Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Ilay Sambofiara sy ny Fanamboaran-tsambo (Janoary 2007) Efa fantatro fa tsara be ny fomba nanaovana ny sambofiara. Izao anefa vao tena hitako ny hatsarany. Nohazavain’ilay lahatsoratra tamin’ny fomba tsotra, fa nahatanty ranomasina tsara ilay sambo, satria nifanentana ny lavany sy sakany ary haavony. Nampiasa ilay sary tao izaho sy ny tanora ao am-pivorianay, ka nanao sambofiara kely. Nanamboatra sarim-biby tamin’ny taratasy izahay, ary nataonay tao anatiny. Nanao sarin’i Noa sy ny fianakaviany koa izahay. Fantatray kokoa izao io tantara ao amin’ny Baiboly io. Misaotra betsaka.

T. A., Japon

Manan-janakalahy enin-taona aho, ary tia manamboamboatra zavatra izy. Faly be izahay mianaka rehefa nahita ilay toromarika momba ny modelin’ny sambofiara, tao amin’ny faran’ilay lahatsoratra. Niara-nanao an’ilay izy izahay indray tolakandro, ka nahafinaritra erỳ. Misaotra noho iny lahatsoratra tena tsara iny! Mirotoroto ny fiainana ankehitriny, ary miatrika olana foana ireo zanatsika, any am-pianarana. Soa ihany fa eo ny Mifohaza!, izay manampy ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany handeha amin’ny lalan’i Jehovah.

M. F., Etazonia

Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Hialako Amin’io Fahazarana Io? (Novambra 2006) Tena faly aho rehefa namaky an’ilay lahatsoratra. Tsapako fa mikarakara sy manampy antsika hiatrika olana i Jehovah. “Mamela heloka” koa izy, raha sendra resin’ny fakam-panahy indray isika. (Salamo 86:5) Manampy anay tanora ‘handositra ny faniriana mpitranga eo amin’ny tanora’ ny mitadidy an’izany.—2 Timoty 2:22.

V.F.F., Brezila

Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Aho no Voafehifehy Loatra? (Desambra 2006) Enin-taona izao no nianarako Baiboly. Hentitra be ny ray aman-dreninay, nefa tsapako fa tena tia anay izy ireo. Rehefa namaky an’io lahatsoratra io aho vao fantatro hoe inona no mampanahy azy ireo. Hitako izao fa tena manampy ahy i Jehovah ary ankasitrahako izany.

K. T., Tailandy

Toa An’ilay Zanaka Adala Aho Taloha (Desambra 2006) Tamin’ny 1992 aho no nahalala ny fahamarinana. Nisy fotoana anefa tsy nitiavako hanaraka ny fitsipik’i Jehovah, ka tsy nanompo azy nandritra ny telo taona aho. Nifandimby teo amin’ny fiainako ny soa sy ny ratsy, toy ny an’i Meros Sunday. Nangataka fanampiana tamin’i Jehovah aho taorian’izay, ka niverina nanompo azy indray. Misaotra noho ny asanareo.

D. K., Ukraine

Manontany ny Tanora Hoe... Rahoviana Aho vao Mahazo Mampiaraka? (Janoary 2007) Dimy ambin’ny folo taona aho. Rehefa nitsidika ny dadatoako sy nenitoako aho, dia nahita ankizilahy iray 17 taona. Vavolombelona koa izy. Nanomboka nifanoratra tamin’ny Internet izahay. Tsindraindray ilay izy tamin’ny voalohany, nefa avy eo lasa isan’andro. Nanjary nifankatia izahay. Rehefa namaky an’io lahatsoratra io aho vao fantatro fa hay nampiaraka izahay. Tapa-kevitra ny hisaraka taminy àry aho, satria fantatro fa izany no tokony hataoko. Tena nanampy ahy ny Mifohaza! sy ny ray aman-dreniko. Mbola mpinamana izahay sy ilay ankizilahy, fa ny fifandraisako amin’i Jehovah no tena zava-dehibe amiko. Misaotra betsaka fa nanampy ahy ho tonga saina iny lahatsoratra iny.

D. D., Kanada