Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
◼ Misy amin’ny fiteny 43 sy amin’ny soratra braille karazany 3 izao Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo. Misy amin’ny fiteny 18 sy amin’ny soratra braille karazany 1 kosa Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tamin’ny Jolay 2007, dia nahatratra 143 458 577 ny natao pirinty.
◼ Ilay atao hoe Tso-dranon’ny Mpisorona, avy ao amin’ny Nomery 6:24-26, no fantatra fa tranainy indrindra amin’ny andinin-teny natao sora-tanana, ary io ihany no voatahiry. Takela-bolafotsy roa miendrika horonana sy natao ody fiaro no nanoratana azy io, tamin’ny faran’ny taonjato fahafito na tany am-piandohan’ny taonjato fahenina T.K.—BIBLICAL ARCHAEOLOGY REVIEW, ETAZONIA.
◼ Hatramin’ny 31 Desambra 2006, dia boky iray ao amin’ny Baiboly, fara fahakeliny, no vita pirinty tamin’ny fiteny sy fitenim-paritra 2 426, izany hoe niampy 23 noho ny tamin’ny 2005.—VONDRON’IREO FIKAMBANANA MAMPIELY BAIBOLY, GRANDE-BRETAGNE.
◼ Ny 28 isan-jato eo ho eo amin’ny Amerikanina no mihevitra ny Baiboly ho “tena tenin’Andriamanitra ... ka tokony horaisina ara-bakiteny.” Ny 49 isan-jato indray milaza fa “avy amin’Andriamanitra izy io, saingy tsy tokony horaisina ara-bakiteny daholo izay voalaza ao.” Ny 19 isan-jato kosa mino fa “angano” fotsiny no ao anatin’ny Baiboly.—GALLUP NEWS SERVICE, ETAZONIA.
Oviana no Nisy ny Baiboly Sinoa Voalohany?
“Teo amin’ny tsangambato iray [eo ankavia] tamin’ny taona 781, no nahitana filazana voalohany fa nisy Baiboly Soratra Hebreo nadika ho amin’ny teny sinoa”, hoy i Yiyi Chen, manam-pahaizana avy any amin’ny Oniversiten’i Pékin. Olona avy ao amin’ny fivavahana nestorianina no nanangana azy io. Hita tao amin’ny tanànan’i Xi’an ilay tsangambato, tamin’ny 1625. Hoy ihany i Chen: “Izao no anarana nomena an’ilay tsangambato, raha adika: ‘Fahatsiarovana ny Nampielezana Teto Chine An’ilay Fivavahana Mpanazava avy any Daqin’ (... Daqin no niantsoan’ny Sinoa ny Fanjakana Romanina). Ireto koa ny teny sasany teo amin’ilay tsangambato: ‘fandikana ny Baiboly’ sy ‘lisitra marina mitanisa ireo boky anisan’ny Soratra Masina.’ ”
[Sary nahazoan-dalana, pejy 30]
© Réunion des Musées Nationaux/Art Resource
Zava-tsarobidy tao Anaty Honahona
Tamin’ny 2006, dia nisy mpiasa irlandey nahita bokin’ny Salamo amin’ny teny latinina, tao anaty honahona. Sora-tanana ilay izy, ary voalaza fa vita tamin’ny taonjato fahavalo. Heverina ho sarobidy izy io, satria vitsy amin’ireo boky niara-nivoaka taminy no mbola misy hatramin’izao. Zato pejy eo ho eo ilay boky. Ambony karazana ireo pejy ireo, satria vita tamin’ny hodi-biby malefaka. Nilaza ny gazety The Times, any Londres hoe: “Nisy ambina tsihy sy kitapo hoditra niaraka tamin’io bokin’ny Salamo io, ka angamba nafenina izy io, mba tsy ho hitan’ny Vikings tamin’izy ireo nanafika, 1 200 taona lasa izay.” Efa miraikitra ireo pejy, sady efa misy lo. Matoky anefa ny manam-pahaizana fa hahavita hanasaraka sy hitahiry azy ireo.
Tany Nitahiry Rakitry ny Ela
Voalaza fa nanasivana tany avy any amin’ny toerana nisy ny tempolin’i Jerosalema ny mpikaroka. Nahangona zavatra isan-karazany nisy talohan’ny andron’ny Israelita, ka hatramin’ny andro maoderina izy ireo. An’arivony ny zavatra hitany, toy ny lohana tsipìka mitovy amin’ilay nampiasain’ny tafik’i Nebokadnezara, tamin’izy ireo nandrava ny tempoly jiosy voalohany. Nahita tombon-kase tanimanga koa ny mpikaroka. Io no mahavariana indrindra, satria efa tamin’ny taonjato fahafito na fahenina T.K. no nisiany. Voalaza fa nisy anarana hebreo hoe Gedalyahu Ben Immer Ha-Cohen teo amin’izy io. Nilaza i Gabriel Barkai, mpikaroka, fa ‘mety ho rahalahin’i Pasora (Pashur Ben Immer) ilay resahin’ny Baiboly [Jeremia 20:1] i Gedalyahu. Mpisorona sady mpiandraikitra ny tempoly i Pasora.’