Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Ataoko Raha Tsy Salama Foana Aho?

Ahoana no Ataoko Raha Tsy Salama Foana Aho?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Ataoko Raha Tsy Salama Foana Aho?

HOY ny Ohabolana 20:29: “Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany.” Raha tsy salama na kilemaina ianao, dia mety hihevitra fa tsy mihatra aminao mihitsy io andininy io. Tsy marina anefa izany! Mahavita miatrika ny olana tena sarotra vokatry ny aretiny ny tanora maro kilemaina sy manana aretina mitaiza. Nanadinadina efatra tamin’izy ireo ny Mifohaza!

Vao teraka i Hiroki, any Japon, dia voan’ny aretin-kozatra vokatry ny fahavoazan’ny atidoha. Hoy izy: “Tsy mahazaka ny lohako ny hoza-katoko, ka tsy afa-mitraka aho. Tsy voafehiko koa ny fihetsiky ny tanako. Mila olona hanampy foana aho.”

Sampona hatramin’ny nahaterahany i Natalie sy James anadahiny, any Afrika Atsimo. Fohy kely izy ireo. Mivilana koa ny hazondamosin’i Natalie. Hoy izy: “Tsy miasa tsara ny havokavoko noho ilay hazondamosiko mivilana, ary efa inefatra nodidiana izao ny hazondamosiko.”

Lasa rera-dava, malemy hozatra, ketraka, ary ratsy torimaso i Timothy, any Grande-Bretagne, tamin’izy 17 taona. Hoy izy: “Tao anatin’ny roa volana monja, dia lasa reraka be aho, ka tsy nahazaka ahy intsony ny tongotro. Salama sy navitrika anefa aho talohan’izay.”

Voan’ny diabeta i Danielle, any Aostralia, tamin’izy 19 taona. Hoy izy: “Tsy heverin’ny olona sasany ho aretina lehibe ny diabeta, satria tsy hita soritra etỳ ivelany. Tena mahafaty anefa izy io.”

Azo antoka fa hampahery anao ny tenin’i Hiroki, Natalie, Timothy, ary Danielle, raha marary na kilemaina ianao. Raha salama kosa ianao, dia hanampy anao hahatsapa ny manjo ny kilemaina sy ny marary izany.

Mifohaza!: Inona no tena mafy aminao?

Natalie: Ny fihetsiky ny olona rehefa mahita ahy no tena tsy tantiko. Tsy azoko mihitsy ny aiko. Toy ny hoe mijery ahy foana ny olona.

Danielle: Ny tena manahirana amin’ny diabeta, dia tsy maintsy mifidy tsara izay hohaninao ianao ary mametra ny habetsahany. Mety hihena ny siramamy ao amin’ny rako ka ho torana aho, raha tsy voalanjalanja ny sakafoko.

Hiroki: Manana seza misy kodiarana, namboarina hifanaraka amin’ny toe-batako aho. Tsy miova mihitsy ny fipetraky ny vatako, mandritra ny 15 ora eo ho eo isan’andro. Tsy matory tsara koa aho. Feon-javatra kely dia efa manaitra ahy.

Timothy: Tsy neken’ny saiko mihitsy tamin’ny voalohany hoe marary aho. Nahamenatra ahy ilay aretiko.

Mifohaza!: Misy olana hafa mahazo anao ve?

Danielle: Mandreraka be ahy ny diabeta. Mila matory bebe kokoa noho ny tanora mitovy taona amiko aho. Aretina mitaiza tsy misy fanafany ilay izy.

Natalie: Misy fiantraikany be eo amin’ny fiainako andavanandro ny hafohiko. Sarotra amiko na dia ny manakatra zavatra eo ambony talantalan’ny mpivarotra aza. Sahirana be aho rehefa miantsena irery.

Timothy: Manaintaina foana aho, ary tena ketraka indraindray. Nahavita zavatra maro aho, tamin’ny mbola tsy narary. Nanana asa sy fahazoan-dalana hamily fiarakodia aho. Nanao fanatanjahan-tena, toy ny baolina kitra sy tenisy, aho. Tsy afa-mihetsika eto ambony seza misy kodiarana anefa aho izao.

Hiroki: Tsy mahay miteny tsara aho. Mahakivy ahy izany ka tsy sahy manombo-dresaka aho. Mandona olona tsy nahy amin’ny tanako aho indraindray, satria tsy voafehiko ny fihetsiko. Tsy mahavita manao azafady akory aho amin’izany, satria tsy mahay miteny tsara.

Mifohaza!: Inona no nanampy anao hiatrika izany?

Danielle: Miezaka mifantoka amin’ny zavatra tsara eo amin’ny fiainako aho. Manana fianakaviana mahafinaritra sy namana be fitiavana eo anivon’ny fiangonana aho, ary ambonin’ny zava-drehetra dia manohana ahy i Jehovah Andriamanitra. Miezaka mamantatra ny vaovao farany momba ny fiatrehana ny diabeta koa aho. Raisiko an-tanana ny fikarakarana ny fahasalamako, ary manao araka izay fara heriko amin’izany aho.

Natalie: Manome hery ny vavaka. Atrehiko tsirairay ny olana mahazo ahy. Miezaka ho be atao foana aho mba tsy hieritreritra zavatra mahakivy. Mahafinaritra ahy koa ny ray aman-dreniko satria azoko amborahana ny fihetseham-poko.

Timothy: Manao zavatra mifandray amin’ny fivavahako aho isan’andro, na dia vetivety monja aza. Mandinika ny teny hodinihina isan’andro aho, ohatra, isa-maraina. Tena zava-dehibe amiko ny vavaka sy ny fianarana Baiboly samirery, indrindra rehefa kivy aho.

Hiroki: Tsy miasa saina amin’ny zavatra tsy ahafahako manoatra aho. Mandany fotoana fotsiny izany. Manao araka izay fara heriko kosa aho mba hanatsarana ny fifandraisako amin’Andriamanitra. Tsy ataoko fialan-tsiny mba tsy hianarana Baiboly ny aretiko. Hararaotiko ivavahana ny fotoana tsy ahitako tory.—Jereo ny Romanina 12:12.

Mifohaza!: Inona no ataon’ny hafa mba hampaherezana anao?

Hiroki: Midera ahy foana amin’izay mba kely vitako ny anti-panahy. Entin’ireo rahalahy sy anabavy manao fiverenana mitsidika sy mampianatra Baiboly miaraka amin’izy ireo koa aho.—Jereo ny Romanina 12:10.

Danielle: Ny tena manohina ny foko indrindra angamba, dia ny teny fiderana amim-pahatsorana ataon’ireo anadahy sy rahavavy eo anivon’ny fiangonana. Tsapako fa sarobidy amin’izy ireo aho, ary mampahery ahy izany.

Timothy: Misy anabavy zokiolona iray izay, miezaka hiresaka amiko foana any am-pivoriana. Mampahery sy manome soso-kevitra azo ampiharina koa ireo anti-panahy sy ny vadiny. Nanampy ahy hametra tanjona azo tratrarina, ohatra, ny anti-panahy iray, 84 taona. Nanasa ahy hiara-manompo aminy ny mpanampy amin’ny fanompoana iray, ary nifidy faritany tsy misy fiakarana izy mba ho afaky ny sezako.—Jereo ny Salamo 55:22.

Natalie: Vao tonga ao amin’ny Efitrano Fanjakana aho, dia miarahaba ahy sy mitsikitsiky amiko ireo anadahy sy rahavavy. Miresaka zavatra mampahery ahy foana ireo zokiolona na dia mba manana olana koa aza.—Jereo ny 2 Korintianina 4:16, 17.

Mifohaza!: Inona no manampy anao hifantoka amin-javatra mampahery foana?

Hiroki: Vavolombelon’i Jehovah aho, ka mifanerasera amin’olona be fanantenana. Manampy ahy hifantoka amin-javatra mampahery izany.—Jereo ny 2 Tantara 15:7.

Danielle: Mieritreritra ny tombontsoako mahafantatra ny fikasan’Andriamanitra aho. Misy olona salama tsara nefa tsy afa-po amin’ny fiainany raha ampitahaina amiko.—Jereo ny Ohabolana 15:15.

Natalie: Zava-dehibe ny fiarahana amin’ny olona falifaly. Mampahery koa ny mamaky tantaram-piainan’ny olona iharam-pitsapana nefa manompo an’i Jehovah foana. Mahazo hery koa aho rehefa mivory any amin’ny Efitrano Fanjakana, sady vao mainka tsapako fa tombontsoa ny hoe Vavolombelon’i Jehovah.—Jereo ny Hebreo 10:24, 25.

Timothy: Milaza ny 1 Korintianina 10:13, fa tsy hamela antsika hiharam-pitsapana mihoatra noho izay zakantsika i Jehovah. Ataoko ao an-tsaina àry ny hoe: ‘Raha ny Mpamorona aza matoky fa ho zakako ilay aretina, izaho indray ve no tsy hatoky an’izany?’

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

ERITRERETO IZAO:

▪ Tsy afa-mihetsika eo ambony seza misy kodiarana i Hiroki sy Timothy. Raha toy izany no manjo anao, inona amin’ny tenin’izy ireo no manampy anao hifantoka amin-javatra mampahery?

▪ Nilaza i Danielle fa “tsy heverin’ny olona sasany ho aretina lehibe ny diabeta, satria tsy hita soritra etỳ ivelany.” “Tsy hita soritra etỳ ivelany” koa ve ny aretinao? Raha izany no izy, inona no lesona azonao tsoahina avy amin’ny tenin’i Danielle?

▪ Nilaza i Natalie fa ny fihetsiky ny olona rehefa mahita azy no tena tsy tantiny. Inona no azonao atao mba tsy hahasadaikatra ny olona toa an’i Natalie? Raha manana aretina na kilema mahasadaikatra ianao, inona no hanampy anao hifantoka amin-javatra mampahery?

▪ Soraty eto ambany ny anaran’ny olom-pantatrao manana kilema na aretina mitaiza.

․․․․․

▪ Ahoana no azonao ampaherezana ny tsirairay amin’izy ireo?

․․․․․

[Efajoro, pejy 27]

Fampaherezana Omen’ny Baiboly

Mangoraka an’ireo tsy salama i Jesosy.—Marka 1:41.

“Nanasitrana ny karazan’aretina rehetra sy ny karazana kilema rehetra” i Jesosy. Nasehony tamin’izany ny fanasitranana hataony rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra.—Matio 4:23.

Ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, dia “tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”, ary tsy hisy intsony ny fanaintainana.—Isaia 33:24; Apokalypsy 21:1-4.

Na ny fahafatesana aza “hofoanana.” —1 Korintianina 15:25, 26.

[Sary, pejy 26]

Hiroki, 23 taona, Japon

[Sary, pejy 26]

Natalie, 20 taona, Afrika Atsimo

[Sary, pejy 26]

Timothy, 20 taona, Grande-Bretagne

[Sary, pejy 26]

Danielle, 24 taona, Aostralia