Antsantsa

Vonjeo ny Antsantsa

Vonjeo ny Antsantsa

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY MEKSIKA

VITSY ihany ny biby mampahatahotra toy ny antsantsa. Olona 75 eo ho eo isan-taona no laniny, na dia tsy manelingelina azy aza. Folo amin’izany no maty. Atao ren-tany aman-danitra ireny vaovao ireny, ary aseho ho toy ny biby mampidi-doza ny antsantsa ao amin’ny filma. Lasa mihevitra àry ny olona fa mpihinana olona ny antsantsa. Marina fa tsy azo sangiana izy ireny. Vitsy ihany anefa ny olona matiny raha oharina amin’ny olona maty voatsindron’ny tantely na lanin’ny voay.

Ny olona kosa no tena mamono ny antsantsa. Hoy ny mpikaroka iray, tao amin’ny gazety Voalohany (espaniola): ‘Antsantsa 100 tapitrisa no samborin’ny olona isan-taona. Tena betsaka izany, ka raha atao tohy vakana dia hahatratra roa hetsy kilaometatra mahery.’ Tsy mba miteraka matetika anefa ny antsantsa, ary lava ny fotoana itondrany vohoka. Ela ny zanany vao lehibe. Lotoin’ny olona koa ny toerana fiterahany. Mihena be àry ny isan’izy ireo, ka mbola hila taona maro indray vao ho tafaverina amin’ny laoniny.

Hakana ny vombony fotsiny no tena isamboran’ny olona ny antsantsa. Tena tian’ny olona sasany any Azia izy io, satria azo atao fanafody, hono, sady mampitombo ny faniriana hanao firaisana. * Lafo vidy be koa ny lasopy vombon’antsantsa, satria mety hahatratra 300 000 ariary ny iray vilia baolina! Ahazoam-bola be àry ny fivarotana vombon’antsantsa any Azia, ka aripaky ny olona ny antsantsa, ary tsy ananany antra mihitsy. Kantsanan’izy ireo ny vombon’ny antsantsa mbola velona, ary averiny any an-dranomasina ilay trondro avy eo, ka matin’ny hanoanana na maty sempotra.

Vonjeo sao ripaka

Tokony mba hiantra ny antsantsa ve isika? Marina fa mety tsy dia hampalahelo antsika noho ny elefanta sy ny trozona ny antsantsa. Tena ilaina anefa izy ireny, satria manatsara ny tontolo iainana any an-dranomasina. Mihinana trondro, ohatra, izy ireny, ka tsy mirongatra be ny isan’ny trondro sasany.

Tsy misy fitsipika mifehy ny fanjonoana antsantsa any amin’ny any maro. Antsantsa 30 000 taonina mahery isan-taona no jonoin’i Meksika, izay anisan’ny tena mpaka azy io. Niteraka adihevitra be naharitra folo taona izany. Vao haingana io firenena io vao namoaka lalàna mandrara ny fakana vombon’antsantsa. Vao mainka sarotra ny miaro ny antsantsa, satria mihabetsaka izao ny olona manjono azy any amin’ny faritra tsy azo anjonoana. Be mpitady mantsy ny vombony, araka ny voalaza teo aloha. Hoy ny talen’ny Sampan-draharaha Miandraikitra ny Valan-javaboarin’i Galápagos: “Mirongatra tato ho ato ny fanjonoana antsantsa an-tsokosoko, eto Galapagos. Ny vombony no ilain’ny olona. Ahazoam-bola be izy io, ka lasa misy orinasa tsy ara-dalàna manondrana azy.”

Efa nisy zavatra natao mba hiarovana ny antsantsa. Voarara ny fakana ny vombony any amin’ny tany sasany. Tsy ampy anefa izany, araka ny tenin’i Charlotte Mogensen, mpanolo-tsaina ao amin’ny World Wildlife Fund (WWF). Hoy izy: “Mbola tandindomin-doza foana ny antsantsa eran-tany. Entaninay ny fikambanana rehetra mpanara-maso ny jono mba handrara ny fakana vombon’antsantsa. Ampirisihinay koa izy ireo hamoaka lalàna hifehezana ny fikarohana momba ny antsantsa, sy hampihenana ny fakana trondro tsy ilaina, ary hamerana ny isan’ny antsantsa azo jonoina.”

Soa ihany fa tsy havelan’ny Mpamorona hitohy mandrakizay ny fandripahana ny zavaboary mahavariana noforoniny. Anisan’izany ny antsantsa, izay mampahatahotra nefa tena ilaina.—Apokalypsy 11:18.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Hitan’ny mpikaroka anefa fa feno volavelona ao anatin’ny vombon’antsantsa, ary mahatonga ny lehilahy ho momba izy io.

[Efajoro/​Sary, pejy 17]

NY ANTSANTSA

Habeny: Ny antsantsa trozona (eto ambony) no karazany lehibe indrindra. Mahatratra 18 metatra ny halavany ary aman-taonina ny lanjany. Tsy mampidi-doza anefa izy io satria zavamaniry sy trondro madinika no fihinany.

Faharetan’ny fitondrany vohoka: Herintaona sy folo volana be izao.

Isan’ny zanany: Roa hatramin’ny folo eo ho eo isaky ny miteraka. Tsy manatody ny ankamaroan’ny antsantsa.

Fitomboany: Afaka 12 na 15 taona ny ankamaroany vao afaka miteraka.

Androm-piainany: Tsy fantatra mazava ny halavan’ny androm-piainan’ny ankamaroany. Velona 60 taona eo ho eo anefa ny antsantsa fotsy (eto ambany), izay tena mampidi-doza.

[Sary nahazoan-dalana]

Seawatch.org

© Kelvin Aitken/age fotostock

[Sary, pejy 16, 17]

Maherin’ny 300 ny karazana antsantsa, ary 62 amin’ireo no atahorana ho lany tamingana

[Sary nahazoan-dalana]

© Mark Strickland/SeaPics.com

[Sary, pejy 17]

Vombon’antsantsa antsasa-kilao latsaka, dia efa mety hitentina 400 000 ariary na maherin’izany. Mety hahatratra 20 tapitrisa ariary ny vidin’ny valanoranon’ny antsantsa fotsy lehibe

[Sary nahazoan-dalana]

© Ron & Valerie Taylor/SeaPics.com