Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy ho Ela dia “Tsy Hisy” Intsony ny Heloka Bevava

Tsy ho Ela dia “Tsy Hisy” Intsony ny Heloka Bevava

Tsy ho Ela dia “Tsy Hisy” Intsony ny Heloka Bevava

“Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy.”—SALAMO 37:10.

TENA miahy antsika olombelona noforoniny i Jehovah Andriamanitra, fa tsy hoe tsy miraharaha, araka ny fiheveran’ny sasany azy. (Salamo 11:4, 5) Hitany koa ny heloka bevava sy ny tsy rariny rehetra mitranga, na dia ireo tsy hitan’ny olona aza. “Ny mason’i Jehovah amin’izao rehetra izao, mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.” (Ohabolana 15:3) Matokia àry fa efa ‘eo amin’izay hahasolafaka azy’ ny ratsy fanahy.—Salamo 73:12, 18.

Hoavy tena tsara kosa no miandry ny olona tsy manan-tsiny sy mahitsy, na dia mahantra sy ampijalin’ny hafa aza izy ireo. Hoy i Davida mpanao salamo: “Diniho ny olom-banona, jereo ny olo-mahitsy, dia ho tsapanao tokoa fa ny hasambarana no valiny omena ny olona toy izany.” (Salamo 37:37, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara) Tsy ho ela dia ho tanteraka eran-tany izany teny izany, ka tena mampahery antsika.

Miaina amin’ny andro farany isika

Nisy fanontaniana napetraky ny mpianatr’i Jesosy Kristy, 2 000 taona lasa izay. Mahakasika antsika ankehitriny koa izy io. Hoy izy ireo: “Lazao aminay: ... inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” (Matio 24:3) Voalaza amin’ny an-tsipiriany ao amin’ny Matio toko faha-24 sy Marka toko faha-13 ary Lioka toko faha-21 ny valin-tenin’i Jesosy. Hita ao amin’ireo Filazantsara mifameno ireo fa hampiavaka ny andro faran’ity tontolo ity ny ady, mosary, aretina, horohoron-tany lehibe, ary ny firongatry ny fandikan-dalàna.

Nanomboka tamin’ny 1914 ireo olana lehibe noresahin’i Jesosy ireo. “Tsy isalasalana fa [ny taonjato faha-20] no taonjato nahitana vonoan’olona be indrindra hatramin’izay”, hoy ilay mpahay tantara atao hoe Eric Hobsbawm.

Hoy ny Baiboly momba ny firongatry ny faharatsiana ankehitriny: “Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay.” (Salamo 92:7) Miharihary ankehitriny fa mitombo be ny fandikan-dalàna, toy ny zavamaniry vokatra be. Midika izany fa kely sisa dia horinganina ny ratsy fanahy! Vaovao tsara tokoa izany!—2 Petera 3:7.

“Ny marina handova ny tany”

Hoy ny Salamo 37:29: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” Tsy hisy intsony ny heloka bevava sy ny tsy rariny rehetra. Ho foana koa ny zava-drehetra mifandray amin’izany, toy ny hidim-baravarana, ny fanairana, ny fitsarana, ny mpisolovava, ny polisy, ary ny fonja. Mampanantena ny Baiboly fa “tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.”—Isaia 65:17.

Hiova tanteraka ny tany sy ny fiaraha-monina, ary mbola tsy nisy fiovana toy izany mihitsy hatramin’izay. (Isaia 11:9; 2 Petera 3:13) Azo antoka izany fanantenan’ny Vavolombelon’i Jehovah izany, ary manasa anao izy ireo mba handinika ny porofo fa hitranga tsy ho ela izany. Tadidio fa “tsy mahay mandainga” Ilay nampanoratra ny Soratra Masina.—Titosy 1:2.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

FANAMPIANA NY VOAFONJA

Naharay taratasy avy amin’ny voafonja tany amin’ny toerana 4 169 ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia, tao anatin’ny taona maro. Avy tany am-ponja, na hopitaly ho an’ny voafonja, na toby fanarenana ny mpidoroka zava-mahadomelina izy ireny no nanoratra. Mangataka boky ara-baiboly ny sasany, ary misy mangataka hampianarina Baiboly maimaim-poana. Misy Vavolombelona efa za-draharaha mitsidika azy ireny. Any amin’ny tany maro mihitsy ny Vavolombelona no mitsidika tsy tapaka ny fonja, mba hampianatra Baiboly an’ireo voafonja lahy sy vavy te hianatra momba an’Andriamanitra. Maro tamin’izy ireo no niova tanteraka, sy lasa Kristianina vita batisa, ary nanjary mpankatò lalàna.