Boky Tsy Manan-tsahala
Boky Tsy Manan-tsahala
“Ny Baiboly no boky niely indrindra hatramin’izay.”—Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy).
ILAY Alemà atao hoe Johannes Gutenberg no nampiasa milina fanontam-pirinty voalohany misy lohavỳ, 550 taona mahery lasa izay. Ny fanontana Baiboly no asa lehibe voalohany nataony. * Boky maro dia maro momba ny foto-kevitra isan-karazany no efa natao pirinty nanomboka teo. Ny Baiboly anefa no miavaka indrindra.
◼ Tombanana ho 4 700 tapitrisa mahery ny Baiboly efa natao pirinty, na izy manontolo na ny ampahany. Izany dia mbola avo dimy heny noho ilay boky faharoa miely indrindra eran-tany, dia ny Boky Menan’i Mao Tsé-toung.
◼ Tsy ela izay dia niisa 50 tapitrisa mahery ny Baiboly nozaraina tao anatin’ny herintaona monja, na izy manontolo na ny ampahany. “Ny Baiboly no boky be mpividy indrindra isan-taona”, hoy ny gazetiboky The New Yorker.
◼ Voadika amin’ny fiteny 2 400 mahery ny Baiboly, na izy manontolo na ny ampahany. Manana Baiboly amin’ny fiteniny ny 90 isan-jato maherin’ny mponina eran-tany, na izy manontolo izany, na ampahany aminy, fara fahakeliny.
◼ Efa ho ny antsasaky ny mpanoratra Baiboly no nahavita ny asa soratra nataony, talohan’ny nahaterahan’ilay filozofa sinoa nalaza atao hoe Confucius, sy Siddhârtha Gautama, mpanorina ny fivavahana bodista.
◼ Nisy vokany lalina teo amin’ny zavakanto ny Baiboly. Hita taratra eo amin’ny sary hoso-doko sy mozika ary asa soratra sasany malaza indrindra, izany.
◼ Mbola misy foana ny Baiboly, na dia noraran’ny fanjakana sy nodoran’ny mpitondra fivavahana sasany ary nokianin’ny mpanao tsikera aza. Mbola eo foana izy io, na dia tojo ny fanoherana mafy indrindra teo amin’ny tantara aza.
Tsy hitanao hoe mahavariana tokoa ve ireo tsipiriany ireo? Tsy ampy anefa ireo mba hanaporofoana fa azo itokisana ny Baiboly. Hodinihintsika izao ny antony dimy mahatonga ny olona an-tapitrisany hiaiky fa mendri-pitokisana izy io.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 3 Amin’ny teny latinina io Baiboliny io, ary vita tamin’ny 1455 tany ho any.
[Sary, pejy 4]
Ilay fanontam-pirintin’i Gutenberg sy pejy iray amin’ilay Baiboliny
[Sary nahazoan-dalana]
Milina: Courtesy American Bible Society; pejy: © Image Asset Management/age fotostock