Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Ampio ny Tanora Hiatrika Zava-tsarotra (Martsa 2007) Valo ambin’ny folo taona aho, ary tena nahasoa ahy ireo torohevitra momba ny telefaonina sy Internet. Nanjary simba mantsy ny fifandraisako tamin’i Jehovah, rehefa nifandray tamin’olon-tsy fantatro tao amin’ny Internet aho. Nanaiky hihaona tamin’ny sasany mihitsy aza aho. Tsy ela aho dia voatarik’izy ireo hanao ratsy. Nampalahelo fa lasa naloto fitondran-tena aho. Mijaly sy sahiran-tsaina aho izao, sady tsy mahita tory. Mitamberina ato an-tsaiko foana ireo zava-dratsy vitako. Tsy avelako handresy intsony anefa i Satana. Enga anie iny lahatsoratra iny ka hanampy ny hafa tsy hanao toa ahy.

B. R., Etazonia

Fa Nahoana Aho no Torana Foana? (Aprily 2007) Mampahery ny mahafantatra fa tsy izaho irery no torana foana. Rehefa namaky an’ilay lahatsoratra aho, dia hoatran’ny hoe i Jehovah mihitsy no niteny tamiko hoe: “Hitako ny mahazo anao. Ireto misy torohevitra vitsivitsy ho anao.”

I. R., Madagasikara

Zavatra Maharitra Noho ny Zavakanto (Aprily 2007) Misaotra betsaka noho iny lahatsoratra iny. Niandraikitra trano lehibe roa fakana sary aho, nandritra ny enin-taona. Tiako ny asako, satria nahita fomba hakana sary samihafa foana aho. Lasa nihena anefa ny fanompoako an’i Jehovah, rehefa nihananam-bola sy nihanalaza aho. Variana loatra tamin’ny zavakanto aho, ka tsy nanam-potoana hanaovan-javatra hafa intsony. Hitako fa nila nanova ny fiainako aho, ka nialako ny asako. Nifantoka kokoa tamin’ny fanompoana àry aho. Marina fa afa-po sy faly aho rehefa avy maka sary tsara tarehy. Ny fanompoana an’i Jehovah anefa no tena mahafaly ahy.

A. P., Etazonia

Manontany ny Tanora Hoe... Izy ve no ho Vady Sahaza Ahy? (Mey 2007) Vao haingana izay dia lasa tia ankizilahy iray aho, ary noheveriko fa tena mety amiko izy. Rehefa avy namaky an’ilay lahatsoratra anefa aho, dia hitako fa tsy tena zava-dehibe ireo zavatra nanintona ahy taminy. Takatro àry fa ny toetra tsara sy ny fanajana olona no tena tokony hojerena. Misaotra an’i Jehovah aho noho ny lahatsoratra toy ireny, izay miaro sy mitari-dalana anay tanora.

E. P., Etazonia

Fantatrao ve ny Mponin’i Timaoro Atsinanana? (Mey 2007) Tena nahaliana ahy iny lahatsoratra iny. Tamin’ny vaovao no nandrenesako voalohany momba an’io firenena io, rehefa nisy rotaka tany. Lasa nieritreritra aho hoe ahoana àry no iatrehan’ny olona any an’izany. Nanahy koa aho hoe inona no vokatr’izany teo amin’ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahagaga ahy ny toe-tsain’ny olona any. Miezaka mioitra amin’ny fiainana izy ireo fa tsy manaiky ho kivy, na dia niaina tao anatin’ny ady nahatsiravina aza. Hotadidiko foana izany toe-tsaina izany sy ny endrika falifalin-dry Jacob mianakavy.

Y. M., Japon