Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hamantarana ny Fivavahana Marina?

Ahoana no Hamantarana ny Fivavahana Marina?

Ahoana no Hamantarana ny Fivavahana Marina?

‘Nahoana moa no mbola mila tadiavina ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra?’, hoy ny olona sasany. ‘Raha misy hafatra lehibe tiany hampitaina amin’ny olona rehetra, tsy tokony ho tonga dia hasehony mazava ve izany?’

HAIN’ANDRIAMANITRA tokoa izany. Kanefa izany ve no fomba tiany hampitana ny fahamarinana?

Tamin’ny andron’ny mpaminany

Tsy ataon’Andriamanitra miharihary ny hafatra ampitainy, mba hahitana an’izay olona tso-po maniry hahalala ny marina. (Salamo 14:2) Diniho, ohatra, ny teny nasainy nolazain’i Jeremia mpaminany fahiny. Hafatra ho an’ny Jiosy mpikomy ilay izy, ary milaza fa horavan’ny Babylonianina i Jerosalema.—Jeremia 25:8-11; 52:12-14.

Nisy mpaminany hafa koa anefa tamin’izay, nilaza ho mpitondra hafatr’Andriamanitra. Anisan’izy ireny i Hanania. Nifanohitra tamin’ny hafatr’i Jeremia ny azy, satria nilaza izy fa hisy fiadanana ao Jerosalema. Iza àry no tokony hinoan’ny olona tamin’izany, i Jeremia sa ireo mpaminany hafa?—Jeremia 23:16, 17; 28:1, 2, 10-17.

Nila namantatra ny toetran’i Jehovah sy ny lalàny ary ny toro lalany ireo Jiosy tso-po, raha te hahalala ny marina. Tokony ho fantatr’izy ireo koa fa mankahala ny ratsy Andriamanitra. Hiaiky izy ireo amin’izay fa ‘tsy nisy nanenina tamin’ny faharatsiany’ ny olona, araka ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jeremia. (Jeremia 8:5-7) Ho azon’izy ireo àry fa ho ratsy ny vokatr’izany ho an’i Jerosalema sy ny olona tao.—Deoteronomia 28:15-68; Jeremia 52:4-14.

Tanteraka ny faminanian’i Jeremia, satria noravan’ny Babylonianina ilay tanàna tamin’ny 607 T.K.

Efa nolazain’Andriamanitra mialoha be fa hampihatra didim-pitsarana amin’ireo tsy nankatò izy. Nila nandinika anefa ny olona mba hahalalana ny fotoana hitrangan’izany.

Amin’ny andron’ny Kristianina

Nanao ahoana kosa tamin’ny andron’i Jesosy Kristy? Neken’ny olona rehetra ve hoe avy amin’Andriamanitra ny fahamarinana notoriny? Tsia. Nampianatra sy nanao fahagagana teo amin’ny Israely i Jesosy, nefa tsy fantatry ny ankamaroan’izy ireo hoe izy ilay Mesia nampanantenaina, izany hoe Kristy na Voahosotra.

Nanontany an’i Jesosy ny Fariseo hoe rahoviana no ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy izy: ‘Tsy mibaribary ny fahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra. Eo afovoanareo izy io.’ (Lioka 17:20, 21) Teo afovoan’izy ireo mantsy tamin’izay i Jesosy, Mpitondra voatendrin’Andriamanitra! Tanteraka taminy ireo faminaniana momba ny Mesia. Tsy nety nino an’izany anefa ny Fariseo, ka tsy nanaiky azy ho “Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra velona.”—Matio 16:16.

Toy izany koa no fandraisan’ny olona ny fitorian’ireo mpianatr’i Kristy, tamin’ny taonjato voalohany. Niharihary fa nanampy azy ireo Andriamanitra, matoa nahavita fahagagana izy ireo. Tsy niaiky anefa ny ankamaroan’ny olona hoe fahamarinana no notoriny. (Asan’ny Apostoly 8:1-8; 9:32-41) Nirahin’i Jesosy ny mpanara-dia azy mba ‘hanao mpianatra ny olona.’ Izay olona tso-po nihaino sy nianatra ny fahamarinana tao amin’ny Soratra Masina ihany no lasa mpino.—Matio 28:19; Asan’ny Apostoly 5:42; 17:2-4, 32-34.

Toy izany koa ankehitriny. ‘Torina manerana ny tany onenana ny vaovao tsaran’ilay fanjakana, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.’ (Matio 24:14) Tsy voatery ‘hibaribary’ be izany, ka tsy tonga dia fantatry ny olona eran-tany hoe hafatra avy amin’Andriamanitra. Azo fantarina tsara anefa ny fahamarinana. Olona tso-po maro no mandray izany, satria te hanompo an’Andriamanitra araka izay takiny.—Jaona 10:4, 27.

Azo inoana fa tena maniry hahalala ny marina ianao, matoa mamaky gazety momba ny Baiboly. Ahoana àry no hahalalanao hoe iza no fivavahana mampianatra ny fahamarinana?

Mihaino aloha, avy eo manamarina

Nidera ny olona tany Beria ny apostoly Paoly, satria nandray tsara ny fampianarany izy ireo. Tsy tonga dia nanaiky ny teniny anefa izy ireo, fa nihaino tamim-panajana aloha. Azontsika akana lesona ny zavatra nataon’izy ireo.

Hoy ny Baiboly: “Ny [Berianina] dia ambony saina kokoa noho ny Jiosy tany Tesalonika, satria faran’izay nazoto nandray ny teny izy ireo, ka nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro hahitana raha izany tokoa no izy. Maro tamin’izy ireo àry no tonga mpino.” (Asan’ny Apostoly 17:10-12) Tsy fikarohana tsotsotra fotsiny, araka izany, no nataon’izy ireo. Tsy hoe vao niresaka tamin’i Paoly indray mandeha na indroa izy ireo dia resy lahatra.

Ankoatra izany, dia “faran’izay nazoto nandray ny teny” ireo Berianina. Hitantsika amin’izany ny toe-tsain’izy ireo rehefa nianatra ny Soratra Masina. Tsy nanaiky befahatany fotsiny izy ireo, nefa koa tsy be dohika. Tsy nanakiana ny fanazavan’i Paoly, izay mpitondra hafatr’Andriamanitra, izy ireo.

Tsara homarihina fa tamin’izay ny Berianina vao nandre momba ny Kristianisma. Mety ho toa sarotra ninoana àry ilay izy. Tsy tonga dia nanda an’izany anefa izy ireo fa nandinika tsara ny Soratra Masina aloha, mba hahitana ‘raha [marina] tokoa ny tenin’i Paoly.’ Tadidio koa fa lasa mpino ireo olona tany Beria sy Tesalonika, rehefa avy nanao izany fikarohana lalina izany. (Asan’ny Apostoly 17:4, 12) Tsy kivy izy ireo, na nihevitra hoe tsy ho fantatra mihitsy ny marina. Nahita ny fivavahana marina izy ireo noho izany.

Mianatra ary resy lahatra

Rehefa nahalala ny marina toa an’ireo Berianina ny olona iray, dia may erỳ hilaza izany amin’ny hafa. Misy tsy tia an’izany, satria mihevitra izy fa tsy manetry tena ilay olona. Mety mba ho marina koa mantsy, hono, ny fivavahana hafa. Rehefa nahalala ny marina anefa ny olona iray, dia tena resy lahatra. Fantany fa tsy ny fivavahana rehetra no ahazoana famonjena. Mila mikaroka anefa aloha izay te hahalala ny marina, ary mitaky fanetren-tena izany.

Efa nanao fikarohana toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Izany no mahatonga azy ireo hino hoe hitany ny fivavahana marina. Manasa anao izy ireo handinika ny Soratra Masina, mba hahitanao koa hoe iza no manaraka ny fivavahana marina ankehitriny. Misy efajoro eto ambany, momba an’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Mety hanampy anao izy io, na dia tsy voalaza eo daholo aza ny hevitra rehetra.

Afaka mampianatra Baiboly anao maimaim-poana ny Vavolombelon’i Jehovah. Hanampy anao izany mba handalina hoe inona marina no ampianarin’ny Baiboly. Hahay hamantatra ny fivavahana marina ianao amin’izay.

[Efajoro, pejy 9]

Fantaro ny Fivavahana Marina

Diniho izay nataon’ireo Kristianina voalohany:

Natoky ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo.—2 Timoty 3:16; 2 Petera 1:21.

Nampianatra izy ireo fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy fa tsy Andriamanitra, ary ambany kokoa.—1 Korintianina 11:3; 1 Petera 1:3.

Nampianatra izy ireo fa mbola hatsangana ny maty ka ho velona indray.—Asan’ny Apostoly 24:15.

Fantatry ny olona rehetra fa nifankatia izy ireo.—Jaona 13:34, 35.

Tsy samy nanana ny fivavahany ny tsirairay, fa nivondrona ho fiangonana. Anti-panahy no niandraikitra azy ireo, teo ambany fanaraha-mason’ny filan-kevi-pitantanana, ary i Jesosy no Lohany.—Asan’ny Apostoly 14:21-23; 15:1-31; Efesianina 1:22; 1 Timoty 3:1-13.

Nazoto nitory ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, ka nambarany fa io ihany no fanantenana ho an’ny olombelona.—Matio 24:14; 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 1:8.

[Sary, pejy 7]

Ahoana no nahalalan’ny olona hoe ny tenin’i Jeremia no marina, fa tsy ny an’ireo mpaminany hafa?

[Sary, pejy 8, 9]

Nihaino an’i Paoly ireo Berianina, ary nandinika ny Soratra Masina avy eo mba hahitana raha marina ny teniny na tsia

[Sary, pejy 8, 9]

Hahita ny fivavahana marina ianao, raha mandinika tsara ny Baiboly