Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka 120 Taona Mahery vao Tonga

Afaka 120 Taona Mahery vao Tonga

Afaka 120 Taona Mahery vao Tonga

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA

TAMIN’NY 3 Febroary 2004 no nahavita ny diany voalohany namakivaky an’i Aostralia, ilay lamasinina atao hoe Ghan. (Jereo ny efajoro hoe “Ny Dikan’ilay Anarana”, pejy 25.) Olona an’arivony no faly nitsena azy io teo amin’ny Garan’i Darwin, tanàna vitsy mponina any amin’ny Faritany Avaratra. Mirefy 1,1 kilaometatra eo ho eo izy io. Roa andro no anaovany an’ilay lalana 2 979 kilaometatra, avy any atsimo mianavaratra.

Nirohotra teo amin’ny sisin’ny lalamby ireo olona 2 000 mahery, mba haka sary. Tsy maintsy nandeha mora àry ilay lamasinina rehefa niditra tao Darwin, ka tara antsasak’adiny. Tsy nisy nimenomenona anefa. Efa zato taona mahery mantsy ny olona no nanantena hoe mba hisy lamasinina ho tonga any. Efa 126 taona vao vita ny lalamby mampitohy an’i Adélaïde sy Darwin. Faritra anisan’ny maina sy mafana ary mitokana indrindra no andalovan’izy io.

Naniry hahazo lamasinina

Eo amin’ny morontsiraka atsimon’i Aostralia ny tanàna kelin’i Adélaïde. Mba naniry hanao lalana tsara mankany amin’ny faritra avaratra ny mponina tao, taloha kelin’ny 1880. Te hampandroso ny varotra tao koa izy ireo. Vao nahavita lalamby lavabe i Etazonia, tamin’ny 1869. Tian’ny mponin’i Adélaïde koa àry raha mba nisy lalamby niala teo aminy nankany Darwin, na Port Darwin tamin’izany. Ho afaka hankany afovoan-tany ny olona amin’izay, ary ho vetivety kokoa ny mankany Azia sy Eoropa.

Sarotra tanterahina anefa izany. Havoana be vato sy tandavan-tendrombohitra mantsy no tsy maintsy handalovana, ary koa kirihitra matevina sy tany efitra be fasika sy vato. Lasa honahona koa ny faritra sasany, na misy tondra-drano be rehefa avy ny orana. Nandeha tamin’io lalana sarotra io i John Stuart, mpikaroka tany vaovao, sy ny namany. Nanandrana intelo izy ireo vao nahavita izany tamin’ny 1862, nefa saika maty satria tsy nisy sakafo sy rano.

Hafanam-be sy fasika ary tondra-drano

Tsy kivy ny mponin’i Adélaïde, na be aza ny vato misakana. Nanomboka nanao lalamby hatrany Port Augusta ireo mpiasa 900, tamin’ny 1878. Fitaovana tsotra sy soavaly ary rameva no nampiasainy. Nataony nanaraka an’ireo lalana efa nisy ilay lalamby, ary namakivaky ny Tandavan-tendrombohitra Flinders. Nampandalovina teo amin’ilay faritra tokana misy rano ilay izy, satria mila rano ny lamasinina.

Roa taona sy tapany vao vita ny lalamby 100 kilaometatra voalohany. Nahatratra 50 degre indraindray ny hafanana, ka vakivaky ny hohon’ny mpiasa, ary nivilambilana ny lalamby. Vao avy atsoboka ao anaty ranomainty ny penina dia maina, raha mbola tsy anoratana akory. Imbetsaka ny lamasinina no tafala amin’ny lalamby. Rehefa misy tadio mitondra fasika koa, dia tsy maintsy manala fasika maherin’ny roa metatra ambonin’ny lalamby ny mpiasa. Matetika anefa no miampy indray ny fasika, ka tsy afa-manoatra izy ireo.

Indraindray koa avy tampoka ny orana. Ao anatin’ny minitra vitsy dia tondraka ny renirano, nefa ritra teo aloha. Paohin’ny rano àry ny lalamby, nefa volana maro no nanaovana azy. Mihitsoka eo ny lamasinina sy ny mpandeha. Nihaza osidia ny mpamily iray mba hohanin’ny mpandeha. Nisy lamasinina tavela koa, taona maro tatỳ aoriana, ka nalatsaka tamin’ny elon’aina ny sakafo.

Velona indray ny zavamaniry any an-tany efitra aorian’ny orana, ka misarika bibikely be dia be. Indray mandeha dia feno valala ny lalamby, ka voahitsaky ny lamasinina. Lasa nihisatra be àry ilay izy, ka tsy maintsy nampiana lohany iray mba hanosika ny vagao. Loza koa ny nataon’ny andiam-boalavo! Nohaniny daholo izay azo nohanina, toy ny sakafo, labasy, entana vita amin’ny hodi-biby, ary na kiraro aza. Nisy valanaretina tefoedra koa taloha, satria tsy ara-pahasalamana ny tobin’ireo mpiasa. Misy toerana mitokana natao fandevenana àry eo akaikin’ny lalamby.

Matetika ireo mpiasan’ny lamasinina no nanao sangy mahery, rehefa te hiala voly. Nirongatra be, ohatra, ny bitro tany Alice Springs. Nisy nanafina bitro àry tao anaty lamasinina. Taitra ny mpandeha nony ampitso maraina, rehefa nanokatra ny efitra nisy azy. “Feno bitro nitsoriadriaka” mantsy ny lalantsara, hoy ny boky iray. Indray mandeha koa dia nisy nampiditra kangoroa kely tao amin’ny vagao fatoriana, ka nitsambikimbikina tao ilay izy.

Nitazana ireo tompon-tany rehefa nandalo ny lamasinina. Nijanona lavidavitra anefa izy ireo satria natahotra. Gaga izy ireo nahita olona tao anatiny. Nisy aza nihevitra mihitsy fa “bibilava ngezabe nalefan’ny devoly” ilay lamasinina, ary olona nateliny ireo mpandeha!

Ela be vao nitohy ilay asa

Niasa mafy nandritra ny 13 taona ny mpanao lalamby. Lany anefa ny vola, ka tsy vita ny 470 kilaometatra hatrany Alice Springs. Hoy ny gazetiboky Jeografian’i Aostralia (anglisy): “Be loatra ny vola nilaina ... ka tsy araky ny fokonolona.” Noraisin’ny fanjakana an-tanana àry ilay asa tamin’ny 1911, ka vita hatrany Alice Springs. Nahemotra anefa ny tetikasa hanohizana azy io hatrany Darwin, izay 1 420 kilaometatra any avaratra.

Tamin’ny 1929 no tonga voalohany tany Alice Springs ny lamasinina Ghan. Nitsena azy io daholo ny olona, izay nisy 200 teo ho eo, ary nanao fety. Gaga izy ireo nahita vagao natao hotely fisakafoana. Ny efitra fandroana anefa no tena nahaliana azy ireo satria tsara be. Mbola lafo sy vitsy mpanana koa ireny koveta be fandroana ireny, tamin’izany. Tao Alice Springs foana no faran’ny lalamby tany avaratra, hatramin’ny 1997. Tamin’izay vao nanaiky hamita ny lalamby hatrany Darwin ny fanjakana. Nanomboka tamin’ny 2001 ilay asa.

Arivo tapitrisa dolara teo ho eo no vidin’ilay lalamby. Milina ngezabe no nametraka azy io, ka 1,6 kilaometatra isan’andro no vita. Tetezana 90 mahery no namboarina, sady natao mahatanty tondra-drano. Vita tamin’ny Oktobra 2003 ilay lalamby 1 420 kilaometatra. Io no voalaza fa “asa fanorenana lehibe indrindra teto Aostralia.” Vita talohan’ny fotoana izy io, sady kely kokoa noho ny noeritreretina ny vola lany.

Mahafinaritra ny dia

Efa maoderina izao ny any Adélaïde, ary ao no miainga ny lamasinina Ghan. Tolakandro foana no fandehanany, ary vagao 40 eo ho eo no tarihin’ireo lohany roa. Miolikolika mandalo saha misy varimbazaha aloha ilay izy. Miova tanteraka anefa ny zavatra tazana manomboka ao Port Augusta, efa ho 300 kilaometatra any avaratra. Fasika sy voninkazodia ary kirihitra no mameno ny tampon-tanety, hatrany amin’ny faravodilanitra.

Lalana vaovao 250 kilaometatra kosa no andehanan’ny lamasinina Ghan, aorian’izay. Eo andrefan’ilay lalamby simban’ny tondra-drano taloha izy io, ary mahatanty ny toetrandro rehetra. Mandalo an’ireo farihy masira any an-tany efitra ny lamasinina rehefa alina. Ritra izy ireny matetika, fa rehefa avy ny orana vao misy rano, ka mamiratra erỳ tarafin’ny volana. Feno kintana koa ny lanitra. Tsy misy intsony koa ilay feo mitsitaitaika amin’ny lalamby iny, satria natohy lavabe ilay izy mba ho mora kojakojaina.

Mamiratra toa mivolombolamena ny tany efitra akaikin’i Alice Springs, rehefa tarafin’ny masoandro vao miposaka. Hoy ny mpandeha iray: “Tena kanto izay jerena! Ao anaty lamasinina aho, nefa tsapako ny herin’ny masoandro, izay manazava sy manome loko ny tany efitra. Mahasondriana nefa mampahatahotra ilay izy, satria tsy tazana mihitsy ny farany. Kely erỳ ianao eo amin’ilay tany foana midadasika.”

Lamasinina nitondra fandrosoana

Mijanona kely ao Alice Springs ny lamasinina, ny tolakandro, ary mandalo ao Katherine, vao mihazo an’i Darwin, gara farany. Hoy i Larry Ierace, izay niandraikitra ny dia voalohany: ‘Miadana erỳ ny mpandeha amin’ny lamasinina Ghan.’ Misy fampangatsiahana rivotra mantsy ireo vagao. Rehefa mitazana eo am-baravarankely ny mpandeha, dia mety handalo ao an-tsainy ihany ny loza sy vato misakana natrehin’ireo mpanao lalamby voalohany.

Nampandroso ny varotra ilay lalamby, izay anisan’ny lava indrindra eran-tany. Lasa nahita ny fiainana maoderina koa ny tany ambanivohitra be. Hoy, ohatra, ny ankizivavy tompon-tany iray 19 taona, rehefa nitsena an’ilay lamasinina tamin’ny Febroary 2004: “Izay aho vao mba nahita lamasinina. Tsara be ilay izy.”

[Efajoro/Sary, pejy 25]

Ny Dikan’ilay Anarana

Fanafohezana an’ilay anarana hoe The Afghan Express ny hoe Ghan. Misy ifandraisany amin’ireo mpitondra rameva avy any Afghanistan izy io, fa tsy hay izay nahatonga izany. Ireo mpifindra monina matanjaka ireo anefa no tonga ao an-tsaina amin’ilay anarana. Izy ireo mantsy no mba tonga tany ambanivohitra lavitra. Avy any Afghanistan no ahafantarana azy ireo, na dia maro aza no avy any Béloutchistan, Ejipta, Inde Avaratra, Pakistan, Persa, ary Torkia.

Ny rameva no fitaovam-pitaterana taloha. Raha tiana hipetraka na hitsangana izy ireo, dia atao hoe “Hooshta!” Rameva 70 mahery no indray niaraka, nitondra olona sy entana. Tsy niovaova ny hafainganam-pandehany, fa enina kilaometatra eo ho eo isan’ora. Tsy nilaina intsony ny rameva rehefa nisy ny lamasinina sy fiara. Nalefan’ny tompony àry izy ireny, ka lasa mirenireny any afovoan’i Aostralia. Ana hetsiny izao ny taranak’izy ireo.—Jereo ny Mifohaza! (frantsay) 8 Aprily 2001, pejy 16-17.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

Northern Territory Archives Service, Joe DAVIS, NTRS 573

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Lamasinina: Great Southern Railway