Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Matahotra ny ho Faty?

Nahoana Isika no Matahotra ny ho Faty?

Nahoana Isika no Matahotra ny ho Faty?

“Ny fahafatesana no mampahatahotra indrindra, satria vita hatreo ny fiainana.”—Aristote, filozofa grika.

MPIVAVAKA be sady nafana fo ny vehivavy iray. Nantsoin’ny olona hoe ‘andrin’ny fiangonana’ mihitsy izy. Nampianarina azy fa tsy tena mifarana ny fiainana rehefa maty ny olona, fa mbola mitohy any ankoatra. Lasa natahotra be anefa izy, rehefa fantany fa ho faty. Nitebiteby mafy izy, ka nanontany mpitondra fivavahana hoe: ‘Fa mankaiza marina ny maty e? Be loatra mantsy ny fampianarana momba izany, ka tsy fantatra intsony izay marina.’

Inona tokoa no marina? Saiky ny kolontsaina sy fivavahana rehetra mantsy no manaiky, fa mbola velona na mbola ho velona ny maty. Maro anefa no mihevitra fa tsy misy fiainana any ankoatra. Ary ianao? Nampianarina anao ve fa mbola velona any ankoatra ny maty? Mino izany ve ianao? Matahotra ny ho faty ve ianao?

Matahotra ny tsy hisy intsony

Betsaka ny zavatra atahoran’ny olona momba ny fahafatesana. Namoaka boky sy tatitra maro momba izany ny mpikaroka, tato anatin’ny taona vitsivitsy. Tsy te hieritreritra momba ny fahafatesana ny ankamaroan’ny olona, nefa tsy maintsy hieritreritra ihany, na ho ela na ho haingana. Mora maty mantsy ny olona. Maherin’ny 160 000 eo ho eo isan’andro no maty! Maro no matahotra satria mety ho faty avokoa ny olon-drehetra tsy an-kanavaka.

Samy manana ny atahorany ny olona: ao ny matahotra hoe hijalijaly vao ho faty, ao ny matahotra satria tsy fantany hoe ho lasa aiza izy rehefa maty. Misy koa matahotra sao ho faty ny fianakaviany, na sao hijaly ny havany sy ny namany raha maty izy.

Ny tena atahoran’ny olona anefa dia ny hoe tsy hisy intsony. Na inona na inona zavatra inoany, dia mitebiteby izy raha vao mieritreritra hoe ho vita hatreo ny fiainany. Manampy trotraka izany koa ny mpahay siansa. Saiky efa azo hazavaina ara-tsiansa avokoa izao ny fiasan’ny vatan’ny olombelona. Mbola tsy nisy mihitsy anefa manam-pahaizana nahita hoe misy zavatra tsy hita maso ao anatintsika, ka mbola velona rehefa maty ny vatana. Mpahay siansa maro àry no manazava fa ny fahafatesana dia hoe mijanona tsy miasa intsony fotsiny ny taova rehetra.

Tsy mahagaga raha misy olona maro miseho hoe tena mino ny fiainana any ankoatra, nefa any anatiny any izy matahotra ny tsy hisy intsony rehefa maty. Mampieritreritra ny tenin’i Solomona Mpanjaka fahiny momba ny fahafatesana. Mety hampahatahotra ny olona sasany anefa izany.

Ho lasa “vovoka” fotsiny ve?

Hoy i Solomona ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny, 3 000 taona lasa izay: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy. Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona.” Hoy koa izy: “Izay rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [na fasana] izay alehanao.”—Mpitoriteny 9:5, 6, 10.

Nilaza ihany i Solomona hoe: ‘Mitovy ihany ny mihatra amin’ny zanak’olombelona sy ny biby, fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa, ary tsy misy ihoaran’ny olona noho ny biby. Izy rehetra samy mankamin’ny fitoerana iray: avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray izy rehetra.’—Mpitoriteny 3:19, 20.

Tenin’Andriamanitra ireo, na dia i Solomona Mpanjaka aza no nanoratra azy. Porofoin’izy ireo sy ny andinin-teny hafa, fa tsy manana fanahy tsy mety maty isika, araka ny inoan’ny olona maro. (Genesisy 2:7; 3:19; Ezekiela 18:4) Midika ve izany fa ho lasa “vovoka” fotsiny ny olona rehefa maty, ary tsy ho hita intsony mandrakizay? Tsy izany mihitsy!

Marina fa tsy mampianatra ny Baiboly hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona. Manome fanantenana mazava sy azo antoka anefa izy io, ho an’ireo nodimandry. Tsy tokony hatahotra àry ianao hoe tsy ho velona intsony ny maty. Nahoana? Hanazava izany ny lahatsoratra manaraka.

[Efajoro, pejy 3]

FAHAVALO TSY AZO ANDOSIRANA

Fahavalon’ny olombelona ny fahafatesana, ary betsaka ny porofo momba izany. Tombanana ho 59 tapitrisa ny olona maty isan-taona, izany hoe 2 eo ho eo isan-tsegondra. Ireto misy tsipiriany vitsivitsy:

◼ Olona iray isaky ny 102 segondra no matin’ny ady.

◼ Olona iray isaky ny 61 segondra no maty nisy namono.

◼ Olona iray isaky ny 39 segondra no maty namono tena.

◼ Olona iray isaky ny 26 segondra no matin’ny lozam-pifamoivoizana.

◼ Olona iray isaky ny telo segondra no maty noana.

◼ Ankizy iray isaky ny telo segondra no maty, raha mbola latsaka ny dimy taona.

[Efajoro, pejy 4]

HERIM-PO VERY MAINA

Mpitrandraka varahina i James Kidd, 70 taona. Tsy hita popòka tao amin’ny tendrombohitr’i Arizona, Etazonia, izy tamin’ny 9 Novambra 1949. Nambaran’ny fitsarana, taona maro tatỳ aoriana, fa azo heverina hoe maty izy. Tamin’izay no hita ny didim-pananana nosoratany tamin’ny pensilihazo, ary vola sy taratasim-bola nitentina 250 000 dolara teo ho eo. Nantitranterin’i Kidd tao, fa hanaovana fikarohana ilay vola, mba hitadiavana “porofo ara-tsiansa hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona.”

Tsy ela taorian’izay dia nisy olona 100 mahery nitonona ho mpikaroka sy mpahay siansa, nangataka an’ilay vola. Maro be no nilaza fa manana fanahy tsy mety maty ny olona. Nodinihin’ny fitsarana nandritra ny volana maro ilay raharaha, ary nomena fikambanana malaza roa ilay vola. Efa 50 taona mahery izay no lasa, nefa mbola tsy hitan’ireo mpikaroka ireo ilay “porofo ara-tsiansa hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona.”