Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Tokony Hiaro ny Tontolo Iainana?

Nahoana Isika no Tokony Hiaro ny Tontolo Iainana?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Nahoana Isika no Tokony Hiaro ny Tontolo Iainana?

TENA manimba ny tany ny zavatra ataon’ny olona ankehitriny. Atahorana ny loza toy ny fiakaran’ny mari-panan’ny tany. Miezaka àry ny mpahay siansa sy mpitondra ary orinasa, mba hiarovana kokoa ny tontolo iainana.

Manana andraikitra hiaro ny tany koa ve isika tsirairay? Eny, ary manome ny anton’izany ny Baiboly. Hazavainy koa anefa fa misy fetrany ny ezaka tokony hatao.

Ezaka mifanaraka amin’ny fikasan’ny Mpamorona

Nataon’i Jehovah Andriamanitra zaridaina kanto ny tany, mba honenan’ny olona. Nilaza izy fa “tsara indrindra” ny asany rehetra, ary nasainy ‘niasa [ny tany] sy nitandrina azy’ ny olombelona. (Genesisy 1:28, 31; 2:15) Inona izao no tsapan’Andriamanitra rehefa mijery ny tany izy? Tena malahelo izy, satria tsy mikarakara azy io ny olona. ‘Handringana izay manimba ny tany’ izy, araka ny Apokalypsy 11:18. Tsy tokony hodian-tsy hita àry ny olana momba ny tontolo iainana.

Manome toky antsika ny Baiboly fa haverin’Andriamanitra amin’ny laoniny izay rehetra nosimban’ny olona. ‘Hataony vaovao [mantsy] ny zava-drehetra.’ (Apokalypsy 21:5) Tsy tokony hihevitra anefa isika hoe tsy maninona izay ataontsika, satria efa hanao izany ihany Andriamanitra. Ahoana àry no anehoantsika fa mitovy amin’ny an’Andriamanitra ny fiheverantsika ny tany? Manao zavatra mifanaraka amin’ny fikasany hanova azy io ho paradisa ve isika?

Ataovy ny anjaranao

Miteraka loto sy fako ny zavatra fanaon’ny olona andavanandro. Hendry anefa i Jehovah ka namorona tsingerina voajanahary, mba hanadio ny rivotra sy ny rano ary ny tany. (Ohabolana 3:19) Tokony hifanaraka amin’izany koa ny ataontsika. Mitandrema àry mba tsy handoto tsy amin’antony ny tontolo iainana. Tia ny namantsika tahaka ny tenantsika isika raha manao izany. (Marka 12:31) Diniho ny ohatra iray tamin’ny andron’ny Baiboly.

Nandidy ny Israelita Andriamanitra, mba handevina ny fivalanan’izy ireo ‘tany ivelan’ny toby.’ (Deoteronomia 23:13, 14) Voaro tamin’ny aretina izy ireo noho izany, sady levona haingana ny loto. Miezaka koa ny tena Kristianina mba hanary haingana ny fako sy ny loto hafa, ary ataony araka ny tokony ho izy izany. Mila mitandrina kokoa isika rehefa manary fako misy poizina.

Maro ny fako mbola azo ampiasaina na avadika ho zavatra hafa. Raha mandidy ny hanaovana izany ny fanjakana dia tokony hankatò isika, ka hanome ‘an’i Kaisara izay an’i Kaisara.’ (Matio 22:21) Mety hitaky ezaka ilay izy, kanefa izany no hanehoantsika fa irintsika hadio ny tany.

Aza lanilanina ny harena voajanahary

Tena ilaina eo amin’ny fiainana ireo harena voajanahary. Tsy maintsy mampiasa azy ireny isika mba hahazoana sakafo sy trano ary solika. Avy amin’Andriamanitra izy ireny, ka tokony hampiasaintsika tsara. Te hihinan-kena, ohatra, ny Israelita tany an-tany efitra, ka nomen’i Jehovah papelika be dia be. Nanararaotra izany anefa izy ireo satria tia tena sy tsy nety afa-po, ka tezitra mafy i Jehovah Andriamanitra. (Nomery 11:31-33) Mbola mahatezitra an’Andriamanitra foana ny zavatra toy izany. Tsy mandanilany ny harena voajanahary àry ny Kristianina matotra, satria mety hidika izany fa tsy mety afa-po izy.

Mety hihevitra ny olona sasany fa zony ny mampiasa angovo na harena voajanahary hafa araka izay tiany. Tsy tokony handanilany azy ireny anefa isika, satria fotsiny hoe betsaka ilay izy na voavidin’ny volantsika. Nanao fahagagana i Jesosy indray mandeha, ka nanome trondro sy mofo ho an’ny vahoaka maro be. Nasainy nangonina ny sisa tsy lany. (Jaona 6:12) Tsy tiany ho verivery fotsiny mantsy izay nomen’ny Rainy.

Mahaiza mandanjalanja

Misy vokany eo amin’ny tontolo iainana izay ataontsika isan’andro. Tokony hiala amin’ny fiaraha-monina ve anefa isika, mba tsy hanimbana ny tontolo iainana? Tafahoatra indray izany, ary tsy ampirisihan’ny Baiboly mihitsy. Diniho ny ohatr’i Jesosy. Niaina toy ny olon-drehetra izy tetỳ an-tany, ary afaka nanao ny asa fitoriana nanirahan’Andriamanitra azy. (Lioka 4:43) Tsy nanao politika koa izy mba hamahana ny olana nisy tamin’izany. Nilaza mazava izy hoe: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako.”—Jaona 18:36.

Tokony handinika ny vokany eo amin’ny tontolo iainana àry isika, rehefa hividy fitaovana sy hifidy fialam-boly na fitaterana. Misy, ohatra, mividy fitaovana tsy dia manimba ny tontolo iainana. Ny hafa indray miezaka mampihena ny fandotoana, na tsy mandanilany ny harena voajanahary.

Aza terena hanaraka ny hevitrao anefa ny hafa. Tsy mitovy mantsy ny toe-javatra misy ny tsirairay sy ny zava-misy eo an-toerana. Na izany aza, dia mbola hampamoahina amin’izay ataontsika isika rehetra. “Samy hitondra ny entany avy mantsy ny tsirairay”, hoy ny Baiboly.—Galatianina 6:5.

Nasain’ny Mpamorona nikarakara ny tany ny olombelona. Hanao safidy tsara isika raha mankasitraka izany. Ho hita koa fa manetry tena isika, ary manaja an’Andriamanitra sy ny zavatra noforoniny.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Handamina ireo olana momba ny tontolo iainana ve Andriamanitra?—Apokalypsy 11:18.

◼ Inona no andraikitra nomen’Andriamanitra ny olombelona, momba ny tany?—Genesisy 1:28; 2:15.

◼ Inona no ohatra navelan’i Jesosy, ka manampy antsika tsy handanilany foana?—Jaona 6:12.