Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Havalinao?

Ahoana no Havalinao?

Ahoana no Havalinao?

Taiza no Nitrangan’ity?

1. Taiza i Jesosy no nisy namadika?

Vakio ny Matio 26:36-56.

Asio boribory ny valin-teninao eo amin’ny sarintany.

Zaridainan’i Getsemane.

Tempoly

Lapan’ny Governora

Dobon’i Siloama

▪ Iza ilay apostoly namadika an’i Jesosy?

․․․․․

▪ Iza ilay apostoly namely ny mpanompon’ny mpisoronabe?

․․․․․

IARAHA-MIDINIKA:

Inona no nolazain’i Jesosy rehefa nandray sabatra mba hiarovana azy ny mpianany? Inona no ianaranao avy amin’izany?

Ato Amin’ity Gazety Ity

Valio ireto fanontaniana ireto, ary fenoy ny andinin-teny banga.

PEJY 3 Inona no nolazain’i Jesosy fa antony nahatongavany tetỳ an-tany? Jaona 18:․․․

PEJY 6 Araka ny tenin’i Paoly, tokony ho tafaray tsara isika ka hanao inona? 1 Korintianina 1:․․․

PEJY 11 Inona no vokany rehefa mahafantatra ny marina momba ny finoanoam-poana ny olona? Jaona 8:․․․

PEJY 20 Inona no hita taratra amin’izay lazainao? Lioka 6:________

Ho An’ny Ankizy

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireto sary ireto. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

Iza Ireto Razamben’i Jesosy Ireto?

Jereo ny fanazavana eo ambany. Vakio ny andinin-teny, ary soraty ny anarana marina.

2. ․․․․․․

Nantsoina hoe “mpitory ny fahamarinana” aho.

Vakio ny 2 Petera 2:5.

3. ․․․․․․

Zanak’i Noa aho, ary izaho foana no tononina voalohany.

Vakio ny Genesisy 6:10.

4. ․․․․․․

Tamin’ny androko no ‘voazarazara ny tany.’

Vakio ny Genesisy 10:25.

▪ Valiny, pejy 30

VALIN’NY PEJY 31

1. Zaridainan’i Getsemane

▪ Jodasy.

▪ Petera.

2. Noa.—Lioka 3:36.

3. Sema.—Lioka 3:36.

4. Palega.—Lioka 3:35.