Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Amaritana ny Datin’ireo Soratra Natao Tanana Fahiny?

Ahoana no Amaritana ny Datin’ireo Soratra Natao Tanana Fahiny?

Ahoana no Amaritana ny Datin’ireo Soratra Natao Tanana Fahiny?

NITSIDIKA ny monasiteran’i Masimbavy Catherine ilay manam-pahaizana momba ny Baiboly atao hoe Konstantin von Tischendorf, tamin’ny 1844. Eo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay, any Ejipta, no misy azy io. Nikaroka tao amin’ny fitehirizam-boky tao i Tischendorf, ka nahita taratasy nahaliana, vita tamin’ny hoditra sady nosoratana tanana. Manam-pahaizana momba ny sora-tanana fahiny * izy, ka fantany fa ireo taratasy ireo dia takelaka avy tamin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo (Soratra Hebreo na “Testamenta Taloha” voadika amin’ny teny grika). Hoy izy: ‘Mbola tsy nahita zavatra azo heverina ho tranainy noho ireo taratasy ireo aho.’

Fantatra fa tamin’ny taonjato faha-4 no nanoratana an’ireo taratasy ireo. Anisan’ny boky sora-tanana tranainy nomena anarana hoe Codex Sinaiticus izy ireo. Ankoatra an’io kôdeksa io, dia mbola misy soratra natao tanana fahiny an’arivony, mirakitra ny Soratra Hebreo sy Soratra Grika. Tahirim-pahalalana lehibe azon’ny manam-pahaizana dinihina tokoa ireo.

Ny nanombohan’ny fandinihana ny sora-tanana grika fahiny

Moanina benediktinina atao hoe Bernard de Montfaucon (1655-1741) no namorona fomba maty paika handinihana ny sora-tanana grika fahiny. Nisy manam-pahaizana hafa koa tatỳ aoriana namoaka ny vokatr’izay fikarohana nataony. Asa goavana no nataon’i Tischendorf. Nataony lisitra ireo Baiboly sora-tanana grika tranainy indrindra, tany amin’ireo tranomboky nanerana an’i Eoropa. Nivezivezy imbetsaka tany Ejipta sy ny manodidina koa izy, nandinika lahatsoratra tranainy be dia be, ary nampahafantatra ny vokatry ny fikarohana nataony.

Nahazo fitaovana hafa ny manam-pahaizana, tamin’ny taonjato faha-20. Anisan’izany ilay lisitra nataon’i Marcel Richard, izay misy fizarana 900 eo ho eo, ary mitanisa asa soratra grika tranainy 55 000. Baiboly ny sasany amin’ireo, ary zavatra hafa ny sasany. Avy amin’ny tranomboky sy olon-tsotra 820 izy ireo. Manampy amin’ny fandikan-teny izany rehetra izany, sady manampy ny manam-pahaizana hamaritra amin’ny fomba marina kokoa ny daty nanoratana ny asa soratra fahiny.

Ahoana no hamantarana ny daty?

Eritrereto hoe manadio trano tranainy be ianao, ka mahita taratasy tonta efa nihamavo. Nosoratana tanana ilay izy, ary tsy misy daty. Mieritreritra ianao hoe: ‘Oviana re izy ity no nosoratana e?’ Kanjo mbola mahita taratasy hafa efa tonta indray ianao. Mitovy amin’ny ao amin’ilay voalohany ny fomba nanoratana azy, ny endriky ny soratra, ny mari-piatoana, ary ny zavatra hafa. Misy daty anefa eo amin’ilay izy, ka faly erỳ ianao! Marina fa tsy fantatrao ny taona nanoratana an’ilay taratasy voalohany. Azonao atao anefa izao ny maminavina hoe tokotokony ho oviana no nanoratana azy, rehefa mandinika an’ilay taratasy faharoa ianao.

Tsy voasoratra eo amin’ny ankamaroan’ireo Baiboly nadika tanana ny daty nahavitana azy. Azo fantarina ihany anefa hoe tokotokony ho oviana no nanoratana azy, rehefa ampitahaina amin’ny soratra hafa ilay izy. Mampiasa asa soratra tranainy misy daty ny manam-pahaizana mba hamaritana an’izany fotoana izany. Ampitahain’izy ireo ny endriky ny soratra, ny mari-piatoana, ny fanafohezan-teny, sy ny zavatra hafa. Marihina fa efa an-jatony izao ny soratra misy daty toy ireo. Amin’ny teny grika izy ireny, ary teo anelanelan’ny taona 510 sy 1593 no nanoratana azy.

Tena manampy ny endriky ny soratra

Sokajin’ny manam-pahaizana ho karazany roa ny sora-tanana grika fahiny. Ny iray mitovy amin’ny sora-pirinty, ary fampiasa amin’ny taratasy ofisialy. Ny iray kosa, soratana mitambatra ny litera ao aminy. Fampiasa amin’ny zavatra hafa ankoatra ny asa soratra izy io. Nampiasa karazana litera samihafa koa ireo mpanao dika soratra grika. Anisan’izany ny sora-baventy, ny sora-baventy boribory, ny sora-madinika, ary ny sora-madinika ahitana litera mitambatra. Nampiasaina nanomboka tamin’ny taonjato faha-4 T.K. ka hatramin’ny taonjato faha-8 na faha-9 A.K. ny sora-baventy boribory miendrika sora-pirinty. Sora-madinika miendrika sora-pirinty kosa no nampiasaina nanomboka tamin’ny taonjato faha-8 na faha-9 ka hatrany antenatenan’ny taonjato faha-15. Nanomboka teo ny fanaovam-pirinty tamin’ny lohavỳ tany Eoropa. Haingana kokoa ny fanoratana sora-madinika sady mifanety, ka afaka nitsitsy fotoana sy taratasy ny mpanao dika soratra.

Marina fa samy manana ny fomba famaritany ny datin’ny asa soratra ny manam-pahaizana. Izao anefa matetika no fanaon’ny ankamaroan’izy ireo: Jereny amin’ny ankapobeny fotsiny aloha ilay soratra, ary avy eo dinihiny akaiky kokoa, ka jereny tsirairay ny litera. Tsy misy fiovana lehibe eo amin’ny fomba fanoratra, raha tsy aorian’ny fotoana lavalava ihany. Ny hany azon’ny manam-pahaizana fantarina avy amin’ny fandinihana an’ireny soratra fahiny ireny àry, dia hoe tokotokony ho oviana no nanoratana an’ilay izy.

Soa ihany fa misy fomba hafa ahafahana mamaritra tsara kokoa an’ilay daty. Anisan’izany ny fandinihana raha nisy fomba fanoratra vaovao nampiasaina, sy hoe oviana ilay izy no nampiasaina voalohany. Hita fa nihabetsaka, ohatra, ny litera miraikitra (toy ny œ) nampiasain’ny mpanao dika soratra, taorian’ny taona 900. Nihabetsaka koa ny litera misy rambony sy ny mari-panononana.

Mazàna no tsy miova firy ny sora-tanan’ny olona mandritra ny 50 taona. Matetika àry no tsy azo atao ny mamaritra daty hentitra ao anatin’io fe-potoana io. Naka tahaka ny asa soratra tranainy koa ny mpanao dika soratra sasany, ka lasa toy ny hoe tranainy kokoa ilay soratra nataony. Na maro toy izany aza anefa ny vato misakana, dia fantatra ihany ny daty nanoratana an’ireo Baiboly nadika tanana malaza indrindra.

Daty nanoratana ny Baiboly sasany nadika tanana

Amin’ny Baiboly nadika tanana malaza indrindra, dia ny Codex Alexandrinus no voalohany navela hodinihin’ny manam-pahaizana. Ao amin’ny Tranomboky Britanika no misy azy io izao. Hita ao amin’izy io ny ankamaroan’ny boky ao amin’ny Baiboly. Sora-baventy boribory no ao anatiny, ary vita amin’ny hodi-biby ny taratasy nanaovana azy. Hita fa tany am-piandohan’ny taonjato faha-5 no nanoratana an’io kôdeksa io. Izany no izy satria niova ny endrik’ilay sora-baventy boribory teo anelanelan’ny taonjato faha-5 sy faha-6, araka ny hita avy amin’ny Dioscoride de Vienne. *

Ny Codex Sinaiticus no faharoa. Izy io ilay azon’i Tischendorf tao amin’ny monasiteran’i Mb. Catherine. Taratasy vita amin’ny hodi-biby koa no nanaovana azy, ary sora-baventy boribory ny ao anatiny. Hita ao amin’izy io ny ampahany amin’ny Soratra Hebreo avy amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo, ary ny Soratra Grika Kristianina manontolo. Any Leipzig (Alemaina) ny takelaka 43 amin’izy io. Any amin’ny Tranomboky Britanika (Londres) ny takelaka 347, ary any Saint-Pétersbourg (Rosia) ny ampahany amin’ny takelaka 3. Fantatra fa tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-4 no nanoratana an’ilay kôdeksa. Manamarina izany ireo tabilao ao amin’ny Filazantsara ao anatiny. Velona tamin’ny taonjato faha-4 mantsy i Eusèbe avy any Kaisaria, ilay mpahay tantara nanoratra an’ireo tabilao ireo. *

Ny Codex Vaticanus No. 1209 no fahatelo. Hita tao amin’izy io tamin’ny voalohany ny Baiboly manontolo amin’ny teny grika. Tamin’ny taona 1475 izy io no hita voalohany tao amin’ny lisitr’ireo boky ao amin’ny Fitehirizam-bokin’i Vatikana. Sora-baventy boribory ny ao anatiny. Misy takelaka 759 izy io, ary vita amin’ny hodi-biby ny taratasy nanaovana azy. Saika ny ankamaroan’ny boky ao amin’ny Baiboly no hita ao amin’izy io ankehitriny. Tsy hita ao kosa ny ampahany betsaka amin’ny Genesisy sy ny ampahany sasany amin’ny Salamo sy ny Soratra Grika Kristianina. Milaza ny manam-pahaizana fa tany am-piandohan’ny taonjato faha-4 no nanoratana azy io. Ahoana no nahafantaran’izy ireo izany? Satria ny soratra ao anatiny dia mitovitovy amin’ny soratra ao amin’ny Codex Sinaiticus, izay nosoratana tamin’ny taonjato faha-4 koa. Heverina ho tranainy kokoa anefa ny Codex Vaticanus. Misy zavatra sasany tsy hita ao amin’izy io mantsy, toy ireo tabilao nataon’i Eusèbe.

Zava-tsarobidy tao anaty fako

Nahazo taratasy papyrus maromaro ny Tranomboky John Rylands, any Manchester (Angletera), tamin’ny taona 1920. Vao nofongarina tao anaty toerana fanariam-pako fahiny tany Ejipta izy ireo. Rehefa nandinika an’ireo zavatra hita ireo ilay manam-pahaizana atao hoe Colin Roberts, dia nahita taratasy sy rosia ary tatitra momba ny fanisam-bahoaka. Nisy soratra fantany teo amin’ny sombin-taratasy iray. Andinin-teny avy tao amin’ny Jaona toko faha-18 no tao amin’ilay izy. Io no tranainy indrindra amin’ny Soratra Grika Kristianina fantatra tamin’izany fotoana izany.

Nomena anarana hoe Papyrus John Rylands 457 (P52) io sombin-taratasy io. Sora-baventy boribory ny ao anatiny, ary heverina fa tany am-piandohan’ny taonjato faha-2 no nanaovana azy, izany hoe am-polony taona vitsivitsy taorian’ny nanoratana ny Filazantsaran’i Jaona! Tsara homarihina fa saika mitovy tanteraka amin’izay voalaza ao amin’ny Baiboly nadika tanana hita tatỳ aoriana be, ny andinin-teny ao amin’ilay sombin-taratasy.

Araka ny marina na dia tranainy aza!

Niresaka momba ny Soratra Grika Kristianina Atoa Frederic Kenyon, ao amin’ilay bokiny hoe Ny Baiboly sy ny Arkeolojia (anglisy). Hoy izy: “Ela ny ela ka voaporofo hoe araka ny marina ireo boky ao amin’ny Testamenta Vaovao, sady tsy niova amin’ny ankapobeny.” Miaiky koa ilay manam-pahaizana atao hoe William Green fa tsy niova ny Soratra Hebreo. Hoy izy: ‘Tsy diso isika raha milaza fa tsy misy asa soratra tranainy nampitaina tamin’ny fomba marina toy izany.’

Mampahatsiahy antsika an’ireto tenin’ny apostoly Petera ireto izany: “Tahaka ny ahitra ny nofo rehetra, ary tahaka ny vonin’ny ahitra ny voninahiny. Malazo ny ahitra, ary mihintsana ny voniny, fa ny tenin’i Jehovah maharitra mandrakizay.”—1 Petera 1:24, 25.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Ny tena dinihin’ny manam-pahaizana momba ny sora-tanana fahiny, dia ny soratra natao tamin’ny taratasy vita amin’ny akora mora simba, toy ny karazana zozoro atao hoe papyrus, na hodi-biby, na zavatra hafa.

^ feh. 16 Ny Dioscoride de Vienne dia boky nosoratana ho an’ny vehivavy iray atao hoe Juliana Anicia, izay maty tamin’ny 527 na 528. Izy io no “voalohany amin’ny asa soratra vita amin’ny hodi-biby sy natao sora-baventy boribory, ary azo omena ny daty manakaikikaiky ny tena nahavitany.”—Fandinihana ny Soratra Grika sy Latinina (anglisy), nosoratan’i E. Thompson.

^ feh. 17 Aseho ao amin’ireo tabilao ireo hoe “iza amin’ireo andininy ao amin’ny Filazantsara tsirairay no mifanitsy amin’ny andininy ao amin’ny Filazantsara hafa.”—Baiboly Grika Nadika Tanana (anglisy), nosoratan’i Bruce Metzger.

[Teny notsongaina, pejy 21]

Afaka mamantatra ny daty nanoratana ny asa soratra fahiny ny manam-pahaizana, rehefa mandinika akaiky ny asa soratra hafa misy daty

[Efajoro, pejy 20]

Famaritana ny Datin’ny Horonam-bokin’i Isaia

Natao tamin’ny taratasy vita amin’ny hoditra ny voalohany tamin’ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia, hita tamin’ny 1947. Soratra hebreo mbola tsy nisy zanatsoratra no nanoratana an’ilay izy. Milaza ny manam-pahaizana fa tany amin’ny faran’ny taonjato faha-2 T.K. no nanoratana azy. Ahoana no nahalalan’izy ireo izany? Nampitahain’izy ireo ny soratra tamin’ilay horonam-boky sy ny soratra tranainy hafa amin’ny teny hebreo. Izany no nahitany fa teo anelanelan’ny taona 125 T.K. sy 100 T.K. no nanoratana azy. Manamarina izany koa ny fomba famaritana daty amin’ny alalan’ny Karbonina 14.

Nandika tanana ny Soratra Hebreo ny Masoreta, * taonjato maro tatỳ aoriana. Mahavariana fa rehefa nampitahaina tamin’izy io ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, dia hita fa tsy nisy niova ny foto-pampianarana. Resaka tsipelina sy fitsipi-pitenenana fotsiny ny maro amin’ny fahasamihafana hita. Tsara homarihina koa fa hita ao amin’ny andininy rehetra tokony hisy azy ny litera hebreo efatra fanoratana ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, ao amin’ny horonam-bokin’i Isaia.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 34 Ny Masoreta dia Jiosy mpanao dika soratra, izay tena nikaly ny asany. Niaina teo anelanelan’ny taonjato faha-6 sy faha-10 izy ireo.

[Tabilao/Sary, pejy 20, 21]

(Jereo ny gazety)

Sora-tanana Grika

Sora-baventy miendrika sora-pirinty

Taonjato faha-4 T.K. ka hatramin’ny faha-8 na faha-9 A.K.

Sora-madinika

Taonjato faha-8 na faha-9 A.K. ka hatramin’ny faha-15

Baiboly Nadika Tanana Malaza Indrindra

400

200

Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty

Faramparan’ny taonjato faha-2 T.K.

T.K.

A.K.

100

Papyrus John Rylands 457

Taona 125

300

Codex Vaticanus No. 1209

Fiandohan’ny taonjato faha-4

Codex Sinaiticus

Taonjato faha-4

400

Codex Alexandrinus

Fiandohan’ny taonjato faha-5

500

700

800

[Sary, pejy 19]

Ambony: Konstantin von Tischendorf

Havanana: Bernard de Montfaucon

[Sary nahazoan-dalana]

© Réunion des Musées Nationaux/ Art Resource, NY

[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]

Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty: Shrine of the Book, Israel Museum, Jerusalem

[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]

Typographical facsimile of Vatican Manuscript No. 1209: From the book Bibliorum Sacrorum Graecus Codex Vaticanus, 1868; Reproduction of Sinaitic Manuscript: 1 Timothy 3:16, as it appears in the Codex Sinaiticus, 4th century C.E.; Alexandrine Manuscript: From The Codex Alexandrinus in Reduced Photographic Facsimile, 1909, by permission of the British Library