Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mamela ny Fahotana Lehibe ve Andriamanitra?

Mamela ny Fahotana Lehibe ve Andriamanitra?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Mamela ny Fahotana Lehibe ve Andriamanitra?

ANISAN’NY toetra lehiben’Andriamanitra ny famindram-po. (Salamo 86:15) Manao ahoana ny halehiben’ny famindram-pony? Hoy ny mpanao salamo: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô? Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, mba hatahorana Anao.” (Salamo 130:3, 4) Hoy koa ny andinin-teny hafa: “Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany no fiantràn’i Jehovah izay matahotra Azy; fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.”—Salamo 103:12-14.

Hita àry fa mamela heloka tanteraka i Jehovah. Fantany mantsy fa “vovoka” isika, izany hoe tsy lavorary, ary voafetra ny mety ho vitantsika. Saintsaino avy amin’ireto ohatra ao amin’ny Baiboly ireto, ny halehiben’ny famindram-pony.

Nanda an’i Kristy intelo ny apostoly Petera. (Marka 14:66-72) Nanenjika ny Kristianina ny apostoly Paoly, tamin’izy mbola tsy mpino. Rehefa nisy Kristianina voaheloka ho faty, dia nanohana izany izy. Nankasitraka ny namonoana ny Kristianina iray mihitsy aza izy. (Asan’ny Apostoly 8:1, 3; 9:1, 2, 11; 26:10, 11; Galatianina 1:13) Mpimamo, mpanao an-keriny, ary mpangalatra ny olona sasany tao amin’ny fiangonan’i Korinto, talohan’ny niovan’izy ireo ho Kristianina. (1 Korintianina 6:9-11) Nanjary nahazo sitraka tamin’Andriamanitra anefa ireo olona rehetra ireo. Nahoana Andriamanitra no namela ny helok’izy ireo?

Dingana telo hahazoana famindram-po

Hoy i Paoly: ‘Nahazo famindram-po aho, satria noho ny tsy fahalalako sy ny tsy finoako no nanaovako izany.’ (1 Timoty 1:13) Ny dingana voalohany ahazoana famelan-keloka àry dia ny fandraisana fahalalana marina tsara an’i Jehovah sy ny fitsipiny ao amin’ny Baiboly. (2 Timoty 3:16, 17) Mazava ho azy fa tsy afaka ny hampifaly an’ilay Mpamorona antsika isika raha tsy mahafantatra tsara azy. Hoy i Jesosy, rehefa nivavaka tamin-dRainy: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.

Inona no ataon’ny olona tso-po rehefa mahazo izany fahalalana izany? Manenina tanteraka noho ny ratsy nataony izy, ka mibebaka amim-pahatsorana. Izany no dingana faharoa ahazoana ny famelan’Andriamanitra. Hoy ny Asan’ny Apostoly 3:19: “Mibebaha, ka miverena hamonoana ny fahotanareo.”

Voalazan’io andinin-teny io koa ny dingana fahatelo, dia ny fiverenana. Ny hoe miverina dia miala amin’ny toe-tsaina sy ny fomba fiaina taloha, ary manaraka ny fitsipik’Andriamanitra sy ny fomba fisainany. (Asan’ny Apostoly 26:20) Ny fiovan’ny olona iray àry no ampisehoany fa tena nibebaka tamin’Andriamanitra izy.

Misy fetrany ny famindram-pon’Andriamanitra

Tsy mamela ny fahotan’ny olona sasany Andriamanitra. Hoy i Paoly: “Raha minia manota isika rehefa avy nahalala marina tsara ny fahamarinana, dia tsy misy sorona noho ny ota intsony, fa fiandrasana fanamelohana kosa, ary fahatezerana mirehitra.” (Hebreo 10:26, 27) Ny hoe “minia manota” dia midika hoe manana toe-po ratsy, na tsy mety mibebaka amin’ny ratsy atao.

Toy izany ny toe-pon’i Jodasy Iskariota. Hoy i Jesosy momba azy: “Tsara kokoa ho an’izany olona izany raha tsy teraka akory.” (Matio 26:24, 25) Nilaza toy izao koa i Jesosy tamin’ireo mpitondra fivavahana sasany, tamin’ny androny: “Ianareo avy amin’ny Devoly rainareo ... Rehefa mandainga izy, dia ny maha izy azy no avoakany, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.” (Jaona 8:44) Tena ratsy fanahy toa an’i Satana ireo lehilahy ireo. Tsy nibebaka izy ireo, fa vao mainka nanohy ny ratsy fanaony. * Ekena aloha fa manota na dia ny tena Kristianina aza, satria tsy lavorary sady manana fahalemena. Mety ho fahotana lehibe mihitsy aza indraindray no ataony. Tsy midika anefa izany hoe efa tena ratsy fanahy izy.—Galatianina 6:1.

Mamindra fo hatramin’ny farany

Tsy ny ota natao ihany no jeren’i Jehovah, fa ny toe-tsain’ilay nanota koa. (Isaia 1:16-19) Diniho kely ange ny zava-nitranga tamin’ireo jiolahy roa nofantsihana teo anilan’i Jesosy e! Miharihary fa samy nahavita heloka lehibe izy roa lahy, matoa ny iray nilaza hoe: “Rariny isika raha melohina, satria mendrika handray ny valin’asantsika, fa izy [Jesosy] kosa, tsy mba nanao zavatra tsy nety.” Hita amin’io tenin’ilay jiolahy io, fa nahalala zavatra sasany momba an’i Jesosy izy, ka mety ho izany no nahatonga azy hiova. Nitalaho tamin’i Jesosy toy izao mantsy izy, avy eo: “Tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.” Ahoana no navalin’i Kristy an’izany fitalahoana avy amin’ny fo izany? Hoy izy: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.”—Lioka 23:41-43.

Eritrereto ange ireo tenin’i Jesosy talohan’ny nahafatesany ireo e! Mbola namindrany fo ny lehilahy iray niaiky fa mendrika ny ho faty. Mampahery tokoa izany! Mahazo matoky àry isika fa hangoraka an’izay rehetra tena mibebaka i Jesosy Kristy sy Jehovah Rainy, na inona na inona fahotana vitan’ilay olona.—Romanina 4:7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Nanota Tamin’ny Fanahy Masina ve Ianao?” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2007, pejy 16-20.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

▪ Manao ahoana ny famindram-pon’Andriamanitra?—Salamo 103:12-14; 130:3, 4.

▪ Inona avy no tsy maintsy ataon’ny olona iray mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra?—Jaona 17:3; Asan’ny Apostoly 3:19.

▪ Inona no nampanantenain’i Jesosy an’ilay olon-dratsy nofantsihana teo anilany?—Lioka 23:43.

[Sary, pejy 10]

Nasehon’i Jesosy fa afaka mamela ny fahotana lehibe Andriamanitra