Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iray Ihany ve ny Fivavahana Marina?

Iray Ihany ve ny Fivavahana Marina?

Iray Ihany ve ny Fivavahana Marina?

Tsy tian’ny olona sasany io fanontaniana io. Maro be mantsy izao ny fivavahana. Toy ny hoe tery saina sy manambony tena àry izay milaza fa ny azy ihany no marina. Angaha tokoa moa tsy tsara daholo ny fivavahana rehetra na, fara faharatsiny, ny ankamaroany? Ahoana ny hevitrao?

AMIN’NY lafin-javatra sasany tokoa dia tsy tsara ny manantitrantitra hoe ianao irery no manana ny marina. Mety hisy olona hihevitra, ohatra, hoe tena mahasalama ny sakafo iray. Tsy tokony hanery ny hafa hihinana an’izany anefa izy, satria tsy io irery no mahasalama. Hendry kosa izy raha miaiky fa mety ho tsara koa ny sakafo hafa. Mety ho tsara kokoa mihitsy aza ilay izy amin’ny olon-kafa.

Toy izany koa ve amin’ny resaka fivavahana? Betsaka ve ny fivavahana tsara, fa miankina amin’izay tian’ny tsirairay sy nanabeazana azy fotsiny? Sa iray ihany no tena marina, ary natao ho an’ny olona rehetra izy io? Andeha hodinihintsika izay lazain’ny Baiboly. Hojerentsika anefa aloha hoe tena misy ve ny fahamarinana, izany hoe misy ve zavatra azo atao hoe tena marina sy tsy azo lavina? Raha tsy izany mantsy dia tsy hisy koa ny fivavahana tena azo lazaina hoe marina.

Tena misy ve ny fahamarinana?

Niresaka tamin’i Pontio Pilato Governora Romanina i Jesosy Kristy, taloha kelin’ny hamonoana azy. Hoy izy: “Mihaino ny feoko izay rehetra miandany amin’ny marina.” Naneso azy i Pilato rehefa namaly hoe: “Inona no marina?” Tsy nino mantsy izy hoe misy ny fahamarinana. (Jaona 18:37, 38) I Jesosy kosa sahy niresaka nivantana momba ny marina. Azony antoka mantsy fa tena misy ny fahamarinana. Ireto, ohatra, misy hevitra efatra nolazainy, mifandray amin’izany:

“Izao no nahaterahako, ary izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.”Jaona 18:37.

“Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana.”—Jaona 14:6.

“Andriamanitra dia Fanahy, ka izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana.”Jaona 4:23, 24.

“Raha tsy miala amin’ny teniko ianareo dia tena mpianatro tokoa, ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.”—Jaona 8:31, 32.

Tena natoky àry i Jesosy fa misy ny fahamarinana ary azo fantarina. Tsy midika ve izany fa azo fantarina koa ankehitriny hoe inona no tena marina eo amin’ny resaka fivavahana?

Misy ve ny fahamarinana tena tsy azo lavina?

Manaiky angamba ianao fa misy zavatra azo antoka hoe tena misy. Anisan’izany ny tenanao sy izay manodidina anao toy ny hazo, tendrombohitra, rahona, masoandro, ary ny volana. Tsy noforonin’ny sainao ireo fa tena misy, ary hita maso. Mety hisy hilaza ihany ireo mpandala ny filozofia, hoe tsy tena misy ny sasany amin’ireo. Azo inoana anefa fa tsy hitovy hevitra amin’izy ireny ianao.

Tena misy koa ny lalàn’ny natiora, ary afaka matoky izany ianao. Raha mitsambikina avy eny amin’ny toerana avo, ohatra, ianao, dia tsy maintsy mianjera. Raha tsy mety misakafo ianao dia ho noana, ary raha tsy mety mihinana mandritra ny fotoana elaela, dia ho faty. Mazava ho azy fa marina foana ny lalàn’ny natiora toy ireo. Mihatra amin’ny olona rehetra izy ireo, fa tsy amin’ny sasany ihany.

Miresaka lalàn’ny natiora iray, ohatra, ny Baiboly ao amin’ny bokin’ny Ohabolana, manao hoe: “Mahatondra afo ao an-tratran’akanjony va ny olona, ka tsy ho may ny akanjony?” May tokoa ny akanjo rehefa tratran’ny afo, ary marina foana izany. Izao anefa no tohin’ilay ohabolana: “Toy izany izay [mijangajanga amin’ny] vadin’ny namany”, tsy maintsy hizaka ny vokany izy.—Ohabolana 6:27, 29.

Azo lazaina hoe marina foana ve io teny io? Misy mandà an’izany. Mihevitra mantsy izy ireo fa afaka mifidy izay fitondran-tena tiany ny tsirairay, arakaraka ny nitaizana azy sy ny zavatra inoany ary ny toe-javatra misy azy. Diniho anefa ireto lalàn’Andriamanitra momba ny fitondran-tena ireto, dia ho hitanao fa marina foana izy ireo amin’ny olona rehetra.

Raran’ny Baiboly ny fanitsakitsaham-bady. (1 Korintianina 6:9, 10) Tsy manaiky an’izany anefa ny olona sasany, ka matetika no mijinja vokany tena ratsy. Anisan’izany ny hoe enjehin’ny eritreritra, misara-panambadiana, ary mankarary ny fon’ny fianakaviany.

Raran’Andriamanitra koa ny fimamoana. (Ohabolana 23:20; Efesianina 5:18) Inona matetika no manjo ny olona mamo lava? Voaroaka amin’ny asany, marary, ilaozan’ny vady aman-janany, ary ketraka. (Ohabolana 23:29-35) Izany foana no vokany, na dia tsy mino aza ny olona hoe ratsy ny mamo. Marina foana àry ireo lalàn’Andriamanitra ireo, na manaiky ny olona na tsia, ary na inona na inona fomba fisainany.

Misy didy mampirisika antsika hanao ny tsara koa ao amin’ny Baiboly. Tokony ho tia ny vadiny, ohatra, ny lehilahy, hanaja ny vadiny ny vehivavy, ary hifanao soa ny rehetra. (Matio 7:12; Efesianina 5:33) Mahasoa antsika ny mankatò an’ireo. Azo inoana fa ekenao hoe mahasoa ny olona rehetra izany, fa tsy ho an’ny sasany ihany.

Raha manaraka ny lalàn’ny Baiboly àry ny olona dia handray soa, fa raha tsy izany dia tsy maintsy hijinja ny voka-dratsiny. Tsy maintsy iray amin’izay no izy. Izany no manaporofo fa tena marina ny lalàn’Andriamanitra, ary diso izay hevitra rehetra tsy mitovy aminy.

Koa raha marina amin’ny olona rehetra àry ny lalàn’ny Baiboly momba ny fitondran-tena, tsy ho marina foana koa ve izay lazainy momba ny fivavahana? Ary marina ve ny fanazavany momba ny maty sy ny fiainana mandrakizay? Mazava ho azy fa eny, ary ireny fampianarana ireny no antsoina hoe fahamarinana. Marina amin’ny olona rehetra izy ireny, fa tsy amin’ireo mino azy ihany. Handray soa izay manaiky azy ireny, fa hijinja vokany ratsy kosa izay mandà.

Azo fantarina tsara àry ny fahamarinana. Nilaza i Jesosy fa ny Tenin’Andriamanitra no fahamarinana. (Jaona 17:17) Toa mbola ho sarotra ihany anefa ny hahita ny tena marina. Nahoana? Satria maro be ny fivavahana milaza fa mampianatra ny Baiboly. Iza àry no tena mampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra? Tsy maintsy fivavahana iray ihany ve no manao an’izany, sa mety ho maromaro? Angaha moa tsy samy misy marina kely ihany ny ankamaroan’ny fivavahana?

[Teny notsongaina, pejy 4]

Manao ahoana ny zavatra raha tratran’ny afo? Manao ahoana koa ny olona raha tsy mankatò ny lalàn’Andriamanitra?