Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fivavahana Marina?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fivavahana Marina?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fivavahana Marina?

NOHAZAVAIN’I Jesosy tsara fa misy fivavahana tsy eken’Andriamanitra. Nilaza izy fa misy ny “mpaminany sandoka” izay toy ny hazo mamoa voa ratsy, ary “hokapaina ka hatsipy any anaty afo.” Hoy koa izy: “Tsy izay rehetra milaza amiko hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô’, no hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.”—Matio 7:15-22.

Hoy i Jesosy momba an’ireo mody manara-dia azy: ‘Hotsoriko aminy hoe: “Tsy fantatro mihitsy ianareo! Mialà amiko, ianareo mpandika lalàna.” ’ (Matio 7:23) Naveriny tamin’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny androny koa, ny tenin’Andriamanitra tamin’ny Israelita nivadi-pinoana fahiny. Hoy izy: “Very maina ny mbola ivavahany foana amiko, satria didin’olombelona no ampianariny.”—Marka 7:6, 7.

Tsy ny fivavahana rehetra àry no marina, satria misy tsy eken’Andriamanitra sy ny Zanany. Midika ve anefa izany fa iray ihany ny fivavahana mampianatra ny fahamarinana? Mety ho maromaro ve ny fivavahana eken’Andriamanitra, na dia misy aza tsy tiany? Ary sao dia mba ny mpivavaka tsirairay no jereny, ka ankasitrahany foana izay tso-po, na diso aza ny fampianaran’ny fivavahany?

Nasain’Andriamanitra nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hifanaraka tsara ianareo rehetra amin’izay lazainareo, ary mba tsy hisy fisaratsarahana eo aminareo, fa mba ho tafaray tsara ianareo ka hiray saina sy hiray hevitra.” (1 Korintianina 1:10) Mampirisika ny Kristianina koa ny Baiboly mba “hiray saina, hiray fitiavana, hiray fo, [ary] hiray hevitra.”—Filipianina 2:2.

Tsy hiray saina anefa ny olona raha tsy avy amin’ny fivavahana iray. Hoy tokoa ny Baiboly: “Iray ny Tompo, iray ny finoana, ary iray ny batisa.”—Efesianina 4:4, 5.

Diniho ireo tantara ao amin’ny Baiboly

Manaporofo an’ilay hevitra eo ambony, ireo tantara ao amin’ny Baiboly. Hita avy amin’izy ireny fa nitovy foana ny karazana fivavahana nasain’Andriamanitra narahin’ny mpanompony. Nampiasa loham-pianakaviana izy tamin’ny voalohany, mba hisolo tena azy. Anisan’izy ireny i Noa, Abrama (Abrahama), Isaka, ary Jakoba.—Genesisy 8:18-20; 12:1-3; 26:1-4; 28:10-15.

Lasa andevo tany Ejipta ny taranak’i Jakoba, tatỳ aoriana. Nihamaro izy ireo ka lasa an-tapitrisany, na dia tena nijaly aza. Nanavotra azy ireo Andriamanitra, ary nanasaraka ny Ranomasina Mena mba hiampitany. Nofidiny ho vahoakany izy ireo taorian’izay, ka nomeny lalàna tamin’ny alalan’i Mosesy. Lasa firenen’ny Israely àry izy ireo, nantsoina hoe firenen’Andriamanitra.—Eksodosy 14:21-28; 19:1-6; 20:1-17.

Tadidio anefa fa tsy neken’Andriamanitra ny fivavahan’ireo firenena nanodidina ny Israely. Nosaziny mihitsy aza ny vahoakany, raha nanaraka an’izy ireny fa tsy nankatò ny lalàny.—Levitikosy 18:21-30; Deoteronomia 18:9-12.

Ary ahoana raha nisy olona avy tamin’ny firenen-kafa, naniry hivavaka tamin’ilay tena Andriamanitra? Tsy maintsy niala tamin’ny fivavahan-diso izy ireo, ary nanompo an’i Jehovah Andriamanitra niaraka tamin’ny Israely. Maro tamin’izy ireny no nankasitrahan’Andriamanitra, ka lasa mpanompony nahatoky. Nisy vehivavy tamin’izy ireny, toa an’i Rahaba Kananita, sy Rota Moabita. Nisy lehilahy koa anefa, toa an’i Oria Hitita, sy Ebeda-Meleka Etiopianina. Nisy aza antokon’olona, toa an’ireo Gibeonita. Niara-nanompo tamin’ny vahoakan’Andriamanitra izy ireny, ary nivavaka ho azy ireo i Solomona mpanjakan’ny Israely. *2 Tantara 6:32, 33.

Taorian’ny nahatongavan’i Jesosy

Nanazava ny fikasan’Andriamanitra i Jesosy tetỳ an-tany. Ny fampianarany indray àry no lasa fototry ny fivavahana marina. Nantsoina hoe “Kristianina” ny mpivavaka marina, tatỳ aoriana. (Asan’ny Apostoly 11:26) Tsy maintsy niala tamin’ny fivavahany taloha ny Jiosy, raha te hankasitrahan’Andriamanitra. Tsy hoe samy marina ireo fivavahana roa ireo, fa ny iray ihany. Araka ny Tenin’Andriamanitra dia tafaray ireo tena mpivavaka, satria “iray ny finoana.” (Efesianina 4:4, 5) Midika izany fa niara-nanompo an’Andriamanitra izy ireo, fa tsy samy nanao ny azy.

Sarotra amin’ny sasany ankehitriny ny manaiky hoe fivavahana iray ihany no tian’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra. Izany anefa, raha ny marina, no lazain’ny Baiboly. Olona maro fahiny no nanaiky izany, na dia hafa aza ny fivavahany. Nanjary niaraka tamin’ireo tena mpivavaka tamin’i Jehovah àry izy ireo. Nahazo fitahiana maro izy ireo ka faly, ary tsy nisalasala intsony. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa nisy lehilahy etiopianina iray nanaiky ny Fivavahana Kristianina. Natao batisa izy avy eo, ary ‘nanohy ny diany sady ravoravo.’—Asan’ny Apostoly 8:39.

Hahazo fitahiana koa izay manaiky sy manaraka ny fivavahana marina ankehitriny. Maro be anefa ny fivavahana, ka ahoana no hahafantaranao hoe iza no marina?

[Fanamarihana ambany pejy]

[Sary, pejy 5]

Hatao ahoana ny fivavahana iray, raha mamoa voa ratsy?