Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety Hahitana Vahaolana ve ny Heloka Bevava?

Mety Hahitana Vahaolana ve ny Heloka Bevava?

Mety Hahitana Vahaolana ve ny Heloka Bevava?

“hita tamin’ny fikarohana fa mbola mampitondra faisana ny mpiara-monina foana ny ankamaroan’ny mpanao heloka bevava, na dia rehefa avy nigadra aza. mbola hitondra fahavoazana be foana izy ireny, ary tsy eo amin’ny ara-bola fotsiny.”—Ny Fisainan’ny Mpanao Heloka Bevava, nosoratan’ny Pr. Stanton Samenow.

TOA misy heloka bevava mampihoron-koditra foana isan’andro, na aiza na aiza. Mipetraka àry ny fanontaniana hoe: Mandaitra ve ny sazy hentitra sy ny fanagadrana ary ny zavatra hafa natao hisakanana ny heloka bevava? Mampiova ny jiolahy ve ny fonja? Ary mbola zava-dehibe noho izany aza, moa ve miezaka mamaha ny fototr’ilay olana ny fiaraha-monina?

Hoy i Samenow momba ireo fepetra raisina ankehitriny: “Mety ho lasa fetsy sy mailo kokoa [ny mpanao heloka bevava], rehefa avy migadra. Mbola manararaotra ny fiaraha-monina sy manao heloka bevava ihany izy. Betsaka noho ny asehon’ny antontan’isa izy ireo, satria izay tsy mailo tsara fotsiny no tratra [indray].” Matetika àry ny fonja no lasa toy ny sekoly ho an’ny mpanao heloka bevava, satria mampitombo tsy sazoka ny fahaizan’izy ireny manisy ratsy ny mpiara-monina.—Jereo ilay hoe “ ‘Sekoly Fianarana Heloka Bevava’ Ve?”, pejy 7.

Maro koa no afa-maina, ka lasa mieritreritra ny mpandika lalàna fa ahazoana tombony ny heloka bevava. Vao mainka àry izy ireo lasa sahisahy sy tapa-kevitra ny hanohy. Hoy ny mpitondra hendry iray: “Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ny fon’ny zanak’olombelona amin’ny fanaovan-dratsy.”—Mpitoriteny 8:11.

Noho ny faneren’ny fiainana sa safidy?

Tsy manan-tsafidy ve ny olona sasany, fa tsy maintsy manao heloka bevava mba hivelomana? Hoy i Samenow: “Hoatran’ny hoe ara-dalàna ny fahitako ny heloka bevava, ary nanome rariny an’ireo nanao izany mihitsy aza aho, rehefa nahita fa nahantra fadiranovana izy ireny, tsy azo antoka ny fiainany, ary namoy fo izy.” Niova hevitra anefa i Samenow rehefa avy nanao fikarohana tsara. Hoy izy: ‘Safidy ilay izy. Ny fomba fisainan’ny olona no mahatonga azy hanao heloka bevava, fa tsy ny zavatra iainany. Matetika no vokatry ny eritreritra ny zavatra atao. Na inona na inona ataontsika, dia tsy maintsy nisy eritreritra talohan’ilay izy, nandritra an’ilay izy, ary na dia taorian’izay koa aza.’ Niaiky àry i Samenow fa tsy ny mpanao heloka bevava no mampalahelo, fa “izy kosa no mampijaly, ary izy ihany no nifidy ny fomba fiainany.” *

Mariho ilay hoe “nifidy.” “Heloka Bevava no Asa Fidin’ny Tovolahy any Tanàn-dehibe mba Hanatsarana ny Fiainany”, hoy ny matoan-dahatsoratra vao haingana, tao amin’ny gazety anglisy iray. Manana safidy malalaka tokoa ny olona, ka afaka manapa-kevitra ny amin’izay hataony, na dia ao anatin’ny zava-tsarotra aza. Eritrereto fa olona an-tapitrisany no miady amin’ny fahantrana sy ny tsy rariny isan’andro. Misy koa miaina eo anivon’ny tokantrano mikorontana. Tsy lasa jiolahy anefa izy ireo, na izany aza. Hoy i Samenow: “Ny mpanao heloka bevava no mahatonga ny heloka bevava, fa tsy ny fiaraha-monina mampidi-doza, na ny ray aman-dreny tsy mahay mitaiza, ... na ny tsy fisian’ny asa. Ny fomba fisainan’ny olona no mitarika azy hanao heloka bevava, fa tsy ny zava-misy eo amin’ny fiaraha-monina.”

Ny fomba fisainana no fototr’ilay izy

Antitranterin’ny Baiboly fa ny fisainan’ny olona no mitarika azy hanao ratsy, fa tsy ny zavatra iainany. Hoy ny Jakoba 1:14, 15: “Tsapaina ... ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany ka voafandrik’izany. Ary ny faniriana rehefa kolokoloina, dia miteraka fahotana.” Lasa manana fanirian-dratsy ny olona rehefa mieritreri-dratsy, ary ilay faniriana no mety hitarika azy hanao ratsy. Aoka hatao hoe mijery sary vetaveta tsindraindray ny olona iray. Mety hibahana ao an-tsainy ny resaka firaisana, rehefa mandeha ny fotoana. Mety hanatanteraka ny eritreri-dratsiny izy amin’ny farany, ka angamba handika lalàna mihitsy.

Ankoatra izany, dia ampirisihin’ity tontolo ity ny olona mba ho tia tena, ho tia vola, ho tia fahafinaretana, ary hanao izay hahazoana eo no ho eo izay tadiaviny. Hoy ny Baiboly momba ny androntsika: “Amin’ny andro farany ... ny olona ho tia tena, ho tia vola, ... ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, [ary] ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:1-5) Vao mainka mitarika ny olona hanao heloka bevava ireo toetra ireo. * Mampalahelo anefa fa mampirisika ny olona ho toy izany ny filma, ny lalao video, ny boky, ary ny olona sasany antenaina ho modely. Tsy voatery hanahaka azy ireny anefa isika. Nisy aza nanao izany taloha, nefa nanova tanteraka ny fomba fisainany sy ny fitondran-tenany.

Tena afaka miova ny olona!

Tsy hoe rehefa mpanao heloka bevava ny olona iray, dia tsy maintsy ho toy izany foana. Ny safidiny no nahatonga an’izany. “Afaka misafidy ny hiova [koa àry] izy, ka hiezaka mba ho olom-banona.”—Ny Fisainan’ny Mpanao Heloka Bevava.

Betsaka ny tantara manaporofo fa afaka miova ny olona, na inona na inona zavatra niainany. * Mila vonona hanova ny toe-tsainy sy ny fomba fisainany izy. Tokony hampifanarahiny amin’ny fitsipika tsy miovaova apetraky ny Mpamorona izany, fa tsy amin’ny fomba fihevitry ny olombelona izay miovaova lava. Iza moa, ankoatra ny Mpamorona, no tena mahafantatra antsika? Tsy izy koa ve no manana zo hamaritra izay tsara sy ratsy ho an’ny olombelona? Izany no nahatonga azy handrotsaka ny fanahiny masina tamin’ny olona 40, mba hahafahan’izy ireo hanoratra ny Baiboly Masina. Boky mahavariana izy io, ary natao hitari-dalana an’izay te ho sambatra sy hanana fiainana misy dikany.—2 Timoty 3:16, 17.

Mety ho sarotra ny manao ny fiovana ilaina mba hampifaliana an’Andriamanitra, satria tsy maintsy manohitra ny faniriana hanota isika. Nilaza ny mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly fa toy ny hoe misy ‘ady’ mihitsy ao anatintsika ao! (Romanina 7:21-25) Nandresy izy satria tsy niantehitra tamin’ny herin’ny tenany fa tamin’ny herin’Andriamanitra. “Velona sy mahery” koa ny Tenin’Andriamanitra.—Hebreo 4:12.

Manome hery ny “sakafo” tsara

Mila misakafo tsara ny olona, mba ho salama. Ilaina koa ny mitsako tsara sy mandevona an’ilay sakafo, ary maka fotoana sy mitaky ezaka izany. Toy izany koa no tokony hataontsika mba hifandraisana tsara amin’Andriamanitra. Mila “mitsako” na misaintsaina ny teniny isika, mba hilentika tsara ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ilay izy. (Matio 4:4) Hoy ny Baiboly: “Na inona na inona marina, na inona na inona zava-dehibe, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona na inona tsara laza, na inona na inona misy hatsarana, ary na inona na inona mendri-piderana, dia izany foana heverina. ... Ary ho aminareo ilay Andriamanitry ny fiadanana!”—Filipianina 4:8, 9.

Mariho fa tsy maintsy ‘mihevitra foana’ izay heverin’Andriamanitra isika, raha te hiala amin’ny toetrantsika taloha, ka hanana toetra vaovao. Mila maharitra isika, satria elaela vao vita izany fiovana izany, toy ny fitomboan’ny vatana ihany.—Kolosianina 1:9, 10; 3:8-10.

Diniho ny tantaran’ity vehivavy ity. Nisy nametaveta izy tamin’ny mbola kely. Lasa nidoroka zava-mahadomelina izy, niboboka toaka, ary nifoka sigara. Migadra mandra-pahafatiny izy izao, noho ny heloka bevava maromaro vitany. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tany am-ponja, ary nampihatra ny zavatra nianarany. Inona no vokany? Niova tsikelikely izy, ka niala tamin’ny toetrany taloha, ary lasa maneho ny toetran’i Kristy. Tsy andevozin’ny fomba fisainana sy ny fahazarana manimba intsony izy izao. Anisan’ny andinin-teny tiany indrindra ny 2 Korintianina 3:17, manao hoe: “I Jehovah no ilay Fanahy, ary izay misy ny fanahin’i Jehovah dia misy fahafahana.” Marina fa mbola any am-ponja izy, nefa mahatsapa fahafahana mbola tsy nananany mihitsy teo aloha.

Be famindram-po Andriamanitra

Tsy misy olona heverin’i Jehovah Andriamanitra hoe tsy azo avotana. * Hoy i Jesosy Kristy Zanany: “Tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota mba hibebaka.” (Lioka 5:32) Marina fa mety ho sarotra amin’ny olona iray ny hampifanaraka ny fiainany amin’ny fitsipiky ny Baiboly. Hahavita izany anefa izy, raha manam-paharetana sy manaiky hampian’Andriamanitra. Mety ho avy amin’ny Kristianina matotra no ahazoana izany fanampiana amim-pitiavana izany. (Lioka 11:9-13; Galatianina 5:22, 23) Noho izany, dia mitsidika tsy tapaka ny fonja ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany maro, mba hampianatra Baiboly maimaim-poana ny lehilahy sy vehivavy tso-po, izay nanao heloka bevava isan-karazany. * Mitarika fivoriana ara-baiboly isan-kerinandro koa izy ireo, any amin’ny fonja sasany.—Hebreo 10:24, 25.

Na misy aza anefa mpanao ratsy miala amin’ny fanaony sy lasa tena Kristianina, dia milaza mazava tsara ny Baiboly fa ‘hitombo ny fandikan-dalàna.’ (Matio 24:12) Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa anisan’ny faminaniana lehibe milaza vaovao tena tsara izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Mety ho anisan’ny antony mahatonga ny olona hanao heloka bevava ny aretin-tsaina. Tena marina izany, indrindra rehefa avela handehandeha eny amin’ny arabe ny olona marary saina, sady misy fiadiana azony raisina. Tsy io foto-kevitra lalina io anefa tena resahin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 11 Raha mitady fanazavana fanampiny momba ny heloka bevava ianao, dia jereo ny Mifohaza! 8 Martsa 1998 mitondra ny lohateny hoe “Tontolo Iray Tsy Hisy Heloka Bevava—Rahoviana?”, pejy 3-9.

^ feh. 14 Matetika no mivoaka amin’ity gazety ity sy ilay namany hoe Ny Tilikambo Fiambenana ny tantaran’ny mpanao heloka bevava sasany, izay niova rehefa nahalala ny fahamarinana ara-baiboly. Jereo ny Mifohaza! 7 Jolay 2006, pejy 11-13; 8 Oktobra 2005, pejy 24-25; Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2000, pejy 4-5; 15 Oktobra 1998, pejy 27-29; 15 Febroary 1997, pejy 21-24.

^ feh. 21 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly? Mamela ny Fahotana Lehibe ve Andriamanitra?”, pejy 10.

^ feh. 21 Jereo ilay efajoro hoe “Fanampiana ny Voafonja”, pejy 9.

[Teny notsongaina, pejy 5]

An-tapitrisany no mahantra nefa tsy manao heloka bevava

[Efajoro/Sary, pejy 6, 7]

“AFAKA ROA TAONA DIA MIGADRA INDRAY”

Io no lohatenin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny The Times. Voalaza tao fa efa ho ny telo ampahefatry ny mpangalatra sy ny mpamaky trano naiditra am-ponja any Grande-Bretagne, no migadra indray roa taona aorian’ny anafahana azy. Andevozin’ny zava-mahadomelina mantsy ny ankamaroan’izy ireo, ka mitady vola mafy satria vidiny lafo izany fahazarana manimba izany.

[Efajoro, pejy 7]

“SEKOLY FIANARANA HELOKA BEVAVA” VE?

“Sekoly fianarana heloka bevava ny fonja”, hoy ny Profesora John Braithwaite tao amin’ny boky iray momba ny lalàna. Nilaza koa ny Pr. Stanton Samenow fa “miana-javatra avy amin’ny zavatra iainany ny ankamaroan’ny mpanao heloka bevava”, saingy tsy izay tian’ny fiaraha-monina hianarany no ianarany. Hoy ihany izy: “Manana fotoana ampy tsara hanatsarana ny fahaizany manao heloka bevava ny olona, any am-ponja. ... Tena mihamahay ny sasany, ary ataony anton-draharaha mihitsy izany [rehefa tafavoaka izy]. Manao hafetsena anefa izy mba tsy ho tratra.”

Hoy koa i Samenow: “Tsy mampiova ny tena toetran’ny mpanao heloka bevava ny figadrana. Na any am-ponja izy na tsia, dia manao izay hahazoana namana, mianatra tetika vaovao, ary mampita ny traikefany amin’ny hafa.” Hoy ny tanora iray mpanao heloka bevava: “Toy ny hoe nahazo diplaoma ho mpampianatra heloka bevava aho tany am-ponja.”