Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifanohitra ve ny Arkeolojia sy ny Baiboly?

Mifanohitra ve ny Arkeolojia sy ny Baiboly?

Mifanohitra ve ny Arkeolojia sy ny Baiboly?

TENA ilain’ny mpianatra ny Baiboly ny arkeolojia, na ny fandinihana ireo sisan-javatra fahiny. Manampy azy ireo izy io mba hahalalany ny fiteny sy ny fiainan’ny olona tamin’ny andron’ny Baiboly. Manome porofo koa ny arkeolojia fa tanteraka ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Anisan’izany ny faharavan’i Babylona sy Ninive ary Tyro. (Jeremia 51:37; Ezekiela 26:4, 12; Zefania 2:13-15) Voafetra anefa ny fanampiana omen’ny arkeolojia. Mila hazavaina mantsy ireny sisan-javatra ireny, kanefa mety ho diso ny fomba anazavan’ny olona azy.

Tsy miankina amin’ireo vakina vazy, na biriky efa mihasimba, na tamboho rava hitan’ny arkeology anefa ny finoan’ny Kristianina, fa avy amin’ny fahalalana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. (2 Korintianina 5:7; Hebreo 11:1) “Avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” mantsy “ny Soratra Masina iray manontolo.” (2 Timoty 3:16) Ireto misy porofo manamarina izany: Mirindra tsara izy io, feno fahatsorana ireo nanoratra azy, ary faminaniana maro no efa tanteraka. Manamarina an’ireo tantara sasany ao amin’ny Baiboly koa ny zavatra hitan’ny arkeology. Handinika ny sasany amin’izany isika.

Nisy ekipana arkeology nanao fikarohana tany Jerosalema, tamin’ny 1970. Hitan’izy ireo ny sisa tavela tamin’ny trano iray kilan’ny afo. Hoy i Nahman Avigad, mpitarika an’ilay ekipa: ‘Vao mahita an’izany ny olona nianatra arkeolojia dia fantany avy hatrany hoe potiky ny afo ilay trano, ary nianjera ny valin-drihana sy ny rindriny.’ Nisy taolan-tanana [1] tao amin’ny efitra iray, ary hita fa namikitra tamin’ny tohatra ny rantsan’ilay izy.

Nahitana vola madinika [2] niparitaka koa tao amin’ilay trano. Rehefa nofantarina ny datin’ireo vola ireo, dia hita fa ireo vita tamin’ny taona 69 (taona fahefatra nikomian’ny Jiosy tamin’ny Romanina) no nivoaka farany. Nisy nanaparitaka ny zavatra tao amin’ilay trano, talohan’ny naharavany. Hoy i Avigad: “Nahatsiaro ny tenin’i Josèphe izahay rehefa nahita izany. Nolazainy mantsy fa nandroba ireo trano tao [Jerosalema] ny miaramila romanina, rehefa resy ilay tanàna.” Milaza ny mpahay tantara, fa tamin’ny taona 70 izany no nitranga.

Fantatra koa fa taolan’ny tovovavy iray 20 taona mahery ilay noresahina teo. Hoy Ny Arkeolojia sy ny Baiboly: “Tao an-dakozia ny tovovavy iray, rehefa nandoro an’ilay trano ny Romanina. Nianjera izy ary namoy ny ainy raha mbola namikitra tamin’ny tohatra. Vetivety dia nitatra ny afo ... ka tsy afa-nandositra izy, ary tototra tao.”

Mampahatsiahy antsika ny faminanian’i Jesosy momba an’i Jerosalema izany. Hoy mantsy izy, efa ho 40 taona talohan’izay: ‘Hatontan’ny fahavalonao amin’ny tany ianao sy ny zanakao, ary tsy havelany hisy vato hifanaingina eo aminao.’—Lioka 19:43, 44.

Noporofoin’ny arkeolojia koa fa tena nisy ireo olona voalazan’ny Soratra Masina. Nasehon’izany fa diso ny filazan’ireo mpanao tsikera hoe noforomporonin’ireo mpanoratra Baiboly fotsiny izy ireny, na tsy nalaza be akory.

Anarana ao amin’ny Baiboly

Nisy manam-pahaizana ambony nilaza fa tsy nisy izany Sargona II, mpanjakan’i Asyria, izany. Hita ao amin’ny Isaia 20:1 io anarana io. Hita tamin’ny 1843 anefa ny Lapan’i Sargona [3], teo akaikin’i Khorsabad any Irak, teo amoron’ny sakelidranon’ny Renirano Tigra. Mirefy folo hektara eo ho eo izy io. I Sargona II indray no lasa mpanjakan’i Asyria be mpahalala indrindra. Nolazain’i Sargona tao amin’ny tantaran’i Asyria [4] fa nandresy ny tanànan’i Samaria, any Israely, izy. Resin’i Asyria tamin’ny 740 T.K. i Samaria, araka ny fanazavan’ny Baiboly. Nolazain’i Sargona koa fa nandresy an’i Asdoda izy, ary mifanaraka amin’ny Isaia 20:1 izany.

Nahita takelaka tanimanga 300 teo akaikin’ny Vavahadin’i Ishtar ny arkeology, rehefa nikaroka tao amin’ny tanànan’i Babylona fahiny, any Irak. Mirakitra ny zava-nitranga tamin’ny fotoana nanjakan’i Nebokadnezara Mpanjaka izy ireo ary ahitana anarana maro. Anisan’izany ny hoe “Yaukin mpanjakan’i Yahud”, na Joiakina mpanjakan’i Joda. Nentina ho babo tany Babylona izy, tamin’i Nebokadnezara nandresy voalohany an’i Jerosalema, tamin’ny 617 T.K. (2 Mpanjaka 24:11-15) Voaresaka tao amin’ireo takelaka ireo koa ny dimy tamin’ny zanany.—1 Tantara 3:17, 18.

Nikaroka teo amin’ny toerana noheveriny ho nisy ny lapan’i Davida ny arkeology. Nahita tranobe efa rava vita tamin’ny vato izy ireo, tamin’ny 2005. Nino ny arkeology fa noravan’ny Babylonianina izy io, rehefa nandrava an’i Jerosalema izy ireo tamin’ny andron’i Jeremia mpaminany, 2 600 taona mahery lasa izay. Mbola tsy fantatra marina raha ilay lapan’i Davida io na tsia. Nahita zavatra tena nahaliana anefa i Eilat Mazar, arkeology. Nahita tombo-kase teo amin’ny takelaka tanimanga [5] izy. Mirefy iray santimetatra izy io, ary izao no vakin’ilay soratra: “An’i Yehuchal, zanak’i Shelemiyahu, zanak’i Shovi.” Azo inoana fa natao tamin’ny fitombok’i Yehuchal na Jokala izy io. Milaza ny Baiboly fa manam-pahefana jiosy i Jokala, ary nanohitra an’i Jeremia.—Jeremia 37:3; 38:1-6.

Nilaza i Mazar, fa i Jokala no “tandapa manarakaraka” an’i Gemaria, zanak’i Safana. Nahitana ny anaran’i Gemaria teo amin’ny tombo-kase iray, hita tao amin’ny Tanànan’i Davida. Milaza ny Baiboly fa anisan’ireo olona ambony tao Joda i Jokala, zanak’i Selemia. Ny Baiboly ihany no niresaka momba azy, talohan’ny nahitana an’io tombo-kase io.

Nahay namaky teny sy nanoratra ve ny Israelita?

Nahay namaky teny sy nanoratra ny Israelita fahiny, araka ny voalazan’ny Baiboly. (Nomery 5:23; Josoa 24:26; Isaia 10:19) Tsy nino izany anefa ny mpanao tsikera. Nampitaina tamin’ny alalan’ny lovantsofina, hono, ny ankamaroan’ny tantara ao amin’ny Baiboly ka tsy azo antoka ny fahamarinany. Voaporofo tamin’ny 2005 anefa fa diso hevitra izy ireo. Nahita litera efa tranainy be mantsy ireo arkeology niasa tao Tel Zayit, eo anelanelan’i Jerosalema sy ny Ranomasina Mediterane. Io litera nisoratra teo amin’ny vatosokay io angamba no litera hebreo [6] tranainy indrindra hita hatramin’izay.

Tamin’ny taona 950 T.K. tany ho any no nanoratana azy io. Hita taratra avy amin’io litera io, fa nanana “fomba fiainan’ny olona efa mandroso” ny Israelita tamin’izany, “nahazo fampiofanana avo lenta ny mpanora-dalàna”, ary “nandroso be ny fitantanan-draharaha tao Jerosalema.” Asehon’izany fa efa nahay taratasy ny Israelita ka afaka nandrakitra an-tsoratra ny tantarany, fara fahatarany, tamin’ny taona 900 T.K. Voaporofo àry fa diso hevitra ireo mpanao tsikera.

Nanampy ny tantaran’i Asyria

Voaresaka matetika ao amin’ny Baiboly i Asyria, firenena natanjaka fahiny. Manamarina ny fitantaran’ny Soratra Masina, ireo zavatra hitan’ny arkeology tany. Nahitana sila-bato voasokitra [7], ohatra, tao amin’ny lapan’i Sankeriba Mpanjaka, tao Ninive, renivohitr’i Asyria. Hita eo amin’izy io ny sarin’ireo miaramila asyrianina mitondra Jiosy babo, tamin’izy ireo nandresy an’i Lakisy tamin’ny 732 T.K. Mitantara an’izany ny 2 Mpanjaka 18:13-15.

Hita tany Ninive koa ny tantaran’i Sankeriba [8]. Nolazainy tao ny fanafihana nataony tamin’ny andron’i Hezekia mpanjakan’i Joda, ary notononiny tao ny anaran’io mpanjaka io. Nisy anarana hafa koa teo amin’ny takelaka tanimanga maromaro. Anisan’izany ny anaran’ny mpanjakan’i Joda toa an’i Ahaza sy Manase, sy ny anaran’ny mpanjakan’i Israely toa an’i Omry, Jeho, Joasy, Menahema, ary Hosea.

Nirehareha erỳ i Sankeriba ao amin’ilay tantara, noho ny fandresena azony. Tsy nilaza anefa izy hoe anisan’ireo tanàna resiny i Jerosalema. Manaporofo izany fa marina ny fitantaran’ny Baiboly hoe tsy afaka nanao fahirano an’i Jerosalema mihitsy io mpanjaka io, satria resin’ny anjelin’Andriamanitra. Menatra i Sankeriba ka niverina tany Ninive, ary novonoin’ny zanany, araka ny fitantaran’ny Baiboly. (Isaia 37:33-38) Manamarina izany vonoan’olona izany ireo soratra hita tany Asyria.

Naminany i Nahoma sy Zefania mpaminanin’i Jehovah fa horavana tanteraka i Ninive, satria tena ratsy toetra ny mponina tao. (Nahoma 1:1; 2:9–3:19; Zefania 2:13-15) Tanteraka tamin’ny 632 T.K. izany faminaniana izany, rehefa nanao fahirano an’i Ninive sy nandresy azy io ny tafik’i Nabopolasara mpanjakan’i Babylona, sy Cyaxare mpanjakan’i Media. Voaporofo koa fa marina ny fitantaran’ny Baiboly, rehefa hita ny sisa tavela tamin’io tanàna io.

Any atsinanan’ny Reniranon’i Tigra, any atsimoatsinanan’i Ninive, no misy ny tanànan’i Nuzi fahiny. Nanao fikarohana tao ny arkeology, teo anelanelan’ny 1925 sy 1931, ka nahita zavatra maro. Anisan’izany ny takelaka tanimanga 20 000 eo ho eo. Teny babylonianina ny soratra hita teo amin’izy ireo, ary nahalalana tsipirian-javatra maro. Anisan’izany ny fomba nampiharana ny lalàna, izay nitovy tamin’ny fanaon’ny olona fahiny voatantara ao amin’ny Genesisy. Nisy tamin’ireny takelaka ireny, ohatra, nilaza fa anisan’ny fanamarinam-pananana ny sampin’ny fianakaviana, izay matetika no sary sokitra kely. Izany angamba no nahatonga an’i Rahely, vadin’i Jakoba, haka ny terafiman’i Labana rainy, tamin’izy ireo nandao ny tokantranon-drainy. Io no sampin’ny fianakaviany, ka tsy nahagaga raha niezaka nitady azy io i Labana.—Genesisy 31:14-16, 19, 25-35.

Ny faminanian’i Isaia sy ny Varingarin’i Kyrosy

Manamarina tantara hafa iray ao amin’ny Baiboly ny soratra eo amin’io bolongan-tanimanga io, izay hita tao amin’ny tanànan’i Sippar fahiny, eo amoron’ny ony Eofrata, tokony ho 32 kilaometatra avy eo Badgad. Antsoina hoe Varingarin’i Kyrosy [9] izy io. Voasoratra eo amin’izy io fa nandresy an’i Babylona i Kyrosy Lehibe, ilay nanorina ny Fanjakana Persanina sady mpitondra an’i Media sy Persa. Mahagaga fa efa niresaka momba an’i Kyrosy i Jehovah, 200 taona teo ho eo talohan’io fandreseny io. Hoy izy tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; ary izy hanao amin’i Jerosalema hoe: Hatsangana hianao.”—Isaia 13:1, 17-19; 44:26–45:3.

Voalaza tao amin’ilay varingarina koa fa nanao zavatra hafakely i Kyrosy. Navelany hody tany amin’ny taniny ny babo tao amin’ilay fanjakana noreseny, kanefa tsy fanaon’ny mpitondra fahiny mihitsy izany. Na ny tantara ao amin’ny Baiboly na ny tantara tsy ara-pivavahana, dia samy manamarina fa nafahan’i Kyrosy ny Jiosy ary nanorina indray an’i Jerosalema.—2 Tantara 36:23; Ezra 1:1-4.

Azo lazaina hoe vao haingana ihany no nisian’ny arkeolojia momba ny Baiboly. Tena nahazoana fanazavana sarobidy anefa izy io. Noporofoin’ireo zavatra hitan’ny arkeology fa marina ny zavatra raketin’ny Baiboly, eny fa na dia ny tsipiriany kely indrindra aza.

FANAZAVANA FANAMPINY

Afaka manampy anao ho sambatra sy hanana tanjona tsara ve ny Baiboly? Mamaly an’izany ilay DVD maharitra adiny roa hoe Ny Baiboly: Boky Mirakitra Zava-misy sy Faminaniana. Misy fanadinadinana tena mahaliana koa ao. (Misy amin’ny fiteny 32, fa mbola tsy misy amin’ny teny malagasy.)

Ny Baiboly Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?

Tena nisy ve ireo tantara ao amin’ny Baiboly? Mifanipaka ve ny zavatra lazainy? Tena nisy ve ireo fahagagana tantarainy? Diniho ireo fanazavana ao amin’ity boky 192 pejy ity. (Misy amin’ny fiteny 56.)

[Sary nahazoan-dalana]

Aleksandra Lehibe: Roma, Musei Capitolini

Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Miresaka an’ireo fampianarana lehibe ao amin’ny Baiboly ireo toko 19 ao amin’ity boky ity, sady manazava ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny olombelona. (Misy amin’ny fiteny 162.)

Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly

Natao ho an’ny ankizy ity boky misy sary mahafinaritra ity, ary misy tantara 116 milahatra araka ny fotoana nisehoany. (Misy amin’ny fiteny 194.)

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Vola madinika: Generously Donated by Company for Reconstruction & Development of Jewish Quarter, Jerusalem Old City

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Society for Exploration of Land of Israel and its Antiquities

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

3: Musée du Louvre, Paris; 4: Photograph taken by courtesy of the British Museum; 5: Gabi Laron/Institute of Archaeology/Hebrew University © Eilat Mazar

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

6: AP Photo/Keith Srakocic; 7, 8: Photograph taken by courtesy of the British Museum

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

Photograph taken by courtesy of the British Museum