Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Nisy “167 ny mpanao gazety sy ny mpiara-miasa aminy [toy ny mpamily sy mpandika teny] maty teo am-perinasa”, tamin’ny 2006. Nampita vaovao momba ny heloka bevava, tsolotra, na ady ny ankamaroan’izy ireo. Maty novonoin’olona ny 133 taminy.—INTERNATIONAL NEWS SAFETY INSTITUTE, BELZIKA.

Bala 10 000 tapitrisa ka hatramin’ny 14 000 tapitrisa no vokarina isan-taona. “Ampy hamonoana ny indroan’ny mponina eto an-tany” izany.—ROYAL MELBOURNE INSTITUTE OF TECHNOLOGY, AOSTRALIA.

Horohoron-tany Ataon’ny Olona Ve?

Milaza ny gazety alemà Die Zeit, fa ny zavatra ataon’ny olona no nahatonga ny horohoron-tany mafy 200 mahery, nanomboka tamin’ny taonjato faha-19. Vokatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ny 100 mahery tamin’ireo. Teo koa ny fitrandrahana gazy na solitany na rano any ambanin’ny tany, ny fitehirizana ranon-javatra ao anaty lavaka lalina, ary ny fanamboarana farihy lehibe. Lazain’ny mpahay siansa fa ny fitrandrahana arintany no nahatonga an’ilay horohoron-tany tany Newcastle, tamin’ny 1989. Olona 13 no maty vokatr’izy io, 165 no naratra, ary nitentina 7 tapitrisa tapitrisa ariary teo ho eo ny tokom-bidin’ny zavatra simba. Be lavitra izany, raha oharina amin’ny vola azo avy tamin’ny fitrandrahana arintany tao, hatramin’ny 200 taona nisiany.

Katolika any Frantsa

Nilaza ho Katolika ny 67 isan-jaton’ny olona any Frantsa, tamin’ny 1994. Lasa 51 isan-jato sisa izany ankehitriny, hoy ny gazety Le monde des religions. Hita tamin’ny fanadihadiana fa tsy miangona mihitsy ny antsasaky ny Katolika any Frantsa, afa-tsy amin’ny fotoana manokana toy ny fampakaram-bady. Milaza ho mahay tsy an-jery ny Rainay Izay any An-danitra ny 88 isan-jaton’izy ireo, nefa tsy mivavaka mihitsy ny 30 isan-jatony. Efa ho ny antsasaky ny tokantrano katolika no manana Baiboly, nefa tsy midika izany hoe vakiny ilay izy.

Ankizy Votsa Vava

Hoy ny gazety poloney Wprost: ‘Mihabetsaka ny ankizy tara vao mahay miteny sady tsy manana voambolana firy, satria tsy iresahan’ny olon-dehibe.’ Amin’ny ankapobeny, dia antsasak’adiny isan’andro ny reny no miaraka amin-janany, ary “fito minitra monja” ny ray. Efa ho 1 isaky ny 5 àry ny ankizy “votsa vava, ka ny tsirambina ataon’ny ray aman-dreny no tena antony.” Hoy i Michał Bitniok, manam-pahaizana momba ny teny sy mpitsabo momba ny fahaiza-miteny, ao amin’ny Oniversiten’i Silezia: “Raha tsy voatsabo haingana sy karakaraina tsara ireny ankizy ireny, dia hisy vokany ratsy eo amin’ny fianarany sy ny fiainany any aoriana ny tsy fahaizany miteny tsara.”

Tetika Iarovana ny Tanim-panjakana

Olana lehibe any Japon ny fanarian’ny olona fako eny amin’ny tanim-panjakana. Amin’ny alina izy ireo no manao izany, ka tsy tratran’ny mpanara-maso. Manangana torii eny amin’ireny toerana ireny àry ny fitondram-panjakana mba hisorohana izany. Vavahady hazo menamena toy ny fidirana ao amin’ny toerana masin’ny Shintoista izy io. Hoy ny gazety IHT Asahi Shimbun: “Tsotra ilay hevitra. Inoan’ny ankamaroan’ny olona fa masina ny torii, ka mety hiharam-pahavoazana izay manary fako eny akaikiny.” Tsy manary fako eny akaikin’ny torii intsony àry ny olona. “Vao miala lavidavitra [an’ilay torii] anefa dia efa misy manary fako indray”, hoy ilay gazety.