Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Nitombo avo telo heny ny loza voajanahary vokatry ny toetrandro, teo anelanelan’ny 1970 sy 2000, noho ny fiakaran’ny mari-panan’ny tany na antony hafa.”—THE ECONOMIST, GRANDE-BRETAGNE.

Nahazo alalana hanana basy ny zazalahy kely iray 10 volana, any Illinois, Etazonia. Hita tamin’ilay fahazoan-dalana nangatahin’ny rainy, fa 70 santimetatra eo ho eo ny halavan’ilay zaza, ary 9 kilao eo ho eo ny lanjany. Tsy feran’ny fanjakana any ny taonan’ny olona manao fangatahana hanana basy.—CABLE NEWS NETWORK, ETAZONIA.

Nanao andrana ny mpahay siansa. Nampiharan’izy ireo tsindry faran’izay mafy ny rano, ka lasa nivaingana toy ny gilasy nefa “nahamay noho ny rano mangotraka.” Ankoatra ny gilasy “mahazatra” antsika, dia afaka miova ho “karazana gilasy 11, fara fahakeliny, ny rano, arakaraka ny hafanana sy ny tsindry ampiharina aminy.”—SANDIA NATIONAL LABORATORIES, ETAZONIA.

Fahalalahana Ara-pivavahana any Géorgie

Namoaka didy ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona fa tsy mety ny ataon’ny fitondram-panjakan’i Géorgie, satria leferin’izy ireo ny herisetra ampiharina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nantitranterin’ilay fitsarana fa manana zo hanao fotoam-pivavahana sy hiara-mianatra Baiboly ny Vavolombelona, satria fivavahana kristianina fantatra tsara. Nandidy koa ilay fitsarana mba hanomezana onitra an’ireo niharan’ny herisetra, sy hanonerana izay lanin’izy ireo tamin’ny fitsarana. Teo anelanelan’ny Oktobra 1999 sy Novambra 2002 mantsy, dia nampiharana herisetra 138 ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nandefa fitoriana 784 tany amin’ny manam-pahefan’i Géorgie. Tsy nandray fepetra hentitra anefa izy ireo. Nanda tsy hamonjy na hiaro an’ireo niharan’ny herisetra mihitsy aza ny polisy. Nihena be ny herisetra nanomboka tamin’ny Novambra 2003.

Toerana Fijerena Masoandro tany Peroa

Misy toerana iray rava tamin’ny 2 300 taona lasa, any Peroa. Nanao fikarohana tao ny mpikaroka ambanin’ny tany. Mihevitra izy ireo fa toerana fijerena masoandro ny ampahany amin’izy io. Antsoina hoe Chankillo io toerana io, ary ahitana tilikambo 13 mitandahatra eo an-tampon-kavoana. Miendrika ampaham-paribolana ny filahatr’ireo tilikambo, ary toy ny nify no fijery azy. Manazava ny gazety Science, fa nampiasaina hamantarana ny andro lava indrindra sy fohy indrindra ao anatin’ny taona ny tilikambo teo amin’ny sisiny roa. Mifanitsy amin’ireo tilikambo roa ireo ny fiposahan’ny masoandro sy ny filentehany, amin’ireo fotoana ireo. Nisy toerana nety tsara nitazanana an’izany. Nahafahana namantatra ny fiandohan’ny taona sy ny fisasahany izany. Nanamarihana ny fiposahan’ny masoandro sy ny filentehany tamin’ny fotoana hafa kosa ireo tilikambo teo anelanelany. Maina ny andro any Peroa, ka tena nilain’ny mponina ny “namantatra ny fotoana mety tsara hambolena.”

[Kisary/Sary, pejy 29]

(Jereo ny gazety)

Andro fohy indrindra, Jona Ekinôksa Andro lava indrindra, Desambra

↑ ↑ ↑

Toerana fijerena masoandro

[Sary nahazoan-dalana]

REUTERS/Ivan Ghezzi/Handout

Sary Mahakivy ny Vehivavy

“Rehefa mahita sarim-behivavy tsara tarehy sy mahia kely eo amin’ny fonon’ny gazetiboky ny vehivavy, dia kivy amin’ny toe-batany, na manao ahoana na manao ahoana habeny, bikany, halavany, ary na firy taona izy na firy taona.” Izany no tatitra nataon’ny Oniversiten’i Missouri-Columbia, any Etazonia. Hoy i Laurie Mintz, mpampianatra sy mpandinika ny toe-tsaina: “Misy mihevitra fa ny vehivavy matavy ihany no mahatsapa tena ho ratsy, rehefa avy mijery ireo sarim-behivavy mahia, izay heverina ho filamatra, asehon’ireo fampitam-baovao.” Tsy marina anefa izany. “Misy vokany ratsy amin’ny rehetra ny fijerena ireny sary ireny.”