Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Fiainana ve Aorian’ny Fahafatesana?—Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Misy Fiainana ve Aorian’ny Fahafatesana?—Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Misy Fiainana ve Aorian’ny Fahafatesana?—Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Tsy ampianarin’ny Baiboly ny zavatra maro inoan’ny olona, momba ny maty. Tsy marina, ohatra, ireto hevitra ireto:

◼ Mankany an-danitra daholo ny tsara fanahy.

◼ Mety ny mivavaka na mangata-pitahiana amin’ny razana.

◼ Afaka mampijaly na manampy ny velona ny maty.

◼ Manana fanahy tsy mety maty ny olona, teraka indray ka mahazo vatana hafa, mijalijaly any amin’ny afobe ny ratsy fanahy, ary ireo hevitra hafa mifandray amin’izany.

Mahafaly sy mampahery anefa izay ampianarin’ny Baiboly. Hazavaina amin’ny fomba tsotra izany, ato amin’ity boky aseho eto ity. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.