Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Nampanoratra ny Baiboly?

Iza no Nampanoratra ny Baiboly?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Iza no Nampanoratra ny Baiboly?

VOALAZA mazava tsara ao amin’ny Baiboly hoe iza no nanoratra azy io. Ny ampahany sasany amin’izy io dia manomboka amin’ny hoe “ny tantaran’i Nehemia”, na “ny fahitan’Isaia”, na “ny tenin’i Jehovah, izay tonga tamin’i Joela.” (Nehemia 1:1; Isaia 1:1; Joela 1:1) Antsoina hoe bokin’i Gada, na Natana, na Samoela ny tantara sasany. (1 Tantara 29:29) Hita eo amin’ny teny mampiditra ny salamo maromaro hoe iza no nanoratra an’ilay izy.—Salamo 79, 88, 89, 90, 103, ary Sl 127.

Koa satria olombelona no nasaina nanoratra ny Baiboly, dia milaza ny olona be fisalasalana fa vokatry ny fahendren’olombelona fotsiny izy io, toy ny boky hafa ihany. Mitombina ve izany?

Efapolo no nanoratra fa iray ihany no nampanoratra

Nilaza ny ankamaroan’ireo mpanoratra Baiboly fa i Jehovah, ilay hany tena Andriamanitra, no nanome azy ireo izany andraikitra izany. Niaiky koa izy ireo fa izy na ny anjeliny no nitarika azy ireo. (Zakaria 1:7, 9) In-300 ny mpaminany nanoratra ny Soratra Hebreo no nilaza hoe: “Izao no lazain’i Jehovah.” (Amosa 1:3; Mika 2:3; Nahoma 1:12) Maro amin’ny asa soratr’izy ireo no manomboka amin’ny fehezanteny mitovitovy amin’izao: “Ny tenin’i Jehovah, izay tonga tamin’i Hosea.” (Hosea 1:1; Jona 1:1) Hoy ny apostoly Petera momba ny mpaminanin’Andriamanitra: “Avy tamin’Andriamanitra ... no nitenenan’ny olona, araka izay nitondran’ny fanahy masina azy.”—2 Petera 1:21.

Ny Baiboly àry dia boky misy fizarana samihafa nosoratan’ny lehilahy maromaro, nefa mirindra tsara. Samy niaiky izy ireo fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra nosoratany. Mpitan-tsoratra nampiasain’Andriamanitra hanoratra ny heviny fotsiny izy ireo. Ahoana no nanaovany izany?

“Avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra”

“Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra”, hoy ny apostoly Paoly. (2 Timoty 3:16) Midika ara-bakiteny hoe “nofofonin’Andriamanitra” ilay teny grika nadika hoe “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” Midika izany fa nampiasa hery tsy hita maso Andriamanitra, mba hitarihana ny sain’izy ireo, ka hahafantarany izay tiany hampitaina. I Jehovah mihitsy kosa no nanoratra ny Didy Folo teo amin’ny vato fisaka. (Eksodosy 31:18) Nolazainy mivantana tamin’ny olombelona mpanompony indraindray ny hafatra tiany hampitaina. Milaza, ohatra, ny Eksodosy 34:27 hoe: “Hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Soraty ireo teny ireo...”

Nomen’Andriamanitra fahitana momba izay tiany hampanoratina kosa ny lehilahy sasany. Nilaza, ohatra, i Ezekiela hoe: “Nahita fahitana avy tamin’Andriamanitra aho.” (Ezekiela 1:1) “Nanonofy” koa i Daniela “sady nahita fahitana tao am-pandriany, ary nosoratany ny nofy.” (Daniela 7:1) Toy izany koa ny fomba nampitana tamin’ny apostoly Jaona ny Apokalypsy, izay boky farany ao amin’ny Baiboly. Hoy i Jaona: “Teo ambany herin’ny fanahy masina aho ka tonga tamin’ny andron’ny Tompo, ary nandre feo mafy toy ny an’ny trompetra avy tao andamosiko, nanao hoe: ‘Izay hitanao dia soraty eo amin’ny horonam-boky.’ ”—Apokalypsy 1:10, 11.

Ahitana taratry ny toetran’olombelona

Hita soritra ihany ny mampiavaka ny mpanoratra tsirairay, na dia hevitr’Andriamanitra aza no nosoratany. Samy tsy maintsy nanao ezaka izy ireo, mba hanoratana ny hafatr’Andriamanitra. Nilaza, ohatra, ilay mpanoratra ny Mpitoriteny, fa “nitady hahita teny mahafinaritra” izy, “ary izay mahitsy no voasorany, dia tenin’ny fahamarinana.” (Mpitoriteny 12:10) Rehefa nanangona fanazavana hanaovana ny asa sorany koa i Ezra, dia nampiasa loharanon-kevitra 14, fara fahakeliny. Anisan’izany ny “bokin’ny tantaran’i Davida mpanjaka” sy ny “bokin’ny mpanjakan’ny Joda sy ny Isiraely.” (1 Tantara 27:24; 2 Tantara 16:11) I Lioka mpanoratra ny Filazantsara indray dia ‘namotopototra tsara ny zava-drehetra hatrany am-piandohana.’—Lioka 1:3.

Ahitana taratry ny toetran’ilay nanoratra azy ny boky sasany ao amin’ny Baiboly. Tena liana tamin’ny antontan’isa, ohatra, i Matio Levy, izay mpamory hetra talohan’ny naha mpianatr’i Jesosy azy. Izy irery no mpanoratra ny Filazantsara nilaza hoe “farantsa volafotsy telopolo” no vidin’ny namadihana an’i Jesosy. (Matio 27:3; Marka 2:14) Nilaza tsipiriany ara-pitsaboana marina tsara kosa i Lioka, izay dokotera. Rehefa niresaka momba ny aretin’ny olona sasany nositranin’i Jesosy izy, ohatra, dia nampiasa teny toy ny hoe “nanavy be” sy hoe “rakotry ny habokana.” (Lioka 4:38; 5:12; Kolosianina 4:14) Hita araka izany fa navelan’i Jehovah samy hanana ny fomba fanoratany sy hampiasa ny fomba fiteniny manokana ireo mpanoratra. Na izany aza, dia nitarika ny sain’izy ireo izy, mba ho marina ny zavatra nosoratan’izy ireo ary ho tafita tsara ny hafany.—Ohabolana 16:9.

Ny vokatry ny asan’izy ireo

Alao sary an-tsaina hoe lehilahy 40 eo ho eo, miaina any amin’ny tany samy hafa, no asaina manoratra ampahany samy hafa amin’ny boky iray, mandritra ny 1 600 taona mahery. Mirindra tanteraka amin’ny lafiny rehetra anefa ny zavatra voasoratr’izy ireo, sady mamelabelatra foto-kevitra iray ihany izay tena miavaka. Tsy hitanao hoe mahavariana tokoa ve izany? (Jereo ilay hoe “Inona no Raketin’ny Baiboly?”, pejy 19.) Tsy ho nahavita izany izy ireo, raha tsy iray ihany no nitari-dalana azy rehetra.

Voatery nampiasa olombelona ve i Jehovah mba hanoratra ny Teniny? Tsia. Hendry anefa izy rehefa nanao izany. Nahoana tokoa moa ny Baiboly no mahasarika olona maro eran-tany? Anisan’ny mahatonga izany ny fahaizan’ireo mpanoratra nampita ireo fihetseham-po isan-karazany tsapan’ny olombelona. Nisy aza nahay namoaka ny fihetseham-pon’ny mpanota nibebaka, izay nahatsiaro tena ho meloka ka nitalaho famindram-po tamin’Andriamanitra. Tsy iza izany fa i Davida Mpanjaka.—Salamo 51:2-4, 13, 17, teny fampidirana.

Marina fa olombelona no nasain’i Jehovah nanoratra ny Teniny. Afaka matoky azy io anefa isika, toy ireo Kristianina voalohany. ‘Tsy noraisin’izy ireo ho tenin’olona’ ny Soratra Masina, “fa araka ny tena izy, dia tenin’Andriamanitra.”—1 Tesalonianina 2:13.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Iza no nampanoratra ny “Soratra Masina iray manontolo”?—2 Timoty 3:16.

◼ Ahoana avy no fomba nampitan’i Jehovah Andriamanitra ny heviny?—Eksodosy 31:18; 34:27; Ezekiela 1:1; Daniela 7:1.

◼ Inona no mampiseho fa hita taratra amin’ny zavatra nosoratan’ireo mpanoratra Baiboly ny toetrany sy izay nahaliana azy?—Matio 27:3; Lioka 4:38.