Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Voasakana Intsony ve ny Heloka Bevava?

Tsy Voasakana Intsony ve ny Heloka Bevava?

Tsy Voasakana Intsony ve ny Heloka Bevava?

▪ Nitondra fiadiana arifomba ilay ankizilahy marary saina, ary namono mpampianatra sy ankizy maromaro tany am-pianarany.

▪ Nisy naka an-keriny ilay ankizivavikely, ka mitaintaina be ny ray aman-dreniny.

▪ Nibaboka ilay ankizilahy fa hoatran’ny nahafinaritra azy fotsiny ny namono olona, dia nataony. nasehony ny namany ilay faty, ary tsy nisy niteniteny izy rehetra nandritra ny herinandro maromaro.

▪ Misy mpametaveta ankizy mampiasa internet, ka mifanoro tetika amin’ny namany hoe ahoana no fomba handrebirebena ankizy.

SANTIONANY fotsiny amin’ny heloka bevava mahatsiravina resahin’ny gazety ireo. Ahoana kosa ny eny amin’ny misy anao? Tsy misy atahoranao ve eny, indrindra fa rehefa alina? Efa niharan’ny heloka bevava ve ianao na ny mpianakavinao? Olona an-tapitrisany eran-tany no manahy foana sao hiharan’ny heloka bevava na herisetra. Izany no izy na dia any amin’ny tany noheverina ho nilamindamina aza. Ireto misy vaovao avy any amin’ny firenena samihafa:

JAPON: ‘Anisan’ny firenena nilamina indrindra i Japon taloha. Efa nilaozan’ny toetrandro anefa ilay filaminan-tsaina nananan’ny olona. Lasa mitebiteby mafy izy ireo izao, noho ny heloka bevava sy ny asa fampihorohoroana eran-tany.’—Asia Times.

AMERIKA LATININA: Milaza ny gazety iray tamin’ny 2006 fa ahin’ny manam-pahefana hisy fifandonana toy ny ady anaty akata ao São Paulo renivohitr’i Brezila. Nisy korontana matetitetika mantsy tao anatin’ny herinandro maromaro, ka nanome baiko avy hatrany ny prezidà mba hasiana miaramila eny amin’ny arabe. Milaza ny gazety Tiempos del Mundo fa “tanora 50 000, fara fahakeliny, no manao andian-jiolahy” any Amerika Afovoany sy Meksika, “ka mailo ny manam-pahefana.” Voalaza tao koa fa “olona 15 000 teo ho eo no maty novonoin’ny andian-jiolahy toy ireo, tany Salvadaoro sy Honduras ary Goatemalà tamin’ny taona 2005 fotsiny.”

KANADA: ‘Hitan’ny mpikaroka fa mitombo be ny andian-jiolahy, ka velom-panahiana izy ireo. Andian-jiolahy 73 no hitan’ny polisy tao Toronto.’ (USA Today, 2006) Niaiky ny lehiben’ny polisin’io tanàna io fa tsy mora ny miady amin’ny fitomboan’ny asan-jiolahy an-tanàn-dehibe.

AFRIKA ATSIMO: Hoy i Patrick Burton, mpanao fikarohana momba ny heloka bevava, tao amin’ny Financial Mail: “Na inona na inona ataon’ny tanora eto Afrika Atsimo, dia matahotra foana izy sao hiharan’ny heloka bevava.” Atahorany ny hovonoin’ny “mpangalatra mitam-piadiana, ny mpaka fiara an-keriny, na ny mpandroba banky.”

FRANTSA: Maro amin’ny mponina amin’ny tranobe no mitaintaina isan’andro, rehefa “miakatra ny tohatra efa nisy nanimba, na miditra ao amin’ny toerana fametrahana fiara izay lasa mampidi-doza, na mandeha amin’ny fitateram-bahoaka izay ahitan-doza rehefa alina.”—Guardian Weekly.

ETAZONIA: Vao mainka mampitombo ny heloka bevava ny fisian’ny andian-jiolahy manana fomba fiasa maty paika. Milaza ny The New York Times fa efa ho 17 000 ny ankizivavy sy ankizilahy anisan’ny andian-jiolahy 700 teo ho eo, hitan’ny polisy tao amin’ny fanjakana iray. Niampy 10 000 eo ho eo izy ireo, raha oharina amin’ny tamin’ny efa-taona lasa.

GRANDE-BRETAGNE: Nanao tatitra momba ny vokatry ny heloka bevava eo amin’ny ankizy ny UNICEF. Hoy ny The Times any Londres momba izany: “Mihabetsaka ny tanora maty voatifitry ny basy eto Angletera. ... Tena mbola kely na ny voatifitra, na ny mpitifitra.” Nitombo be koa ny isan’ny gadra any Angletera, ka efa ho 80 000 izy ireo izao.

KENYA: Teny amin’ny arabe feno aotomobilina nifanjevo no nisy naka an-keriny ny fiara nisy ny ramatoa iray sy ny zanany vavy. Tsy tafavoaka haingana izy ireo, ka voatifitra ary maty. Malaza ho betsaka heloka bevava ao Nairobi renivohitra. Ao ny mpaka fiara an-keriny, ny mpanendaka, ary ny mpamaky trano manao herisetra.

Tsy voasakana intsony àry ve ny heloka bevava? Inona no tena mahatonga azy io? Azo antenaina ve fa hisy ny tena fandriampahalemana sy filaminana indray andro any? Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.