Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra

Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra

Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra

Inona izany boky izany, araka ny hevitrao? Nahazo an’ilay bokikely hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, ny vehivavy iray any Colorado, Etazonia. Hazavaina ao izay raketin’ny Baiboly, sy hoe nahoana izy io no tokony hovakin’ny olona rehetra. Nanoratra teny fisaorana kely ilay vehivavy, ka nilaza hoe:

“Tena tiako ilay izy ka novakiko. Tsy nijanona aho raha tsy vitako hatramin’ny farany. Hita ao daholo izay mampiavaka ny Tenin’Andriamanitra, anisan’izany ny hoe mifanaraka amin’ny siansa izy io. Hazavain’ilay bokikely ny fomba nandikana ny Baiboly, mba ho azon’ny olona rehetra. Hita ao koa hoe nahoana no mbola misy izy io hatramin’izao.”

Ny Baiboly tokoa no boky miavaka sy miely indrindra. Roa arivo taona teo ho eo izao no nahavitan’ny Baiboly manontolo. Mbola azo ampiharina anefa ny toroheviny, ary mifanaraka amin’ny siansa izy io.

Raha te hanafatra an’io bokikely 32 pejy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay bokikely aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.