Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Havalinao?

Ahoana no Havalinao?

Ahoana no Havalinao?

TAIZA NO NITRANGAN’ITY?

Vakio ny Matio 2:1-16, ary valio ireto fanontaniana ireto.

1. Taiza ny tanàna voalohany nitarihan’ny kintana an’ireo mpanandro?

Asio boribory ny valin-teninao eo amin’ny sarintany.

Jeriko

Jerosalema

Betania

Betlehema

◆ Inona no nasain’i Heroda Mpanjaka nataon’ireo mpanandro?

․․․․․․․

◆ Nahoana i Heroda no te hahafantatra ny toerana nisy an’i Jesosy?

․․․․․․․

Iaraha-midinika: Inona no hitanao hoe maha samy hafa an’izay lazain’ny Baiboly sy ny tantara inoan’ny olona momba ny Krismasy?

OVIANA NO NITRANGA IRETO?

Iza no nanoratra ireo boky ao amin’ny Baiboly ireo? Ampifandraiso amin’ny tsipika ilay boky sy ny daty tokotokony ho nahavitany.

Taona 50 65 77 96 98

2. 1 Jaona

3. Joda

4. Apokalypsy

IZA ÀRY AHO?

5. Nidera ahy i Jaona, noho izaho tia nandray vahiny sy naneho fitiavana.

IZA ÀRY AHO?

6. Voasoratra ao amin’ny bokin’i Joda ny faminaniana nolazaiko, na dia taranaka fahafito avy tamin’i Adama aza aho.

ATO AMIN’ITY GAZETY ITY

Valio ireto fanontaniana ireto, ary fenoy ny andinin-teny banga.

Pejy 4 Manao ahoana ny olona rehefa maty? (Mpitoriteny 9:․․․)

Pejy 8 Hataon’Andriamanitra ahoana ny fahafatesana? (Isaia 25:․․․)

Pejy 10 Hataon’Andriamanitra ahoana izay manimba ny tany? (Apokalypsy 11:․․․)

Pejy 14 Inona no tsy maintsy ataonao mba tsy hijerena sary vetaveta? (Salamo 97:․․․)

Ho An’ny Ankizy

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireto sary ireto. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

(Valiny, pejy 28)

VALIN’NY PEJY 31

1. Jerosalema.

◆ Hikaroka ilay zaza, ary hilaza aminy avy eo.

◆ Mba hamonoany azy.

2. Ny apostoly Jaona, 98 A.K.

3. Joda rahalahin’i Jesosy, 65 A.K.

4. Ny apostoly Jaona, 96 A.K.

5. Gaio.—3 Jaona 1, 3-6.

6. Enoka.—Joda 14.