Baïkal Ilay Farihy Lalina Indrindra
Baïkal Ilay Farihy Lalina Indrindra
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ROSIA
HATRY ny ela ny foko mongol, any amin’ny faritra atsimon’i Siberia, no nanaja fatratra an’io farihy io. Maro ny farihy lehibe noho i Baïkal, nefa izy no lalina indrindra sy be rano indrindra. Nanana anarana maro izy io taloha, fa Baïkal izao no iantsoana azy. Voalaza fa midika hoe “Farihy Mangalahala” na “Ranomasina”, io anarana io. Indraindray aza ireo tantsambo dia mbola miteny hoe “ho eny an-dranomasina” rehefa ho eny amin’ilay farihy, satria “midadasika sy manonja” izy io.
Tena tian’ny Rosianina ny Farihin’i Baïkal. Niantso azy io hoe “feon-kira mahafinaritra nianaran’ny ankizy rehetra”, ny mpahay siansa iray avy any Moscou. Toy ireo naoty amin’ilay feon-kira ny lafiny mampiavaka azy io, anisan’izany ny morony mahavariana, ny ranony madio mangalahala, ary ireo zavamananaina isan-karazany ao anatiny, izay tsy hita na aiza na aiza.
Toy ny maso manga mitady hikimpy no fijery an’ilay farihy, avy eny ambony. Mirefy 636 kilaometatra ny lavany ary 80 kilaometatra ny sakany. Ao aminy avokoa ny ampahadimin’ny ranomamy eto an-tany. Na dia atambatra aza ny ranon’ireo farihy dimy lehibe any Amerika Avaratra, dia mbola kely raha oharina amin’ny ranony! Maherin’ny 1 600 metatra ny halalin’ny Farihin’i Baïkal. Eritrereto ange e! Raha ritra tampoka io farihy io, dia ny rano mikoriana ao amin’ireo renirano rehetra eran-tany, mandritra ny herintaona, vao hahafeno azy.
Kontinanta nifandona
Manazava ireo mpandinika ny nofon-tany fa nisy kontinanta salasalany nidona mafy tamin’i Azia, fahiny ela be. Nikarainkona ireo sosona vato lehibe tany ambanin’ny tany, vokatr’izany. Lasa nivohitra ny nofon-tany, ka nipoitra ny tandavan-tendrombohitr’i Himalaya. Mino ny olona sasany fa vokatr’ilay fifandonana no nampitatra ny tsefaka maro tany Siberia, anisan’izany ny tsefak’i Baïkal. Feno antsanga nentin’ny riaka avy tamin’ireo tendrombohitra nanodidina io tsefaka io, rehefa nandeha ny fotoana. Nahatratra 7 kilaometatra teo ho eo ny hatevin’ilay antsanga. Feno rano ilay tsefaka, tatỳ aoriana, ka lasa Farihin’i Baïkal. Renirano 300 mahery izao no mivarina ao, fa renirano iray ihany no mivoaka avy ao, dia ny Reniranon’i Angara.
Tsy toy ny ankamaroan’ireo farihy tranainy i Baïkal. Tsy tototry ny antsanga mihitsy izy na lasa heniheny. Nahoana? Mino ireo mpahay siansa fa mbola mitatra ilay tsefaka ao amin’io farihy io, satria mikisaka foana ny sosona nofon-tany ao ambaniny. Tsy tototra mihitsy àry ilay farihy, fa mihalalina isan-taona! Misy rano
mafana mifantsitsitra koa avy ao ambaniny, noho io fikisahan’ny nofon-tany io.Ny ao anatin’ilay farihy
Mampahatahotra ny olona sasany ny mandeha lakana eo amin’ny Farihin’i Baïkal, satria madio be ny ranony ka tazana ny hatrany amin’ny 50 metatra any ambany. Misy karazam-patsa faran’izay madinika atao hoe epischura ao. Ireny no manadio an’ilay rano tsy hisy ahidrano sy bakteria ka mahatonga azy hangalahala, tsy toy ny farihy maro. Misy karazana orana maro koa manadio ao, satria mihinana ny loto avy amin’ny zavamananaina. Tena madio àry ilay rano. Hita izany, 20 taona lasa teo ho eo, rehefa nakana rano tao amin’ilay farihy, mba hodinihina tany amin’ny laboratoara. Nahagaga fa ny vera nakana ilay rano indray no nandoto azy!
Be oksizenina koa ny Farihin’i Baïkal, fa tsy toy ny farihy lalina sasany. Tsy ampy oksizenina mantsy izy ireny raha vao any amin’ny lalindalina, ka mamonjy rano marivo ireo zavamananaina. Mitambolimbolina kosa ny rano ao amin’ny Farihin’i Baïkal, ka izany no mampisy oksizenina hatrany amin’ny fanambaniny. Feno zavamananaina àry ilay farihy manontolo.
Rakotra zavamaniry ny fanambanin’ilay farihy mangatsiaka sy madio. Miaro an’ireo zavamananaina bitika ao ny sponjy maitso misampantsampana toy ny vato harana. Mivangongo eny amin’ireo loharano mafana kosa ireo zavamananaina sy zavamaniry tia hafanana. Maherin’ny 2 000 ny zavamananaina sy zavamaniry ao amin’ilay farihy, ary tsy hita any amin’ny farihy hafa ny 1500 amin’ireo.
Mampahalaza ny Farihin’i Baïkal ny karazana trondro fotsy fahita any amin’ny Tendrontany Avaratra. Matsiro izy io, ka tian’ny mpanjono. Hafakely ny zavamananaina sasany ao amin’ilay farihy, ary sampontsampona mihitsy aza. Misy karazana kankam-pisaka mirefy 30 santimetatra mahery ao, ary mihinana trondro izy io. Ahitana zavamananaina tokantsela koa eny anelanelan’ny fasika. Mampiavaka an’ilay farihy koa ny golomyanka. Trondro hafakely izy io, ary ao Baïkal ihany no ahitana azy.
Tantera-pahazavana sy mamirapiratra io trondro kely io. Any akaikin’ny fanambanin’ilay farihy izy no mipetraka, ary miteraka fa tsy manatody. Tavy ny ampahatelon’ny vatany ary be vitaminina A. Mahatanty ny vesatry ny rano any amin’ny 200 ka hatramin’ny 450 metatra any ambanin’ny rano izy ireo. Levona anefa ny vatany raha vao tratran’ny masoandro, ka taolana sy tavy sisa no tavela. Tena tia mihinana golomyanka ny lambondriakan’i Baïkal. Ireo ihany no karazana lambondriaka velona an-dranomamy.
Rehefa miova ny fizaran-taona
Rakotra gilasy ny Farihin’i Baïkal, mandritra ny dimy volana isan-taona. Mahatratra iray metatra na maherin’izany ny hateviny, amin’ny faramparan’ny Janoary. Toy ny misy mitresatresaka ilay izy, ary manjelatra rehefa tarafin’ny hazavana. Toy ny hoe manify kely ilay gilasy, satria tazana avy eo amboniny ny harambato any amin’ny fanambanin’ilay farihy. Mafy toy ny vato anefa ilay izy. Zato taona lasa izay, dia nanamboatra lalamby teo ambonin’io farihy io ny Rosianina, tamin’ny ririnina, rehefa niady tamin’ny Japoney. Lamasinina 65 no afaka nandeha teo!
Mitresaka ireo gilasy, amin’ny faramparan’ny Aprily ka hatramin’ny Jona, ary mipoapoaka mafy. Tsy mitsahatra mihitsy ny feony, ka toy ny “feon-kira” efa mahazatra ny mponina any. Hoy i Gerald Durrell, mpandinika ny zavaboary: “Mikorintsana toy ny tapa-by mifandona [sy] toy ny feon-tsaka maromaro miraondraona” ny feon’ireo gilasy mitresaka. Rehefa mihamafana ny andro, dia atambatambatry ny rivotra sy ny onja ireo potika gilasy manjelanjelatra, ary atosiny eny amoron-drano.
Miverina ny vorona rehefa hita indray ny ranon’ilay farihy. Mandritra ny ririnina, dia mijanona eo amin’ny toerana ivoahan’ny Reniranon’i Angara ny vorona sasany, anisan’izany ny karazana sorohitra. Ny rano eo ihany mantsy no tsy lasa gilasy. Rehefa
mihamafana kosa ny andro, dia tonga eo amin’ilay farihy ny vorondrano hafa, toy ny ganaganadia, gisadia, vano, ary gisabe.Mety hahita orsa maromaro mihinana olitran-dalitra eny amoron-drano ny mpitsangantsangana eo amin’ilay farihy, rehefa volana Jona. Foy daholo mantsy amin’izay ny atodin-dalitra eny amin’ny harambato manodidina. Faly erỳ ireo orsa milelaka an’ireo olitra, ary tsy raharahainy akory ireo lalitra misamonimonina manodidina azy. Biby sy vorona maro no mirohotra eny, mba hankafy ilay sakafo.
Feno ahidrano ilay farihy, eo am-piandohan’ny lohataona sy fahavaratra. Sakafo ho an’ireo karazam-patsa madinika izy ireny, ary mahatonga ilay rano hanopy maitso. Manopy manga tanora anefa ilay rano, amin’ny ankapobeny, ary manga antitra toy ny ranomasina ny eny amin’ny faritra lalina.
Ahitana dongom-pasika sy harambato mijoalajoala eny amoron’i Baïkal. Misy helodrano sy tanjona tsara tarehy maro eo amin’ilay farihy. Rehefa mitazana avy eny ianao, dia mahita faritra midadasika toy ny “perla miloko malefaka”, araka ny nilazan’ny mpanoratra iray azy. Rano sy lanitra izay tazaninao rehetra, ary miovaova foana ny fahitana azy.
Matetika ilay farihy no misamboaravoara, amin’ny faramparan’ny taona. Misy rivo-mahery mantsy rehefa fararano, ary mitsoka eo amin’ilay farihy izany indraindray. Miteraka onja mahery sy avo be, mahatratra 4 ka hatramin’ny 6 metatra izany. Indraindray aza nisy rivotra nandrendrika sambo sy lakan’ny mpanjono.
Faritra manana endrika isan-karazany
Mangatsiaka be any Siberia, ka mety hisy hieritreritra fa tsy misy na inona na inona any akaikin’ny farihy mangatsiakan’i Baïkal. Be bibidia sy faritra tsara tarehy anefa any. Misy tendrombohitra mijoalajoala efatra manodidina an’ilay farihy. Monina eny amin’izy ireny ny serfa, sy ny osidian’i Siberia izay efa mitady ho lany tamingana.
Lemaka midadasika no eny amin’ny faritra iva. Ahitana voninkazodia maro ny sasany aminy, ka azo antsoina hoe zaridainan’i Siberia. Misy karazana vano kely sy karazana vorombola tsy fahita firy eny amin’ireo lemaka. Io karazana vorombola io no vorona lehibe indrindra any Azia.
Mampiavaka ny Farihin’i Baïkal ny alan-kesika matevina manodidina azy, antsoina hoe taiga. Indroan’ny haben’ny alan’i Amazonia any Brezila izy io. Mandray anjara lehibe amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny ala taiga, toy ny alan’i Amazonia ihany. Misy karazam-borona maro ao, anisan’izany ny karazana akoholahinala. Mahavariana ny fihetsik’izy ireo sy ny hirany rehefa hivady. Mpankao amin’ilay farihy koa ny ganakely tsara tarehin’i Baïkal (pejy 17).
Mampiavaka an’i Baïkal koa ilay biby mampinono mitovitovy amin’ny jaboady. Nohazaina be izy io taloha, noho ny volony mangirana. Soa ihany fa teo ireo mpiaro ny tontolo iainana, ka efa toy ny taloha indray izao ny isany. Natsangana teo amoron’ny Farihin’i Baïkal ny Tahirin-javaboarin’i Barguzin, tamin’ny 1916, mba hiarovana an’io biby tsara tarehy io. Misy tahirin-javaboary telo sy valan-javaboary telo azo tsidihina izao eny akaikin’ilay farihy.
Lalina tokoa ny asan’Andriamanitra
Neken’ny UNESCO ho Lova Iraisam-pirenena ny Farihin’i Baïkal. Toerana tian’ny mpizaha tany koa izy io. Olona 300 000 mahery avy any amin’ny tany samy hafa no tonga eto isan-taona. Hoy ny tatitra iray: “Toerana mahasarika ny mpandinika zavaboary i Baïkal ankehitriny, sady toerana tena tsara anaovana vakansy. Azo inoana fa ho lasa iray amin’ireo toerana tsara indrindra fanaovana vakansy any Azia i Baïkal, satria misy torapasika tsara tarehy, toerana mahafinaritra fandehandehanana sy fijerena vorona, ary ahafahana mitaingin-dakana.”
Toerana mety tsara hisaintsainana ny halehiben’ny asa famoronan’Andriamanitra sy ny fahendreny tsy hita fetra koa ny Farihin’i Baïkal. Misy zava-mitranga voajanahary ao, izay miantoka ny fiainan’ireo zavamananaina be dia be ao anatiny. Iza, ankoatra an’Andriamanitra, no ho afaka hamorona farihy tena mahavariana toy izany? Mety hitovy hevitra amin’ny mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly ianao, raha mijoro eo amoron’io farihy io. Hoy izy: “Lalina tokoa ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany!”—Romanina 11:33.
[Efajoro/Sary, pejy 16, 17]
LAMBONDRIAKA MONINA AN-DRANOMAMY
Ny lambondriakan’i Baïkal ihany no lambondriaka monina an-dranomamy. Misy an’aliny izy ireo, ary trondro no sakafony. Any afovoan’i Siberia ihany no ahitana azy, ary tsy tena fantatra ny fomba nahatongavany tany. Any amin’ny Oseana Arktika indray mantsy, izany hoe 3 220 kilaometatra eo ho eo miala avy eo, vao misy lambondriaka hafa.
Ny lambondriakan’i Baïkal no lambondriaka kely indrindra eto an-tany, satria 1,4 metatra ny lava indrindra. Fisaka ny tarehiny ary mifanakaiky kely eo ny masobeny. Matetika izy ireo no miara-mitanina andro eny ambony vato, ary tsy mifanaikitra sy mifanosika toy ny fanaon’ny ankamaroan’ny lambondriaka. Izy ireo angamba no lambondriaka tsara fanahy indrindra eto an-tany.
Hoy ny mpikaroka iray: ‘Misy karazana lambondriaka tsara fanahy any amin’ny Tendrontany Avaratra, nefa mbola malemy fanahy noho ireny ny lambondriakan’i Baïkal. Tsy manaikitra izy ireny rehefa samborina hanaovana fikarohana ara-tsiansa.’ Milaza ny rakipahalalana iray fa nisy mpanao antsitrika nahita lambondriaka natory. Nitantara izy ireo, fa tsy taitra ireo lambondriaka na dia nokasihiny sy navadibadiny aza.
[Sary nahazoan-dalana]
Dr. Konstantin Mikhailov/Naturfoto-Online
[Efajoro/Sary, pejy 18]
TOERANA NANAOVANA SESITANY
Vavolombelon’i Jehovah maro no tsy nampandefitra ny zavatra ninoany ka nalefa sesitany tany akaikin’ny Farihin’i Baïkal, nanomboka tamin’ny 1951 ka hatramin’ny 1965. Nentina tany Olkhon, nosy lehibe indrindra eo amin’ny Farihin’i Baïkal, ohatra, i Praskovya Volosyanko, tamin’ny 1951. Niaraka nanarato tamin’ny Vavolombelona hafa izy, mba hahazoana trondro hihazonany ny ainy. Nitady fomba “hanaratoana” olona koa anefa izy, ka nampiasa ny Baiboliny mba hitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ireo mponina tany Olkhon.
Nosamborina i Praskovya sy ny Vavolombelona enina hafa, tamin’ny 1953, noho izy ireo nitory. Voaheloka higadra 25 taona izy. Nanompo niaraka tamin’ny fiangonan’i Usol’ye-Sibirskoye, any amin’ny faritr’i Irkoutsk izy, rehefa nafahana. Nanompo tao foana io vehivavy kristianina io mandra-pahafatiny, tamin’ny 2005. Misy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah 30 eo ho eo izao, any amin’ny faritr’i Baïkal sy any amin’ny manodidina ny tanànan’i Irkoutsk.
[Sarintany, pejy 15]
(Jereo ny gazety)
ROSIA
Farihin’i Baïkal
[Sary, pejy 16, 17]
Farihin’i Baïkal sy ny Tendrombohitra Sayan
[Sary nahazoan-dalana]
© Eric Baccega/age fotostock
[Sary, pejy 17]
Ganakelin’i Baïkal
[Sary nahazoan-dalana]
Dr. Erhard Nerger/ Naturfoto-Online
[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]
Dr. Konstantin Mikhailov/Naturfoto-Online
[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]
© Eric Baccega/age fotostock; Boyd Norton/Evergreen Photo Alliance